< Псалтирь 37 >

1 Псалом Давида. Не ревнуй злодеям, не завидуй делающим беззаконие,
Nataon’ i Davida.
2 ибо они, как трава, скоро будут подкошены и, как зеленеющий злак, увянут.
Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
3 Уповай на Господа и делай добро; живи на земле и храни истину.
Matokia an’ i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin’ ny tany ianao ka ho faly amin’ ny fahamarinana.
4 Утешайся Господом, и Он исполнит желания сердца твоего.
Ary miravoravoa amin’ i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ ny fonao.
5 Предай Господу путь твой и уповай на Него, и Он совершит,
Ankino amin’ i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
6 и выведет, как свет, правду твою и справедливость твою, как полдень.
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
7 Покорись Господу и надейся на Него. Не ревнуй успевающему в пути своем, человеку лукавствующему.
Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.
8 Перестань гневаться и оставь ярость; не ревнуй до того, чтобы делать зло,
Mitsahara amin’ ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran’ izany.
9 ибо делающие зло истребятся, уповающие же на Господа наследуют землю.
Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an’ i Jehovah no handova ny tany.
10 Еще немного, и не станет нечестивого; посмотришь на его место, и нет его.
Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
11 А кроткие наследуют землю и насладятся множеством мира.
Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny fiadanana.
12 Нечестивый злоумышляет против праведника и скрежещет на него зубами своими:
Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
13 Господь же посмевается над ним, ибо видит, что приходит день его.
Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
14 Нечестивые обнажают меч и натягивают лук свой, чтобы низложить бедного и нищего, чтобы пронзить идущих прямым путем:
Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
15 меч их войдет в их же сердце, и луки их сокрушатся.
Ny sabany hitsatoka amin’ ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
16 Малое у праведника - лучше богатства многих нечестивых,
Tsara lavitra ny kely ananan’ ny ratsy fanahy maro.
17 ибо мышцы нечестивых сокрушатся, а праведников подкрепляет Господь.
Fa ny sandrin’ ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
18 Господь знает дни непорочных, и достояние их пребудет вовек:
Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
19 не будут они постыжены во время лютое и во дни голода будут сыты;
Tsy mba ho menatra amin’ ny andro fahoriana ireny; ary amin’ ny taona mosarena dia ho voky izy.
20 а нечестивые погибнут, и враги Господни, как тук агнцев, исчезнут, в дыме исчезнут.
Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon’ i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
21 Нечестивый берет взаймы и не отдает, а праведник милует и дает,
Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
22 ибо благословенные Им наследуют землю, а проклятые Им истребятся.
Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
23 Господом утверждаются стопы такого человека, и Он благоволит к пути его:
Avy amin’ i Jehovah no mahalavorary ny dian’ ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
24 когда он будет падать, не упадет, ибо Господь поддерживает его за руку.
Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
25 Я был молод и состарился, и не видал праведника оставленным и потомков его просящими хлеба:
Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
26 он всякий день милует и взаймы дает, и потомство его в благословение будет.
Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
27 Уклоняйся от зла, и делай добро, и будешь жить вовек:
Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
28 ибо Господь любит правду и не оставляет святых Своих; вовек сохранятся они; и потомство нечестивых истребится.
Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masìna; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
29 Праведники наследуют землю и будут жить на ней вовек.
Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
30 Уста праведника изрекают премудрость, и язык его произносит правду.
Ny vavan’ ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
31 Закон Бога его в сердце у него; не поколеблются стопы его.
Ny lalàn’ Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
32 Нечестивый подсматривает за праведником и ищет умертвить его;
Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
33 но Господь не отдаст его в руки его и не допустит обвинить его, когда он будет судим.
Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
34 Уповай на Господа и держись пути Его: и Он вознесет тебя, чтобы ты наследовал землю; и когда будут истребляемы нечестивые, ты увидишь.
Miandrasa an’ i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
35 Видел я нечестивца грозного, расширявшегося, подобно укоренившемуся многоветвистому дереву;
Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
36 но он прошел, и вот нет его; ищу его и не нахожу.
Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
37 Наблюдай за непорочным и смотри на праведного, ибо будущность такого человека есть мир;
Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an’ ny olona tia fihavanana.
38 а беззаконники все истребятся; будущность нечестивых погибнет.
Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran’ ny ratsy fanahy ho fongotra.
39 От Господа спасение праведникам, Он - защита их во время скорби;
Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
40 и поможет им Господь и избавит их; избавит их от нечестивых и спасет их, ибо они на Него уповают.
Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin’ ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.

< Псалтирь 37 >