< نحمیا 9 >

و در روز بیست و چهارم این ماه، بنی‌اسرائیل روزه‌دار و پلاس دربر و خاک برسر جمع شدند. ۱ 1
Ary tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ izany volana izany dia niangona ny Zanak’ Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.
و ذریت اسرائیل خویشتن رااز جمیع غربا جدا نموده، ایستادند و به گناهان خود و تقصیرهای پدران خویش اعتراف کردند. ۲ 2
Dia niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
و در جای خود ایستاده، یک ربع روز کتاب تورات یهوه خدای خود را خواندند و ربع دیگراعتراف نموده، یهوه خدای خود را عبادت نمودند. ۳ 3
Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
و یشوع و بانی و قدمیئیل و شبنیا و بنی و شربیا و بانی و کنانی بر زینه لاویان ایستادند و به آواز بلند، نزد یهوه خدای خویش استغاثه نمودند. ۴ 4
Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin’ ny lampihazon’ ny Levita ka nitaraina mafy tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
آنگاه لاویان، یعنی یشوع و قدمیئیل وبانی و حشبنیا و شربیا و هودیا و شبنیا و فتحیاگفتند: «برخیزید و یهوه خدای خود را از ازل تا به ابد متبارک بخوانید. و اسم جلیل تو که از تمام برکات و تسبیحات اعلی تر است متبارک باد. ۵ 5
Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
توبه تنهایی یهوه هستی. تو فلک و فلک الافلاک وتمامی جنود آنها را و زمین را و هر‌چه بر آن است و دریاها را و هر‌چه در آنها است، ساخته‌ای و توهمه اینها را حیات می‌بخشی و جنود آسمان تورا سجده می‌کنند. ۶ 6
Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
تو‌ای یهوه آن خدا هستی که ابرام را برگزیدی و او را از اور کلدانیان بیرون آوردی واسم او را به ابراهیم تبدیل نمودی. ۷ 7
Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an’ i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran’ ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;
ودل او را به حضور خود امین یافته، با وی عهدبستی که زمین کنعانیان و حتیان و اموریان وفرزیان و یبوسیان و جرجاشیان را به او ارزانی داشته، به ذریت او بدهی و وعده خود را وفا نمودی، زیرا که عادل هستی. ۸ 8
ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an’ ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
و مصیبت پدران ما را در مصر دیدی و فریاد ایشان را نزد بحر قلزم شنیدی. ۹ 9
Ary nahita ny fahorian’ ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron’ ny Ranomasina Mena,
و آیات و معجزات بر فرعون و جمیع بندگانش و تمامی قوم زمینش ظاهر ساختی، چونکه می‌دانستی که بر ایشان ستم می‌نمودندپس به جهت خود اسمی پیدا کردی، چنانکه امروز شده است. ۱۰ 10
dia nanao famantarana sy fahagagana tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ ny olona rehetra tany amin’ ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin’ izao anio izao.
و دریا را به حضور ایشان منشق ساختی تا از میان دریا به خشکی عبورنمودند و تعاقب کنندگان ایشان را به عمقهای دریا مثل سنگ در آب عمیق انداختی. ۱۱ 11
Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ ny lalina tahaka ny vato amin’ ny rano manonja.
وایشان را در روز، به ستون ابر و در شب، به ستون آتش رهبری نمودی تا راه را که در آن باید رفت، برای ایشان روشن سازی. ۱۲ 12
Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
و بر کوه سینا نازل شده، با ایشان از آسمان تکلم نموده و احکام راست و شرایع حق و اوامر و فرایض نیکو را به ایشان دادی. ۱۳ 13
Efa nidina tao ambonin’ ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara.
و سبت مقدس خود را به ایشان شناسانیدی و اوامر و فرایض و شرایع به واسطه بنده خویش موسی به ایشان امر فرمودی. ۱۴ 14
Ary nampahalala azy ny Sabatanao masìna Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
و نان از آسمان برای گرسنگی ایشان دادی و آب ازصخره برای تشنگی ایشان جاری ساختی و به ایشان وعده دادی که به زمینی که دست خود رابرافراشتی که آن را به ایشان بدهی داخل شده، آن را به تصرف آورند. ۱۵ 15
ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
«لیکن ایشان و پدران ما متکبرانه رفتارنموده، گردن خویش را سخت ساختند و اوامر تورا اطاعت ننمودند. ۱۶ 16
Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
و از شنیدن ابا نمودند واعمال عجیبه‌ای را که در میان ایشان نمودی بیادنیاوردند، بلکه گردن خویش را سخت ساختند و فتنه انگیخته، سرداری تعیین نمودند تا (به زمین )بندگی خود مراجعت کنند. اما تو خدای غفار وکریم و رحیم و دیرغضب و کثیراحسان بوده، ایشان را ترک نکردی. ۱۷ 17
ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
بلکه چون گوساله ریخته شده‌ای برای خود ساختند و گفتند: (ای اسرائیل )! این خدای تو است که تو را از مصربیرون آورد. و اهانت عظیمی نمودند. ۱۸ 18
Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;
آنگاه تونیز برحسب رحمت عظیم خود، ایشان را دربیابان ترک ننمودی، و ستون ابر در روز که ایشان را در راه رهبری می‌نمود از ایشان دور نشد و نه ستون آتش در شب که راه را که در آن باید بروندبرای ایشان روشن می‌ساخت. ۱۹ 19
kanefa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
و روح نیکوی خود را به جهت تعلیم ایشان دادی و من خویش را از دهان ایشان باز نداشتی و آب برای تشنگی ایشان، به ایشان عطا فرمودی. ۲۰ 20
Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin’ ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
و ایشان را دربیابان چهل سال پرورش دادی که به هیچ‌چیزمحتاج نشدند. لباس ایشان مندرس نگردید وپایهای ایشان ورم نکرد. ۲۱ 21
eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.
و ممالک و قومها به ایشان ارزانی داشته، آنها را تا حدود تقسیم نمودی و زمین سیحون و زمین پادشاه حشبون وزمین عوج پادشاه باشان را به تصرف آوردند. ۲۲ 22
Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ ny mpanjakan’ i Hesbona ary ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, izy.
وپسران ایشان را مثل ستارگان آسمان افزوده، ایشان را به زمینی که به پدران ایشان وعده داده بودی که داخل شده، آن را به تصرف آورند، درآوردی. ۲۳ 23
Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra, sady nentinao ho amin’ ny tany izay nolazainao tamin’ ny razany fa hidirany holovana.
«پس، پسران ایشان داخل شده، زمین را به تصرف آوردند و کنعانیان را که سکنه زمین بودند، به حضور ایشان مغلوب ساختی و آنها را با پادشاهان آنها و قومهای زمین، به‌دست ایشان تسلیم نمودی، تا موافق اراده خود با آنها رفتارنمایند. ۲۴ 24
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
پس شهرهای حصاردار و زمینهای برومند گرفتند و خانه های پر از نفایس وچشمه های کنده شده و تاکستانها و باغات زیتون و درختان میوه دار بیشمار به تصرف آوردند وخورده و سیر شده و فربه گشته، از نعمتهای عظیم تو متلذذ گردیدند. ۲۵ 25
Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ ny fahatsaranao lehibe.
و بر تو فتنه انگیخته و تمردنموده، شریعت تو را پشت سر خود انداختند وانبیای تو را که برای ایشان شهادت می‌آوردند تابسوی تو بازگشت نمایند، کشتند و اهانت عظیمی به عمل آوردند. ۲۶ 26
Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
آنگاه تو ایشان را به‌دست دشمنانشان تسلیم نمودی تا ایشان را به تنگ آورند و در حین تنگی خویش، نزد تواستغاثه نمودند و ایشان را از آسمان اجابت نمودی و برحسب رحمتهای عظیم خود، نجات دهندگان به ایشان دادی که ایشان را ازدست دشمنانشان رهانیدند. ۲۷ 27
Koa dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin’ ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony ireo.
«اما چون استراحت یافتند، بار دیگر به حضور تو شرارت ورزیدند و ایشان را به‌دست دشمنانشان واگذاشتی که بر ایشان تسلط نمودند. و چون باز نزد تو استغاثه نمودند، ایشان را ازآسمان اجابت نمودی و برحسب رحمتهای عظیمت، بارهای بسیار ایشان را رهایی دادی. ۲۸ 28
Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben’ ny fiantranao.
و برای ایشان شهادت فرستادی تا ایشان را به شریعت خود برگردانی، اما ایشان متکبرانه رفتارنموده، اوامر تو را اطاعت نکردند و به احکام توکه هر‌که آنها را بجا آورد از آنها زنده میماند، خطاورزیدند و دوشهای خود را معاند و گردنهای خویش را سخت نموده، اطاعت نکردند. ۲۹ 29
Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin’ ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
«معهذا سالهای بسیار با ایشان مدارانمودی و به روح خویش به واسطه انبیای خودبرای ایشان شهادت فرستادی، اما گوش نگرفتند. لهذا ایشان را به‌دست قوم های کشورهاتسلیم نمودی. ۳۰ 30
Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny firenena amin’ ny tany hafa.
اما برحسب رحمتهای عظیمت، ایشان را بالکل فانی نساختی و ترک ننمودی، زیراخدای کریم و رحیم هستی. ۳۱ 31
Nefa noho ny haben’ ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
و الان‌ای خدای ما، ای خدای عظیم و جبار و مهیب که عهد ورحمت را نگاه می‌داری، زنهار تمامی این مصیبتی که بر ما و بر پادشاهان و سروران و کاهنان و انبیا و پدران ما و بر تمامی قوم تو از ایام پادشاهان اشور تا امروز مستولی شده است، درنظر تو قلیل ننماید. ۳۲ 32
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ ny andron’ ireo mpanjakan’ i Asyria ka mandraka androany.
و تو در تمامی این چیزهایی که بر ما وارد شده است عادل هستی، زیرا که تو به راستی عمل نموده‌ای، اما ما شرارت ورزیده‌ایم. ۳۳ 33
Hianao no marina tamin’ izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
و پادشاهان و سروران و کاهنان وپدران ما به شریعت تو عمل ننمودند و به اوامر وشهادات تو که به ایشان امر فرمودی، گوش ندادند. ۳۴ 34
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
و در مملکت خودشان و در احسان عظیمی که به ایشان نمودی و در زمین وسیع وبرومند که پیش روی ایشان نهادی تو را عبادت ننمودند و از اعمال شنیع خویش بازگشت نکردند. ۳۵ 35
Fa tsy nanompo Anao teo amin’ ny fanjakany izy sy teo amin’ ny haben’ ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin’ ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin’ ny ratsy fanaony izy.
«اینک ما امروز غلامان هستیم و در زمینی که به پدران ما دادی تا میوه و نفایس آن رابخوریم، اینک در آن غلامان هستیم. ۳۶ 36
Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin’ ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
و آن، محصول فراوان خود را برای پادشاهانی که به‌سبب گناهان ما، بر ما مسلط ساخته‌ای می‌آورد و ایشان بر جسدهای ما و چهارپایان ما برحسب اراده خود حکمرانی می‌کنند و ما در شدت تنگی گرفتار هستیم. ۳۷ 37
ary mahavokatra be izy, kanefa ho an’ ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
و به‌سبب همه این امور، ما عهدمحکم بسته، آن را نوشتیم و سروران و لاویان وکاهنان ما آن را مهر کردند.» ۳۸ 38
Ary noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.

< نحمیا 9 >