< Lukas 14 >

1 KADEKADEO ni a kotilong ong nan im en kaun pan Parisär amen, pwen konot ni ran en sapat; a irail masamasan i.
Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon’ ny loholona anankiray amin’ ny Fariseo Izy tamin’ ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo.
2 A kilang, aramas amen mia wasa o, me lisongepo.
Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany.
3 Iesus ap kotin sapeng masani ong saunkawewe o Parisär akan: Me pung, en kakelada ni ran en sapat?
Ary Jesosy namaly ka nanao tamin’ ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata, sa tsia?
4 Irail nenenla. I ap kotin sair i, kakelada o kadara wei.
Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha.
5 Ap kotin sapeng masani ong irail: Is re omail, me na as de kau pupedi ong nan por o, me so pan madang apiada sang ni ran en sapat?
Ary Izy nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’ izay na dia amin’ ny andro Sabata aza?
6 A irail sota kak sapengki i meakot.
Ary tsy nahavaly ny amin’ izany zavatra izany izy.
7 A kotin masani ong toun kapar karaseras eu, ni a kotin mangi, me re inong iong en mondi ni tapin tepel, masani ong irail:
Ary Jesosy nanao fanoharana tamin’ izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe:
8 Koe lao pan luke dong kamadip en kapapaud ren meamen, ender mondi ong leppantam, pwe ele amen, me lapa sang koe lukedor.
Raha misy maka anao ho any amin’ ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao,
9 O me luk uk edo o pil i, pan kodo indai ong uk: Ki ong ol men et deu om! A koe pan namenok kodido ong nan roulap.
ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin’ ny fitoerana aoriana indrindra.
10 A koe lao paluke, kola mondi ong nan roulap, pwe me luke uk lao pwarado, en indai ong uk: Kompoke pai, kotidato! Koe ari pan kaindand nan pung en ir, me iang uk ni tepel.
Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin’ ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason’ izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao.
11 Pwe karos me kin kasapwilada pein i, pan kasapwilidi, o me kin kasapwilidi pein i, pan kasapwilada.
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
12 Ap pil kotin masani ong me lukedo i: Kom lao wiada konot en ni sauas de nin sautik, eder lukedo kompokepa om ko, de ri om akan, de sau om, de men imp om kapwapwa kan, pwe re de pil luke uk, o depuk ong uk.
Ary hoy Jesosy tamin’ ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin’ ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva ianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny ianao.
13 A ma koe pan wia kamadip, en lukedo me samama o me pali duk kai, o me sikilikil, o me maskun akan.
Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
14 Koe ari pan meid pai, pwe irail sota pan kak depuk ong uk, a a pan depuk ong uk ni ran o, me pung kan pan maureda.
dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.
15 A amen ir, me iang ni tepel o lao rongadar mepukat, ap potoan ong i: Meid pai, me pan sak prot nan wein Kot.
Ary ny anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
16 A a kotin masani ong i: Aramas amen mia, me wiadar kamadip lapalap o luke pena me toto.
Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17 O kadarala na ladu o ni dokan kamadip, pwen kaire kin irail, me pan toun kapar: Komail ukedo, pwe meakaros onoper.
Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18 Irail ap wiaki eu ikidiki okotme. Men mas indai ong i: I netiada sap eu, i pan kola kilang; i poeki re om, koe en kadar ia la.
Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
19 A amen inda: I pwainda kau ol ek, a met i pan kola kilang ir; i poeki re om, koe en kadar ia la.
Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna ianao, ekeo ny fandavako.
20 A amen inda: I paudeki li amen, i me i sota kak kokila.
Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
21 Ladu o ari purodo, kaireki a monsap meakan. Monsap o ap makara kidar indai ong a ladu: Tange wei nani al laud o al tikitik en kanim o wado me samama kan, o me pali duk, o me sikilikil, o me maskun akan.
Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22 A ladu o indada: Maing, a wiauier duen omui masan, a deun akai pil mia.
Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23 Monsap o ap indai ong a ladu: Kakan sili nani al o ni kailan kel akan, papain ir do, pwe im ai en tounla!
Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
24 A i indai ong komail, nan sota amen ren ol oko, me paluke, pan song ai kamadip.
Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.
25 A pokon kalaimun idauenla i. I ari saupei ong irail masani:
Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’ i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:
26 Meamen kodo re i, ap so maliela sam a, o in a, o a paud, o na seri kan, o ri a ol, o li akan, o pil pein maur a, nan a sota pan kak ai tounpadak.
Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
27 A meamen so kida a lopu o idauen ia do, a sota pan kak ai tounpadak.
Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.
28 Pwe is re omail, me pan kauada im en taulik eu, me sota pan mondi mas ap lamelame duen pwain a, ma a pan kak ong de so?
Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
29 Pwe a de pasonedi, ap sota kak kanikiela; a karos, me udial, pan kaurureki i,
fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita
30 Indada: Aramas men et pikikidi kauada im, ap sota kak kanikiela.
ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita.
31 De is nanmarki o, me pan mauin ong amen nanmarki, me sota pan mondi mas ap lamelame, ma a pan kak kaloekidi aramas nen aramas rianen?
Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ ny iray alina izy, na tsia?
32 A ma so, a pan kadarala men kadar akai, poekipoeki muei mau ni ara non doo pasang.
Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana.
33 Nan iduen amen amen komail, me so muei sang meakaros, nan a sota pan kak ai tounpadak.
Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.
34 Sol me mau, a ma sol sarasang, da me a pan kanomanom mau kida?
Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?
35 A solar mau ong nan sap, pil so nan pwel, pwe aramas kin kasela. Me salong a mia men rong, i en rong!
Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

< Lukas 14 >