< Левит 9 >

1 В восьмой день призвал Моисей Аарона и сынов его и старейшин Израилевых
Ary tamin’ ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an’ i Arona sy ny zanany ary ny loholon’ ny Isiraely.
2 и сказал Аарону: возьми себе из волов тельца в жертву за грех и овна во всесожжение, обоих без порока, и представь пред лице Господне;
Dia hoy izy tamin’ i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ i Jehovah.
3 и сынам Израилевым скажи: возьмите козла в жертву за грех, и овна, и тельца, и агнца, однолетних, без порока, во всесожжение,
Ary ny Zanak’ Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak’ ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
4 и вола и овна в жертву мирную, чтобы совершить жертвоприношение пред лицем Господним, и приношение хлебное, смешанное с елеем, ибо сегодня Господь явится вам.
ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’ i Jehovah aminareo.
5 И принесли то, что приказал Моисей, пред скинию собрания, и пришло все общество и стало пред лицем Господним.
Dia nitondra izay nandidian’ i Mosesy azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
6 И сказал Моисей: вот что повелел Господь сделать, и явится вам слава Господня.
Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian’ i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr’ i Jehovah.
7 И сказал Моисей Аарону: приступи к жертвеннику и соверши жертву твою о грехе и всесожжение твое, и очисти себя и народ, и сделай приношение от народа, и очисти их, как повелел Господь.
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an’ ny tenanao sy ho an’ ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’ i Jehovah.
8 И приступил Аарон к жертвеннику и заколол тельца, который за него, в жертву за грех:
Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny tenany.
9 сыны Аарона поднесли ему кровь, и он омочил перст свой в крови и возложил на роги жертвенника, а остальную кровь вылил к подножию жертвенника,
Ary nentin’ ny zanak’ i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara;
10 а тук и почки и сальник на печени от жертвы за грех сжег на жертвеннике, как повелел Господь Моисею;
fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin’ ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara, araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy;
11 мясо же и кожу сжег на огне вне стана.
ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby.
12 И заколол всесожжение, и сыны Аарона поднесли ему кровь; он покропил ею на жертвенник со всех сторон;
Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
13 и принесли ему всесожжение в кусках и голову, и он сжег на жертвеннике,
Ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny lohany dia natolotr’ ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara.
14 а внутренности и ноги омыл и сжег со всесожжением на жертвеннике.
Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin’ ny fanatitra dorana teo ambonin’ ny alitara.
15 И принес приношение от народа, и взял от народа козла за грех, и заколол его, и принес его в жертву за грех, как и прежнего.
Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
16 И принес всесожжение и совершил его по уставу.
Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
17 И принес приношение хлебное, и наполнил им руки свои, и сжег на жертвеннике сверх утреннего всесожжения.
Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana maraina.
18 И заколол вола и овна, которые от народа, в жертву мирную; и сыны Аарона поднесли ему кровь, и он покропил ею на жертвенник со всех сторон;
Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak’ i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
19 поднесли и тук из вола, и из овна курдюк, и тук покрывающий внутренности, почки и сальник на печени,
Ary natolony azy koa ny saboran’ ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
20 и положили тук на грудь, и он сжег тук на жертвеннике;
dia napetrany teo ambonin’ ny tratran’ ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany;
21 грудь же и правое плечо принес Аарон, потрясая пред лицем Господним, как повелел Моисей.
fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan’ i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidian’ i Mosesy.
22 И поднял Аарон руки свои, обратившись к народу, и благословил его, и сошел, совершив жертву за грех, всесожжение и жертву мирную.
Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
23 И вошли Моисей и Аарон в скинию собрания, и вышли, и благословили народ. И явилась слава Господня всему народу:
Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr’ i Jehovah niseho tamin’ ny olona rehetra.
24 и вышел огонь от Господа и сжег на жертвеннике всесожжение и тук; и видел весь народ, и воскликнул от радости, и пал на лице свое.
Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.

< Левит 9 >