< 1 Књига дневника 2 >

1 Ово су синови Израиљеви: Рувим, Симеун, Левије и Јуда, Исахар и Завулон,
Izao no zanakalahin’ Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona
2 Дан, Јосиф и Венијамин, Нефталим, Гад и Асир.
sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.
3 Синови Јудини: Ир и Авнан и Сила; та му три роди кћи Сувина Хананејка; али Ир првенац Јудин беше неваљао пред Господом, те га уби.
Ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak’ i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
4 А Тамара, снаха његова роди му Фареса и Зару. Свега пет беше синова Јудиних.
Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an’ i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin’ i Joda rehetra.
5 Синови Фаресови: Есрон и Амул.
Ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
6 А синови Зарини: Зимрије и Етан и Еман и Халкол и Дара; свега пет.
Ary ny zanakalahin’ i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.
7 И синови Хармијини: Ахан, који смути Израиља огрешивши се о ствари проклете.
Ary ny zanakalahin’ i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona.
8 А синови Етанови: Азарија.
Ary ny zanakalahin’ i Etana dia Azaria.
9 А синови Есронови, што му се родише: Јерамеило и Арам и Халев.
Ary ny zanakalahin’ i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;
10 А Арам роди Аминадава, а Аминадав роди Насона, кнеза синова Јудиних;
ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona, lohan’ ny taranak’ i Joda;
11 А Насон роди Салмона; а Салмон роди Воза;
ary Nasona niteraka an’ i Salma; ary Salma niteraka an’ i Boaza;
12 А Воз роди Овида; а Овид роди Јесеја;
ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
13 А Јесеј роди првенца свог Елијава, и Авинадава другог и Саму трећег,
ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,
14 Натанаила четвртог, Радаја петог,
sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,
15 Осема шестог, Давида седмог,
sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;
16 И сестре му Серују и Авигеју. А синови Серујини беху Ависај и Јоав и Асаило, тројица.
Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;
17 А Авигеја роди Амасу; а отац Амасин беше Јетер Исмаиљац.
ary Abigaila niteraka an’ i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’ i Amasa.
18 А Халев син Есронов роди с Азувом женом својом и с Јериотом синове, и синови му беху Јесер и Совав и Ардон.
Ary Kaleba, zanakalahin’ i Hezrona, niteraka tamin’ i Azoba vadiny sy tamin’ i Jeriota. Izao no zanakalahin’ i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.
19 А кад умре Азува, Халев се ожени Ефратом, која му роди Ора;
Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain’ i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an’ i Hora taminy;
20 А Ор роди Урију, а Урија роди Веселеила.
ary Hora niteraka an’ i Ory; ary Ory niteraka an’ i Bezalila.
21 Потом отиде Есрон ка кћери Махира оца Галадовог, и ожени се њом кад му беше шездесет година, и она му роди Сегува.
Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy;
22 А Сегув роди Јаира, који имаше двадесет и три града у земљи галадској.
ary Segoba niteraka an’ i Jaïra, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ ny tany Gileada.
23 Јер узе Гесурејима и Сирцима села Јаирова и Кенат са селима његовим, шездесет градова. То све узеше синови Махира, оца Галадовог.
Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada.
24 И кад умре Есрон у Халев-Ефрати, жена Есронова Авија роди му Асхора оца Текујанима.
Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’ i Hezrona, dia niteraka an’ i Asora, razamben’ ny any Tekoa, taminy.
25 А синови Јерамеила првенца Есроновог беху: првенац Арам, па Вуна и Орем и Осем и Ахија.
Ary ny zanakalahin’ i Jeramela, lahimatoan’ i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.
26 Имаше и другу жену Јерамеило, по имену Атару, она је мати Онамова.
Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin’ i Onama.
27 А синови Арама првенца Јерамеиловог беху: Мас и Јамин и Екер.
Ary ny zanakalahin’ i Rama, lahimatoan’ i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.
28 И синови Онамови беху: Самај и Јадај; а синови Самајеви: Надав и Ависур.
Ary ny zanakalahin’ i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’ i Samay dia Nadaba sy Abisora.
29 И име жени Ависуровој беше Авихаила, која му роди Авана и Молоида.
Ary ny anaran’ ny vadin’ i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an’ i Abana sy Molida taminy.
30 А синови Надавови: Селед и Апаим; али Селед умре без деце.
Ary ny zanakalahin’ i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.
31 А синови Апаилови: Јесеј; а синови Јесејеви: Сисан, и кћи Сисанова Алаја.
Ary ny zanakalahin’ i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin’ i Sesana dia Ahelay.
32 А синови Јадаја брата Самајевог: Јетер и Јонатан; али Јетер умре без деце.
Ary ny zanakalahin’ i Jada, rahalahin’ i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.
33 А синови Јонатанови: Фалет и Заза. Ти беху синови Јерамеилови.
Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin’ i Jeramela.
34 А Сисан не имаше синове него кћери; и имаше Сисан слугу Мисирца по имену Јарају.
Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.
35 Зато Сисан даде кћер своју Јараји, слузи свом за жену; а она му роди Атаја.
Ary ny zananivavy nomen’ i Sesana ho vadin’ i Jara mpanompony; ary izy niteraka an’ i Atahy taminy.
36 А Атај роди Натана; а Натан роди Завада;
Ary Atahy niteraka an’ i Natana; ary Natana niteraka an’ i Zabada;
37 А Завад роди Ефлата; а Ефлат роди Овида;
ary Zabada niteraka an’ i Efiala; ary Efiala niteraka an’ i Obeda;
38 А Овид роди Јуја; а Јуј роди Азарију;
ary Obeda niteraka an’ i Jeho; ary Jeho niteraka an’ i Azaria;
39 А Азарија роди Хелиса; а Хелис роди Елеасу;
ary Azaria niteraka an’ i Haleza; ary Haleza niteraka an’ i Elasa;
40 А Елеаса роди Сисамаја; а Сисамај роди Салума;
ary Elasa niteraka an’ i Sismay; ary Sismay niteraka an’ i Saloma;
41 А Салум роди Јекамију; а Јекамија роди Елисама.
ary Saloma niteraka an’ i Jekamia; ary Jekamia niteraka an’ i Elisama.
42 А синови Халева брата Јерамеиловог беху: Миса првенац његов, отац Зифејима; па синови Марисе оца Хевроновог.
Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, rahalahin’ i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ ny any Zifa, sy ny zanakalahin’ i Maresa, razamben’ ny any Hebrona.
43 А синови Хевронови: Кореј и Тафуја и Рекем и Сема.
Ary ny zanakalahin’ i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.
44 А Сема роди Рама оца Јоркоамовог; а Рекем роди Самаја.
Ary Sema niteraka an’ i Rahama, rain’ i Jorkeama, ary Rakema niteraka an’ i Samay;
45 А син Самајев беше Маон, а тај Маон би отац Вет-Суру.
ary ny zanakalahin’ i Samay dia Maona, ary Maona no razamben’ ny any Beti-zora;
46 И Гефа иноча Халевова роди Харана и Мосу и Газеса.
ary Efaha, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an’ i Gazeza.
47 А синови Јадајеви: Ригем и Јотам и Гисан и Фелет и Гефа и Сагаф.
Ary ny zanakalahin’ i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.
48 Маха иноча Халевова роди Севера и Тирхану.
Maka, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Sabera sy Tirana.
49 Роди и Сагафа оца Мадманцима и Севу оца Махвинцима и Гавајанима; а кћи Халевова беше Ахса.
Izy koa niteraka an’ i Safa, razamben’ ny any Madmana, sy Seva, razamben’ ny any Makbena sady razamben’ ny any Gibea; ary ny zanakavavin’ i Kaleba dia Aksa.
50 Ово беху синови Халева сина Ора првенца Ефратиног; Совал отац Киријат-Јариму,
Izao no zanakalahin’ i Kaleba, zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata: Sobala, razamben’ ny any Kiriata-Jearima,
51 Салма отац Витлејему, Ареф отац Вет-Гадеру.
Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera.
52 А имаше синове Совал отац Киријат-Јариму: Ароја и Аси-Аменухота.
Ary Sobala, razamben’ ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota
53 А породице Киријат-јаримске беху: Јетрани и Фућани и Сумаћани и Мисрајани. Од њих изиђоше Сараћани и Естаољани.
ary ny fokon’ i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraïta; avy tamin’ ireo no nihavian’ ny Zoraïta sy ny Estaolita.
54 Синови Салмини: Витлејемци и Нетофаћани, Атароћани од дома Јоавовог, и Зорани, половина Манахаћана,
Ny zanakalahin’ i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraïta
55 И породице писарске у Јавису, Тираћани, Симеаћани, Сухаћани; то су Кенеји, који се народише од Емата, оца дома Рихавовог.
ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.

< 1 Књига дневника 2 >