< Софония 3 >

1 Горе городу нечистому и оскверненному, притеснителю!
Lozan’ ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
2 Не слушает голоса, не принимает наставления, на Господа не уповает, к Богу своему не приближается.
Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
3 Князья его посреди него - рыкающие львы, судьи его - вечерние волки, не оставляющие до утра ни одной кости.
Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.
4 Пророки его - люди легкомысленные, вероломные; священники его оскверняют святыню, попирают закон.
Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
5 Господь праведен посреди него, не делает неправды, каждое утро являет суд Свой неизменно; но беззаконник не знает стыда.
Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
6 Я истребил народы, разрушены твердыни их; пустыми сделал улицы их, так что никто уже не ходит по ним; разорены города их: нет ни одного человека, нет жителей.
Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
7 Я говорил: “бойся только Меня, принимай наставление!”, и не будет истреблено жилище его, и не постигнет его зло, какое Я постановил о нем; а они прилежно старались портить все свои действия.
Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.
8 Итак, ждите Меня, говорит Господь, до того дня, когда Я восстану для опустошения, ибо Мною определено собрать народы, созвать царства, чтобы излить на них негодование Мое, всю ярость гнева Моего; ибо огнем ревности Моей пожрана будет вся земля.
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin’ ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ ireo, dia ny firehetan’ ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
9 Тогда опять Я дам народам уста чистые, чтобы все призывали имя Господа и служили Ему единодушно.
Fa amin’ izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’ izy rehetra ny anaran’ i Jehovah, hanompoany Azy amin’ ny firaisan-kina.
10 Из заречных стран Ефиопии поклонники Мои, дети рассеянных Моих, принесут Мне дары.
Avy any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin’ izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.
11 В тот день ты не будешь срамить себя всякими поступками твоими, какими ты грешил против Меня, ибо тогда Я удалю из среды твоей тщеславящихся твоею знатностью, и не будешь более превозноситься на святой горе Моей.
Amin’ izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin’ izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masìna intsony ianao.
12 Но оставлю среди тебя народ смиренный и простой, и они будут уповать на имя Господне.
Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran’ i Jehovah no hialofany,
13 Остатки Израиля не будут делать неправды, не станут говорить лжи, и не найдется в устах их языка коварного, ибо сами будут пастись и покоиться, и никто не потревожит их.
Ny sisa amin’ ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
14 Ликуй, дщерь Сиона! торжествуй, Израиль! веселись и радуйся от всего сердца, дщерь Иерусалима!
Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
15 Отменил Господь приговор над тобою, прогнал врага твоего! Господь, царь Израилев, посреди тебя: уже более не увидишь зла.
Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
16 В тот день скажут Иерусалиму: “не бойся” - и Сиону: “да не ослабевают руки твои!”
Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.
17 Господь Бог твой среди тебя, Он силен спасти тебя; возвеселится о тебе радостью, будет милостив по любви Своей, будет торжествовать о тебе с ликованием.
Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin’ ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ ny fihobiana Izy.
18 Сетующих о торжественных празднествах Я соберу: твои они, на них тяготеет поношение.
Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ ny latsa izy.
19 Вот, Я стесню всех притеснителей твоих в то время и спасу хромлющее, и соберу рассеянное, и приведу их в почет и именитость на всей этой земле поношения их.
Indro, hasiako amin’ Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ ny tany rehetra.
20 В то время приведу вас и тогда же соберу вас, ибо сделаю вас именитыми и почетными между всеми народами земли, когда возвращу плен ваш перед глазами вашими, говорит Господь.
Amin’ izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin’ izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka ho hitan’ ny masonareo izany, hoy Jehovah.

< Софония 3 >