< Псалтирь 52 >

1 Начальнику хора. Учение Давида, после того, как приходил Доик Идумеянин и донес Саулу и сказал ему, что Давид пришел в дом Ахимелеха. Что хвалишься злодейством, сильный? милость Божия всегда со мною;
Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2 гибель вымышляет язык твой; как изощренная бритва, он у тебя, коварный!
Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
3 ты любишь больше зло, нежели добро, больше ложь, нежели говорить правду;
Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. (Sela)
4 ты любишь всякие гибельные речи, язык коварный:
Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
5 за то Бог сокрушит тебя вконец, изринет тебя и исторгнет тебя из жилища твоего и корень твой из земли живых.
Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. (Sela)
6 Увидят праведники и убоятся, посмеются над ним и скажут:
Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
7 “вот человек, который не в Боге полагал крепость свою, а надеялся на множество богатства своего, укреплялся в злодействе своем”.
Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany.
8 А я, как зеленеющая маслина, в доме Божием, и уповаю на милость Божию во веки веков,
Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho.
9 вечно буду славить Тебя за то, что Ты соделал, и уповать на имя Твое, ибо оно благо пред святыми Твоими.
Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany.

< Псалтирь 52 >