< Ездра 10 >

1 Когда так молился Ездра и исповедывался, плача и повергаясь пред домом Божиим, стеклось к нему весьма большое собрание Израильтян, мужчин и женщин и детей, потому что и народ много плакал.
Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2 И отвечал Шехания, сын Иехиила из сыновей Еламовых, и сказал Ездре: мы сделали преступление пред Богом нашим, что взяли себе жен иноплеменных из народов земли, но есть еще надежда для Израиля в этом деле;
Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.
3 заключим теперь завет с Богом нашим, что, по совету господина моего и благоговеющих пред заповедями Бога нашего, мы отпустим от себя всех жен и детей, рожденных ими, - и да будет по закону!
Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4 Встань, потому что это твое дело, и мы с тобою: ободрись и действуй!
Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
5 И встал Ездра, и велел начальствующим над священниками, левитами и всем Израилем дать клятву, что они сделают так. И они дали клятву.
Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6 И встал Ездра и пошел от дома Божия в жилище Иоханана, сына Елияшивова, и пришел туда. Хлеба он не ел и воды не пил, потому что плакал о преступлении переселенцев.
Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.
7 И объявили в Иудее и в Иерусалиме всем бывшим в плену, чтоб они собрались в Иерусалим;
Dia nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8 а кто не придет чрез три дня, на все имение того, по определению начальствующих и старейшин, будет положено заклятие, и сам он будет отлучен от общества переселенцев.
ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.
9 И собрались все жители Иудеи и земли Вениаминовой в Иерусалим в три дня. Это было в девятом месяце, в двадцатый день месяца. И сидел весь народ на площади у дома Божия, дрожа как по этому делу, так и от дождей.
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10 И встал Ездра священник и сказал им: вы сделали преступление, взяв себе жен иноплеменных, и тем увеличили вину Израиля.
Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ ny Isiraely.
11 Итак покайтесь в сем пред Господом Богом отцов ваших, и исполните волю Его, и отлучите себя от народов земли и от жен иноплеменных.
Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12 И отвечало все собрание, и сказало громким голосом: как ты сказал, так и сделаем.
Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
13 Однако же народ многочислен и время теперь дождливое, и нет возможности стоять на улице. Да и это дело не одного дня и не двух, потому что мы много в этом деле погрешили.
nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’ izany zavatra izany;
14 Пусть наши начальствующие заступят место всего общества, и все в городах наших, которые взяли жен иноплеменных, пусть приходят сюда в назначенные времена и с ними старейшины каждого города и судьи его, доколе не отвратится от нас пылающий гнев Бога нашего за это дело.
koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin’ ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin’ izay fotoan’ andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’ izany raharaha izany sy ny hialan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitsika amintsika.
15 Тогда Ионафан, сын Асаила, и Яхзеия, сын Фиквы, стали над этим делом, и Мешуллам и Шавфай левит были помощниками им.
Jonatana, zanak’ i Asahela, sy Jahaza, zanak’ i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
16 И сделали так вышедшие из плена. И отделены на это Ездра священник, главы поколений, от каждого поколения их, и все они названы поименно. И сделали они заседание в первый день десятого месяца, для исследования сего дела;
Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.
17 и окончили исследование о всех, которые взяли жен иноплеменных, к первому дню первого месяца.
Ary nony tonga ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18 И нашлись из сыновей священнических, которые взяли жен иноплеменных, - из сыновей Иисуса, сына Иоседекова, и братьев его: Маасея, Елиезер, Иарив и Гедалия;
Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19 и они дали руки свои во уверение, что отпустят жен своих, и что они повинны принести в жертву овна за свою вину;
dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
20 и из сыновей Иммера: Хананий и Зевадия;
Ary ny avy tamin’ ny taranak’ Imera dia Hanany sy Zebedia;
21 и из сыновей Харима: Маасея, Елия, Шемаия, Иехиил и Уззия;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22 и из сыновей Пашхура: Елиоенай, Маасея, Исмаил, Нафанаил, Иозавад и Эласа;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
23 и из левитов: Иозавад, Шимей и Келаия, он же Клита, Пафахия, Иуда и Елиезер;
Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
24 и из певцов: Елияшив; и из привратников: Шаллум, Телем и Урий;
ary ny avy tamin’ ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin’ ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
25 а из Израильтян, - из сыновей Пароша: Рамаия, Иззия, Малхия, Миямин, Елеазар, Малхия и Венаия;
Ary ny avy tamin’ ny Isiraely koa: ny avy tamin’ ny taranak’ i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
26 и из сыновей Елама: Матфания, Захария, Иехиел, Авдий, Иремоф и Елия;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
27 и из сыновей Заффу: Елиоенай, Елияшив, Матфания, Иремоф, Завад и Азиса;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
28 и из сыновей Бевая: Иоханан, Ханания, Забвай и Афлай;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29 и из сыновей Вания: Мешуллам, Маллух, Адая, Иашув, Шеал и Иерамоф;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
30 и из сыновей Пахаф-Моава: Адна, Хелал, Венаия, Маасея, Матфания, Веселеил, Биннуй и Манассия;
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
31 и из сыновей Харима: Елиезер, Ишшия, Малхия, Шемаия, Симеон,
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32 Вениамин, Маллух, Шемария;
sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
33 и из сыновей Хашума: Мафнай, Мафафа, Завад, Елифелет, Иеремай, Манассия и Шимей;
ny avy tamin’ ny taranak’ i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
34 и из сыновей Вания: Маадай, Амрам и Уел,
ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
35 Бенаия, Бидья, Келуги,
sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
36 Ванея, Меремоф, Елиашив,
sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
37 Матфания, Мафнай, Иаасай,
sy Matania sy Matenay sy Jasao
38 Ваний, Биннуй, Шимей,
sy Bany sy Binoy sy Simey
39 Шелемия, Нафан, Адаия,
sy Selemia sy Natana sy Adaia
40 Махнадбай, Шашай, Шарай,
sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
41 Азариел, Шелемиягу, Шемария,
sy Azarela sy Selemia sy Semaria
42 Шаллум, Амария и Иосиф;
sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
43 и из сыновей Нево: Иеиел, Матфифия, Завад, Зевина, Иаддай, Иоель и Бенаия.
ny avy tamin’ ny taranak’ i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
44 Все сии взяли за себя жен иноплеменных, и некоторые из сих жен родили им детей.
Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ ireny

< Ездра 10 >