< Книга Судей 13 >

1 Сыны Израилевы продолжали делать злое пред очами Господа, и предал их Господь в руки Филистимлян на сорок лет.
Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, ka dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Filistina efa-polo taona izy.
2 В то время был человек из Цоры, от племени Данова, именем Маной; жена его была неплодна и не рождала.
Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ ny fokon’ ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3 И явился Ангел Господень жене и сказал ей: вот, ты неплодна и не рождаешь; но зачнешь, и родишь сына;
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4 итак берегись, не пей вина и сикера, и не ешь ничего нечистого;
Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
5 ибо вот, ты зачнешь и родишь сына, и бритва не коснется головы его, потому что от самого чрева младенец сей будет назорей Божий, и он начнет спасать Израиля от руки Филистимлян.
Fa, indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Filistina.
6 Жена пришла и сказала мужу своему: человек Божий приходил ко мне, которого вид, как вид Ангела Божия, весьма почтенный; я не спросила его, откуда он, и он не сказал мне имени своего;
Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin’ ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin’ Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7 он сказал мне: “вот, ты зачнешь и родишь сына; итак не пей вина и сикера и не ешь ничего нечистого, ибо младенец от самого чрева до смерти своей будет назорей Божий”.
Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
8 Маной помолился Господу и сказал: Господи! пусть придет опять к нам человек Божий, которого посылал Ты, и научит нас, что нам делать с имеющим родиться младенцем.
Ary Manoa nangataka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’ Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
9 И услышал Бог голос Маноя, и Ангел Божий опять пришел к жене, когда она была в поле, и Маноя, мужа ее, не было с нею.
Ary Andriamanitra nihaino ny feon’ i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin’ Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
10 Жена тотчас побежала и известила мужа своего и сказала ему: вот, явился мне человек, приходивший ко мне тогда.
Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin’ ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin’ ilay indray andro.
11 Маной встал и пошел с женою своею, и пришел к тому человеку и сказал ему: ты ли тот человек, который говорил с сею женщиною? Ангел сказал: я.
Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
12 И сказал Маной: итак, если исполнится слово твое, как нам поступать с младенцем сим и что делать с ним?
Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
13 Ангел Господень сказал Маною: пусть он остерегается всего, о чем я сказал жене;
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
14 пусть не ест ничего, что производит виноградная лоза; пусть не пьет вина и сикера и не ест ничего нечистого и соблюдает все, что я приказал ей.
Izay rehetra avy amin’ ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
15 И сказал Маной Ангелу Господню: позволь удержать тебя, пока мы изготовим для тебя козленка.
Ary hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak’ osy ho Anao.
16 Ангел Господень сказал Маною: хотя бы ты и удержал меня, но я не буду есть хлеба твоего; если же хочешь совершить всесожжение Господу, то вознеси его. Маной же не знал, что это Ангел Господень.
Dia hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr’ i Manoa ho Anjelin’ i Jehovah Izy.
17 И сказал Маной Ангелу Господню: как тебе имя? чтобы нам прославить тебя, когда исполнится слово твое.
Dia hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
18 Ангел Господень сказал ему: что ты спрашиваешь об имени моем? оно чудно.
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
19 И взял Маной козленка и хлебное приношение и вознес Господу на камне. И сделал Он чудо, которое видели Маной и жена его.
Dia naka ny zanak’ osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin’ ny vatolampy ho an’ i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
20 Когда пламень стал подниматься от жертвенника к небу, Ангел Господень поднялся в пламени жертвенника. Видя это, Маной и жена его пали лицoм на землю.
Ary raha niakatra ho amin’ ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ ny alitara, dia niakatra teo anatin’ ny lelafo avy teo amin’ ny alitara Ilay Anjelin’ i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ ny tany.
21 И невидим стал Ангел Господень Маною и жене его. Тогда Маной узнал, что это Ангел Господень.
Ary tsy niseho tamin’ i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin’ i Jehovah; dia fantatr’ i Manoa fa Anjelin’ i Jehovah Izy.
22 И сказал Маной жене своей: верно мы умрем, ибо видели мы Бога.
Ary hoy Manoa tamin’ ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an’ Andriamanitra.
23 Жена его сказала ему: если бы Господь хотел умертвить нас, то не принял бы от рук наших всесожжения и хлебного приношения, и не показал бы нам всего того, и теперь не открыл бы нам сего.
Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak’ i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin’ ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
24 И родила жена сына, и нарекла имя ему: Самсон. И рос младенец, и благословлял его Господь.
Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.
25 И начал Дух Господень действовать в нем в стане Дановом, между Цорою и Естаолом.
Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin’ i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan’ i Zora sy Estaola.

< Книга Судей 13 >