< Иезекииль 48 >

1 Вот имена колен. На северном краю по дороге от Хетлона, ведущей в Емаф, Гацар-Енон, от северной границы Дамаска по пути к Емафу: все это от востока до моря один удел Дану.
Ary izao no anaran’ ny firenena: Hatramin’ ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin’ ny lalana mankany Hetlona any akaikin’ i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy eo avaratra, any anilan’ i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an’ i Dana.
2 Подле границы Дана, от восточного края до западного, это один удел Асиру.
Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Asera.
3 Подле границы Асира, от восточного края до западного, это один удел Неффалиму.
Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Naftaly.
4 Подле границы Неффалима, от восточного края до западного, это один удел Манассии.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Manase,
5 Подле границы Манассии, от восточного края до западного, это один удел Ефрему.
Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Efraima.
6 Подле границы Ефрема, от восточного края до западного, это один удел Рувиму.
Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
7 Подле границы Рувима, от восточного края до западного, это один удел Иуде.
Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Joda.
8 А подле границы Иуды, от восточного края до западного, священный участок, шириною в двадцать пять тысяч тростей, а длиною наравне с другими уделами, от восточного края до западного; среди него будет святилище.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian’ ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin’ ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin’ ny anjaran’ ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masìna no ho eo afovoany.
9 Участок, который вы посвятите Господу, длиною будет в двадцать пять тысяч, а шириною в десять тысяч тростей.
Ny tany izay hatokanareo ho an’ i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
10 И этот священный участок должен принадлежать священникам, к северу двадцать пять тысяч и к морю в ширину десять тысяч, и к востоку в ширину десять тысяч, а к югу в длину двадцать пять тысяч тростей, и среди него будет святилище Господне.
Ary ho an’ ny mpisorona izany tany masìna voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin’ i Jehovah no ho eo afovoany.
11 Это посвятите священникам из сынов Садока, которые стояли на страже Моей, которые во время отступничества сынов Израилевых не отступили от Меня, как отступили другие левиты.
Ho an’ ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ ny taranak’ i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely, tahaka ny nivilian’ ny Levita,
12 Им будет принадлежать эта часть земли из священного участка, святыня из святынь, у предела левитов.
eny, ho azy izany ho tany halaina amin’ ilay efa voatokana, dia zavatra masìna indrindra, mifanolotra amin’ ny faritanin’ ny Levita.
13 И левиты получат также у священнического предела двадцать пять тысяч в длину и десять тысяч тростей в ширину; вся длина двадцать пять тысяч, а ширина десять тысяч тростей.
Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
14 И из этой части они не могут ни продать, ни променять; и начатки земли не могут переходить к другим, потому что это святыня Господня.
Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin’ ny tany; fa masìna ho an’ i Jehovah izany.
15 А остальные пять тысяч в ширину с двадцатью пятью тысячами в длину назначаются для города в общее употребление, на заселение и на предместья; город будет в средине.
Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ ny sakany mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masìna, fa ho an’ ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
16 И вот размеры его: северная сторона четыре тысячи пятьсот и южная сторона четыре тысячи пятьсот, восточная сторона четыре тысячи пятьсот и западная сторона четыре тысячи пятьсот тростей.
Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
17 А предместья города к северу двести пятьдесят, и к востоку двести пятьдесят, и к югу двести пятьдесят, и к западу двести пятьдесят тростей.
Ary ny amin’ ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin’ ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
18 А что остается из длины против священного участка, десять тысяч к востоку и десять тысяч к западу, против священного участка, произведения с этой земли должны быть для продовольствия работающих в городе.
Ary ny lavany sisa mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana izany; ary ny vokany hohanin’ ny mpiasa ao an-tanàna.
19 Работать же в городе могут работники из всех колен Израилевых.
Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no hiasa azy.
20 Весь отделенный участок в двадцать пять тысяч длины и в двадцать пять тысяч ширины, четырехугольный, выделите в священный удел, со включением владений города;
Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masìna voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
21 а остальное князю. Как со стороны священного участка, так и со стороны владений города, против двадцати пяти тысяч тростей до восточной границы участка, и на запад против двадцати пяти тысяч у западной границы соразмерно с сими уделами, удел князю, так что священный участок и святилище будет в средине его.
Ary ho an’ ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina amin’ ny anjara voatokana hatramin’ ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny sasany, ho an’ ny mpanjaka izany; ary ny anjara masìna voatokana sy ny trano fitoerana masìna no ho eo aforoany.
22 И то, что от владений левитских и от владений города остается в промежутке, принадлежит также князю; промежуток между границею Иуды и между границею Вениамина будет принадлежать князю.
Ary hatramin’ ny zara-tanin’ ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan’ ny an’ ny mpanjaka, anelanelan’ ny fari-tanin’ i Jada sy Benjamina, dia ho an’ ny mpanjaka izany.
23 Остальное же от колен, от восточного края до западного - один удел Вениамину.
Ary ny amin’ ny firenena sisa, dia hatramin’ ny lafiny atsinanana ka hatramin’ ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an’ i Benjamina.
24 Подле границы Вениамина, от восточного края до западного - один удел Симеону.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Simeona.
25 Подле границы Симеона, от восточного края до западного - один удел Иссахару.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ Isakara.
26 Подле границы Иссахара, от восточного края до западного - один удел Завулону.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Zebolona.
27 Подле границы Завулона, от восточного края до западного - один удел Гаду.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Gada.
28 А подле границы Гада на южной стороне идет южный предел от Тамары к водам пререкания при Кадисе, вдоль потока до великого моря.
Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Gada, amin’ ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe.
29 Вот земля, которую вы по жребию разделите коленам Израилевым, и вот участки их, говорит Господь Бог.
Izany no tany hozarainareo amin’ ny filokana ho an’ ny firenen’ Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
30 И вот выходы города: с северной стороны меры четыре тысячи пятьсот;
Ary izao no ohatry ny tanàna amin’ ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
31 и ворота города называются именами колен Израилевых; к северу трое ворот: ворота Рувимовы одни, ворота Иудины одни, ворота Левиины одни.
Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.
32 И с восточной стороны меры четыре тысячи пятьсот, и трое ворот: ворота Иосифовы одни, ворота Вениаминовы одни, ворота Дановы одни;
Ary amin’ ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Josefa ny iray, vavahadin’ i Benjamina ny iray, ary vavahadin’ i Dana ny iray.
33 и с южной стороны меры четыре тысячи пятьсот, и трое ворот: ворота Симеоновы одни, ворота Иссахаровы одни, ворота Завулоновы одни.
Ary amin’ ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Simeona ny iray, vavahadin’ Isakara ny iray, vavahadin’ i Zebolona ny iray.
34 С морской стороны меры четыре тысячи пятьсот, ворот здесь трое же: ворота Гадовы одни, ворота Асировы одни, ворота Неффалимовы одни.
Ary amin’ ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin’ i Gada ny iray, vavahadin’ i Asera ny iray, vavahadin’ i Naftaly ny iray.
35 Всего кругом восемнадцать тысяч. А имя городу с того дня будет: “Господь там”.
Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ ny tanàna hatramin’ izay andro izay dia Jehovah no ao.

< Иезекииль 48 >