< Бытие 39 >

1 Иосиф же отведен был в Египет, и купил его из рук Измаильтян, приведших его туда, Египтянин Потифар, царедворец фараонов, начальник тело-хранителей.
Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2 И был Господь с Иосифом: он был успешен в делах и жил в доме господина своего, Египтянина.
Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ ilay Egyptiana tompony izy.
3 И увидел господин его, что Господь с ним и что всему, что он делает, Господь в руках его дает успех.
Ary hitan’ ny tompony fa nomban’ i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’ i Jehovah avokoa teo aminy.
4 И снискал Иосиф благоволение в очах его и служил ему. И он поставил его над домом своим, и все, что имел, отдал на руки его.
Ary Josefa nahita fitia teo imason’ ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
5 И с того времени, как он поставил его над домом своим и над всем, что имел, Господь благословил дом Египтянина ради Иосифа, и было благословение Господне на всем, что имел он в доме и в поле его.
Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
6 И оставил он все, что имел, в руках Иосифа и не знал при нем ничего, кроме хлеба, который он ел. Иосиф же был красив станом и красив лицем.
Dia navelany ho andraikitr’ i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
7 И обратила взоры на Иосифа жена господина его и сказала: спи со мною.
Ary taorian’ izany ny vadin’ ny tompony nanopy ny masony hijery an’ i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
8 Но он отказался и сказал жене господина своего: вот, господин мой не знает при мне ничего в доме, и все, что имеет, отдал в мои руки;
Dia nandà izy ka nanao tamin’ ny vadin’ ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
9 нет больше меня в доме сем; и он не запретил мне ничего, кроме тебя, потому что ты жена ему; как же сделаю я сие великое зло и согрешу пред Богом?
Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?
10 Когда так она ежедневно говорила Иосифу, а он не слушался ее, чтобы спать с нею и быть с нею,
Ary na dia niteny tamin’ i Josefa isan’ andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
11 случилось в один день, что он вошел в дом делать дело свое, а никого из домашних тут в доме не было;
Ary tamin’ ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’ izay.
12 она схватила его за одежду его и сказала: ложись со мной. Но он, оставив одежду свою в руках ее, побежал и выбежал вон.
Dia nisambotra azy tamin’ ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan’ i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
13 Она же, увидев, что он оставил одежду свою в руках ее и побежал вон,
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
14 кликнула домашних своих и сказала им так: посмотрите, он привел к нам Еврея ругаться над нами. Он пришел ко мне, чтобы лечь со мною, но я закричала громким голосом,
dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ ny feo mahery aho;
15 и он, услышав, что я подняла вопль и закричала, оставил у меня одежду свою, и побежал, и выбежал вон.
ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
16 И оставила одежду его у себя до прихода господина его в дом свой.
Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’ i Josefa, mandra-pahatongan’ ny tompony tao an-trano.
17 И пересказала ему те же слова, говоря: раб Еврей, которого ты привел к нам, приходил ко мне ругаться надо мною и говорил мне: лягу я с тобою,
Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
18 но, когда услышал, что я подняла вопль и закричала, он оставил у меня одежду свою и убежал вон.
ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy.
19 Когда господин его услышал слова жены своей, которые она сказала ему, говоря: так поступил со мною раб твой, то воспылал гневом;
Ary rehefa ren’ ny tompony ny tenin’ ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon’ ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
20 и взял Иосифа господин его и отдал его в темницу, где заключены узники царя. И был он там в темнице.
Ary ny tompon’ i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ ny mpifatotra diso tamin’ ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
21 И Господь был с Иосифом, и простер к нему милость, и даровал ему благоволение в очах начальника темницы.
Nefa Jehovah nomba an’ i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ ny mpitandrina ny trano-maizina.
22 И отдал начальник темницы в руки Иосифу всех узников, находившихся в темнице, и во всем, что они там ни делали, он был распорядителем.
Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’ i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
23 Начальник темницы и не смотрел ни за чем, что было у него в руках, потому что Господь был с Иосифом, и во всем, что он делал, Господь давал успех.
Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’ i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’ i Jehovah.

< Бытие 39 >