< 3-я Царств 19 >

1 И пересказал Ахав Иезавели все, что сделал Илия, и то, что он убил всех пророков мечом.
Dia nolazain’ i Ahaba tamin’ i Jezebela izay rehetra nataon’ i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ ny sabatra.
2 И послала Иезавель посланца к Илии сказать: пусть то и то сделают мне боги, и еще больше сделают, если я завтра к этому времени не сделаю с твоею душею того, что сделано с душею каждого из них.
Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
3 Увидев это, он встал и пошел, чтобы спасти жизнь свою, и пришел в Вирсавию, которая в Иудее, и оставил отрока своего там.
Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
4 А сам отошел в пустыню на день пути и, придя, сел под можжевеловым кустом, и просил смерти себе и сказал: довольно уже, Господи; возьми душу мою, ибо я не лучше отцов моих.
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin’ ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.
5 И лег и заснул под можжевеловым кустом. И вот, Ангел коснулся его и сказал ему: встань, ешь и пей.
Ary raha nandry natory teo ambanin’ ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna.
6 И взглянул Илия, и вот, у изголовья его печеная лепешка и кувшин воды. Он поел и напился и опять заснул.
Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan’ ny lohany nisy mofo voaendy tamin’ ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
7 И возвратился Ангел Господень во второй раз, коснулся его и сказал: встань, ешь и пей, ибо дальняя дорога пред тобою.
Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
8 И встал он, поел и напился, и, подкрепившись тою пищею, шел сорок дней и сорок ночей до горы Божией Хорива.
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin’ ny tanjaka azony tamin’ izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr’ Andriamanitra.
9 И вошел он там в пещеру и ночевал в ней. И вот, было к нему слово Господне, и сказал ему Господь: что ты здесь, Илия?
Ary niditra tao anatin’ ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
10 Он сказал: возревновал я о Господе Боге Саваофе, ибо сыны Израилевы оставили завет Твой, разрушили Твои жертвенники и пророков Твоих убили мечом; остался я один, но и моей души ищут, чтобы отнять ее.
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
11 И сказал: выйди и стань на горе пред лицем Господним, и вот, Господь пройдет, и большой и сильный ветер, раздирающий горы и сокрушающий скалы пред Господом, но не в ветре Господь; после ветра землетрясение, но не в землетрясении Господь;
Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ ny tendrombohitra eo anatrehan’ i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’ i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny horohoron-tany;
12 после землетрясения огонь, но не в огне Господь; после огня веяние тихого ветра, и там Господь.
ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
13 Услышав сие, Илия закрыл лице свое милотью своею, и вышел, и стал у входа в пещеру. И был к нему голос и сказал ему: что ты здесь, Илия?
Ary raha ren’ i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia?
14 Он сказал: возревновал я о Господе Боге Саваофе, ибо сыны Израилевы оставили завет Твой, разрушили жертвенники Твои и пророков Твоих убили мечом; остался я один, но и моей души ищут, чтоб отнять ее.
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
15 И сказал ему Господь: пойди обратно своею дорогою чрез пустыню в Дамаск, и когда придешь, то помажь Азаила в царя над Сириею,
Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin’ ny nalehanao ho any amin’ ny efitr’ i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan’ i Syria;
16 а Ииуя, сына Намессиина, помажь в царя над Израилем; Елисея же, сына Сафатова, из Авел-Мехолы, помажь в пророка вместо себя;
Ary Jeho, zanak’ i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan’ ny Isiraely; ary Elisa, zanak’ i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
17 кто убежит от меча Азаилова, того умертвит Ииуй; а кто спасется от меча Ииуева, того умертвит Елисей.
Ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Hazaela dia hovonoin’ i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr’ i Jeho kosa dia hovonoin’ i Elisa.
18 Впрочем, Я оставил между Израильтянами семь тысяч мужей; всех сих колени не преклонялись пред Ваалом, и всех сих уста не лобызали его.
Nefa hamela fito arivo ao amin’ ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
19 И пошел он оттуда, и нашел Елисея, сына Сафатова, когда он орал; двенадцать пар волов было у него, и сам он был при двенадцатой. Илия, проходя мимо него, бросил на него милоть свою.
Ary niala teo Elia ka nahita an’ i Elisa, zanak’ i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin’ ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
20 И оставил Елисей волов, и побежал за Илиею, и сказал: позволь мне поцеловать отца моего и мать мою, и я пойду за тобою. Он сказал ему: пойди и приходи назад, ибо что сделал я тебе?
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’ i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an’ ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
21 Он, отойдя от него, взял пару волов и заколол их и, зажегши плуг волов, изжарил мясо их, и раздал людям, и они ели. А сам встал и пошел за Илиею, и стал служить ему.
Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin’ ny hazo fiasàn’ ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an’ i Elia, dia nanompo azy.

< 3-я Царств 19 >