< 3-я Царств 14 >

1 В то время заболел Авия, сын Иеровоамов.
Tamin’ izany andro izany dia narary Abia, zanak’ i Jeroboama.
2 И сказал Иеровоам жене своей: встань и переоденься, чтобы не узнали, что ты жена Иеровоамова, и пойди в Силом. Там есть пророк Ахия; он предсказал мне, что я буду царем сего народа.
Ary hoy Jeroboama tamin’ ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr’ olona ho vadin’ i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ ity firenena ity aho.
3 И возьми с собою для человека Божия десять хлебов, и лепешек, и кувшин меду, и пойди к нему: он скажет тебе, что будет с отроком.
Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
4 Жена Иеровоама так и сделала: встала, пошла в Силом и пришла в дом Ахии. Ахия уже не мог видеть, ибо глаза его сделались неподвижны от старости.
Dia nanao araka izany ny vadin’ i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon’ i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
5 И сказал Господь Ахии: вот, идет жена Иеровоамова спросить тебя о сыне своем, ибо он болен; так и так говори ей; она придет переодетая.
Ary Jehovah efa nilaza tamin’ i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’ i Jeroboama hanontany anao ny amin’ ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
6 Ахия, услышав шорох от ног ее, когда она вошла в дверь, сказал: войди, жена Иеровоамова; для чего было тебе переодеваться? Я грозный посланник к тебе.
Ary nony ren’ i Ahia ny fingodongodon’ ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’ i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
7 Пойди, скажи Иеровоаму: так говорит Господь Бог Израилев: Я возвысил тебя из среды простого народа и поставил вождем народа Моего Израиля,
Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
8 и отторг царство от дома Давидова и дал его тебе; а ты не таков, как раб Мой Давид, который соблюдал заповеди Мои и который последовал Мне всем сердцем своим, делая только угодное пред очами Моими;
ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin’ ny taranak’ i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an’ i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
9 ты поступал хуже всех, которые были прежде тебя, и пошел, и сделал себе иных богов и истуканов, чтобы раздражить Меня, Меня же отбросил назад;
fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
10 за это Я наведу беды на дом Иеровоамов и истреблю у Иеровоама до мочащегося к стене, заключенного и оставшегося в Израиле, и вымету дом Иеровоамов, как выметают сор, дочиста;
koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ ny tamingan’ i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin’ ny taranak’ i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
11 кто умрет у Иеровоама в городе, того съедят псы, а кто умрет на поле, того склюют птицы небесные; так Господь сказал.
Koa izay tamingan’ i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
12 Встань и иди в дом твой; и как скоро нога твоя ступит в город, умрет дитя;
Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
13 и оплачут его все Израильтяне и похоронят его, ибо он один у Иеровоама войдет в гробницу, так как в нем, из дома Иеровоамова, нашлось нечто доброе пред Господом Богом Израилевым.
Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin’ ny tamingan’ i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
14 И восставит Себе Господь над Израилем царя, который истребит дом Иеровоамов в тот день; и что? даже теперь.
Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an’ ny Isiraely izay handringana ny taranak’ i Jeroboama amin’ izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
15 И поразит Господь Израиля, и будет он, как тростник, колеблемый в воде, и извергнет Израильтян из этой доброй земли, которую дал отцам их, и развеет их за реку, за то, что они сделали у себя идолов, раздражая Господа;
Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
16 и предаст Господь Израиля за грехи Иеровоама, которые он сам сделал и которыми ввел в грех Израиля.
Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
17 И встала жена Иеровоамова, и пошла, и пришла в Фирцу; и лишь только переступила чрез порог дома, дитя умерло.
Dia niainga ny vadin’ i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin’ ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
18 И похоронили его, и оплакали его все Израильтяне, по слову Господа, которое Он изрек чрез раба Своего Ахию пророка.
dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia mpaminany mpanompony.
19 Прочие дела Иеровоама, как он воевал и как царствовал, описаны в летописи царей Израильских.
Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
20 Времени царствования Иеровоамова было двадцать два года; и почил он с отцами своими, и воцарился Нават, сын его, вместо него.
Ary ny andro nanjakan’ i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
21 Ровоам, сын Соломонов, царствовал в Иудее. Сорок один год было Ровоаму, когда он воцарился, и семнадцать лет царствовал в Иерусалиме, в городе, который избрал Господь из всех колен Израилевых, чтобы пребывало там имя Его. Имя матери его Наама Аммонитянка.
Ary Rehoboama, zanak’ i Solomona, no nanjaka tamin’ ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
22 И делал Иуда неугодное пред очами Господа, и раздражали Его более всего того, что сделали отцы их своими грехами, какими они грешили.
Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny razany.
23 И устроили они у себя высоты и статуи и капища на всяком высоком холме и под всяким тенистым деревом.
Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
24 И блудники были также в этой земле и делали все мерзости тех народов, которых Господь прогнал от лица сынов Израилевых.
Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely izy.
25 На пятом году царствования Ровоамова, Сусаким, царь Египетский, вышел против Иерусалима
Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema;
26 и взял сокровища дома Господня и сокровища дома царского и золотые щиты, которые взял Давид от рабов Адраазара, царя Сувского, и внес в Иерусалим. Все взял; взял и все золотые щиты, которые сделал Соломон.
dia nobaboiny ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon’ i Solomona
27 И сделал царь Ровоам вместо них медные щиты и отдал их на руки начальникам телохранителей, которые охраняли вход в дом царя.
Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka
28 Когда царь выходил в дом Господень, телохранители несли их, и потом опять относили их в палату телохранителей.
Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia nentin’ ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
29 Прочее о Ровоаме и обо всем, что он делал, описано в летописи царей Иудейских.
Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
30 Между Ровоамом и Иеровоамом была война во все дни жизни их.
Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
31 И почил Ровоам с отцами своими и погребен с отцами своими в городе Давидовом. Имя матери его Наама Аммонитянка. И воцарился Авия, сын его, вместо него.
Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.

< 3-я Царств 14 >