< 2-я Царств 4 >

1 И услышал Иевосфей, сын Саулов, что умер Авенир в Хевроне, и опустились руки его, и весь Израиль смутился.
Ary nony ren’ ny zanakalahin’ i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
2 У Иевосфея, сына Саулова, два было предводителя войска; имя одного - Баана и имя другого - Рихав, сыновья Реммона Беерофянина, из потомков Вениаминовых, ибо и Беероф причислялся к Вениамину.
Ary nisy roa lahy, lehiben’ ny mpitohan’ ny zanakalahin’ i Saoly, Bana no anaran’ ny iray, ary Rekaba no anaran’ ny iray, samy zanak’ i Rimona Berotita tamin’ ny taranak’ i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan’ ny an’ i Benjamina;
3 И убежали Беерофяне в Гиффаим и остались там пришельцами до сего дня.
ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
4 У Ионафана, сына Саулова, был сын хромой. Пять лет было ему, когда пришло известие о Сауле и Ионафане из Изрееля, и нянька, взяв его, побежала. И когда она бежала поспешно, то он упал, и сделался хромым. Имя его Мемфивосфей.
Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin’ i Saoly sy Jonatana; ary nentin’ ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin’ ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
5 И пошли сыны Реммона Беерофянина, Рихав и Баана, и пришли в самый жар дня к дому Иевосфея; а он спал на постели в полдень.
Ary Rekaba sy Bana, zanak’ i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon’ Isboseta, tamin’ ilay izy nandriandry tamin’ ny antoandro iny.
6 А привратник дома, очищавший пшеницу, задремал и уснул и Рихав и Баана, брат его, вошли внутрь дома, как бы для того, чтобы взять пшеницы; и поразили его в живот и убежали.
Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin’ ny kibony, dia lasa nandositra.
7 Когда они вошли в дом, Иевосфей лежал на постели своей, в спальной комнате своей; и они поразили его, и умертвили его, и отрубили голову его, и взяли голову его с собою, и шли пустынною дорогою всю ночь;
Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin’ ny fandriany tao amin’ ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.
8 и принесли голову Иевосфея к Давиду в Хеврон и сказали царю: вот голова Иевосфея, сына Саула, врага твоего, который искал души твоей; ныне Господь отмстил за господина моего царя Саулу врагу твоему и потомству его.
Ary nitondra ny lohan’ Isboseta tany amin’ i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan’ Isboseta, zanak’ i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an’ i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin’ ny mpanjaka tompoko.
9 И отвечал Давид Рихаву и Баане, брату его, сыновьям Реммона Беерофянина, и сказал им: жив Господь, избавивший душу мою от всякой скорби!
Ary hoy Davida tamin’ i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak’ i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny fahoriana rehetra,
10 если того, кто принес мне известие, сказав: “вот, умер Саул, и Ионафан”, и кто считал себя радостным вестником, я схватил и убил его в Секелаге, вместо того, чтобы дать ему награду,
ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga, hanomezako azy ny valin’ ny teny mahafaly nentiny;
11 то теперь, когда негодные люди убили человека невинного в его доме на постели его, неужели я не взыщу крови его от руки вашей и не истреблю вас с земли?
koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin’ ny tany intsony va ianareo
12 И приказал Давид слугам, и убили их, и отрубили им руки и ноги, и повесили их над прудом в Хевроне. А голову Иевосфея взяли и погребли во гробе Авенира, в Хевроне.
Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan’ ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’ Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan’ i Abnera tao Hebrona.

< 2-я Царств 4 >