< Иеремия 45 >

1 Слово, которое пророк Иеремия сказал Варуху, сыну Нирии, когда он написал слова сии из уст Иеремии в книгу, в четвертый год Иоакима, сына Иосии, царя Иудейского:
Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:
2 так говорит Господь, Бог Израилев, к тебе, Варух:
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka:
3 ты говоришь: “горе мне! ибо Господь приложил скорбь к болезни моей; я изнемог от вздохов моих и не нахожу покоя”.
Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’ i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.
4 Так скажи ему: так говорит Господь: вот, что Я построил, разрушу, и что насадил, искореню, - всю эту землю.
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.
5 А ты просишь себе великого: не проси; ибо вот, Я наведу бедствие на всякую плоть, говорит Господь, а тебе вместо добычи оставлю душу твою во всех местах, куда ни пойдешь.
Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.

< Иеремия 45 >