< Псалтирь 48 >

1 Песнь. Псалом. Сынов Кореевых. Велик Господь и всехвален во граде Бога нашего, на святой горе Его.
Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna.
2 Прекрасная возвышенность, радость всей земли гора Сион; на северной стороне ее город великого Царя.
Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.
3 Бог в жилищах его ведом, как заступник:
Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.
4 ибо вот, сошлись цари и прошли все мимо;
Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.
5 увидели и изумились, смутились и обратились в бегство;
Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;
6 страх объял их там и мука, как у женщин в родах;
Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.
7 восточным ветром Ты сокрушил Фарсийские корабли.
Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.
8 Как слышали мы, так и увидели во граде Господа сил, во граде Бога нашего: Бог утвердит его на веки.
Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. (Sela)
9 Мы размышляли, Боже, о благости Твоей посреди храма Твоего.
Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.
10 Как имя Твое, Боже, так и хвала Твоя до концов земли; десница Твоя полна правды.
Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
11 Да веселится гора Сион, да радуются дщери Иудейские ради судов Твоих, Господи.
Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao.
12 Пойдите вокруг Сиона и обойдите его, пересчитайте башни его;
Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,
13 обратите сердце ваше к укреплениям его, рассмотрите домы его, чтобы пересказать грядущему роду,
Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
14 ибо сей Бог есть Бог наш на веки и веки: Он будет вождем нашим до самой смерти.
Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.

< Псалтирь 48 >