< نحمیا 12 >

و اینانند کاهنان و لاویانی که با زربابل بن شئلتیئیل و یشوع برآمدند. سرایا وارمیا و عزرا. ۱ 1
Ary ny mpisorona sy ny Levita izay niara-niakatra tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa dia Seraia, Jeremia, Ezra,
امریا و ملوک و حطوش. ۲ 2
Amaria, Maloka, Hatosy,
و شکنیاو رحوم و مریموت. ۳ 3
Sekania, Rehoma, Meremota,
و عدو و جنتوی و ابیا. ۴ 4
Ido, Ginetoy, Abia,
ومیامین و معدیا و بلجه. ۵ 5
Miamina, Madia, Bilga,
و شمعیا و یویاریب و یدعیا. ۶ 6
Semaia, Joiariba, Jedaia,
و سلو و عاموق و حلقیا و یدعیا. اینان روسای کاهنان و برادران ایشان در ایام یشوع بودند. ۷ 7
Salo, Amoka, Hilkia ary Jedaia. Ireo no lohan’ ny mpisorona sy ny rahalahiny tamin’ ny andron’ i Jesoa.
و لاویان: یشوع و بنوی و قدمیئیل وشربیا و یهودا و متنیا که او و برادرانش پیشوایان تسبیح خوانان بودند. ۸ 8
Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ ny fiderana.
و برادران ایشان بقبقیه وعنی در مقابل ایشان در جای خدمت خود بودند. ۹ 9
Ary Bakbokia sy Ono, rahalahin’ ireo, dia nifanandrify tamin’ ny anjara-raharahany.
و یشوع یویاقیم را تولید نمود و یویاقیم الیاشیب را آورد و الیاشیب یویاداع را آورد. ۱۰ 10
Ary Jesoa niteraka an’ i Joiakima; ary Joiakima niteraka an’ i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an’ i Joiada;
ویویاداع یوناتان را آورد و یوناتان یدوع را آورد. ۱۱ 11
ary Joiada niteraka an’ i Jonatana; ary Jonatana niteraka an’ i Jadoa.
و در ایام یویاقیم روسای خاندانهای آبای کاهنان اینان بودند. از سرایا مرایا و از ارمیا حننیا. ۱۲ 12
Ary tamin’ ny andron’ i Joiakima dia nisy mpisorona, lohan’ ny fianakaviana, dia izao: Ny avy tamin’ i Seraia dia Meraia; ny avy tamin’ i Jeremia dia Hanania;
و از عزرا، مشلام و از امریا، یهوحانان. ۱۳ 13
ny avy tamin’ i Ezra dia Mesolama; ny avy tamin’ i Amaria dia Johanana;
و ازملیکو، یوناتان و از شبنیا، یوسف. ۱۴ 14
ny avy tamin’ i Meliko dia Jonatana; ny avy tamin’ i Sebania dia Josefa;
و از حاریم، عدنا و از مرایوت، حلقای. ۱۵ 15
ny avy tamin’ i Hadma dia Adna; ny avy tamin’ i Meraiota dia Helkay;
و از عدو، زکریا واز جنتون، مشلام. ۱۶ 16
ny avy tamin’ Ido dia Zakaria; ny avy tamin’ i Ginetona dia Mesolama;
و از ابیا، زکری و از منیامین و موعدیا، فلطای. ۱۷ 17
ny avy tamin’ i Abia dia Zikry; ny avy tamin’ i Miniamina, avy tamin’ i Moadia, dia Piltahy;
و از بلجه، شموع و ازشمعیا، یهوناتان. ۱۸ 18
ny avy tamin’ i Bilga dia Samoa; ny avy tamin’ i Semaia dia Jonatana;
و از یویاریب، متنای و ازیدعیا، عزی. ۱۹ 19
ny avy tamin’ i Joariba dia Matenay; ny avy tamin’ i Jedaia dia Ozy;
و از سلای، قلای و از عاموق، عابر. ۲۰ 20
ny avy tamin’ i Salay dia Kalay; ny avy tamin’ i Amoka dia Ebera;
و از حلقیا، حشبیا و از یدعیا، نتنئیل. ۲۱ 21
ny avy tamin’ i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin’ i Jedaia dia Netanela.
و روسای آبای لاویان، در ایام الیاشیب ویهویاداع و یوحانان و یدوع ثبت شدند و کاهنان نیز در سلطنت داریوش فارسی. ۲۲ 22
Tamin’ ny andron’ i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan’ ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin’ ny nanjakan’ i Dariosy Persiana.
و روسای آبای بنی لاوی در کتاب تواریخ ایام تا ایام یوحانان بن الیاشیب ثبت گردیدند. ۲۳ 23
Ny taranak’ i Levy, lohan’ ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantara hatramin’ ny andron’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba.
و روسای لاویان، حشبیا و شربیا و یشوع بن قدمیئیل وبرادرانشان در مقابل ایشان، تا موافق فرمان داودمرد خدا، فرقه برابر فرقه، حمد و تسبیح بخوانند. ۲۴ 24
Ary ny lohan’ ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’ i Kadmiela, mbamin’ ny rahalahin’ ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
و متنیا و بقبقیا و عوبدیا و مشلام و طلمون وعقوب دربانان بودند که نزد خزانه های دروازه هاپاسبانی می‌نمودند. ۲۵ 25
Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin’ ny trano firaketana.
اینان در ایام یویاقیم بن یشوع بن یوصاداق و در ایام نحمیای والی وعزرای کاهن کاتب بودند. ۲۶ 26
Ireo no tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy tamin’ ny andron’ i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna.
و هنگام تبریک نمودن حصار اورشلیم، لاویان را از همه مکان های ایشان طلبیدند تا ایشان را به اورشلیم بیاورند که با شادمانی و حمد و سرود بادف و بربط و عود آن را تبریک نمایند. ۲۷ 27
Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
پس پسران مغنیان، از دایره گرداگرد اورشلیم و ازدهات نطوفاتیان جمع شدند. ۲۸ 28
Dia niangona ny mpihira avy tamin’ ny tany lemaka manodidina an’ i Jerosalema sy ny avy tamin’ ny vohitry ny Netofatita
و از بیت جلجال و از مزرعه های جبع و عزموت، زیرا که مغنیان به اطراف اورشلیم به جهت خود دهات بنا کرده بودند. ۲۹ 29
sy Beti-gilgala ary ny sahan’ i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’ i Jerosalema ny mpihira.
و کاهنان و لاویان خویشتن را تطهیرنمودند و قوم و دروازه‌ها و حصار را نیز تطهیرکردند. ۳۰ 30
Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
و من روسای یهودا را بر سر حصارآوردم و دو فرقه بزرگ از تسبیح خوانان معین کردم که یکی از آنها به طرف راست بر سر حصارتا دروازه خاکروبه به هیئت اجماعی رفتند. ۳۱ 31
Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin’ ny ankavanana teo ambonin’ ny manda ho amin’ ny vavahadin-jezika;
و در عقب ایشان، هوشعیا و نصف روسای یهودا. ۳۲ 32
ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin’ ny Joda,
و عزریا و عزرا و مشلام. ۳۳ 33
dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
و یهودا وبنیامین شمعیا و ارمیا. ۳۴ 34
sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
و بعضی از پسران کاهنان با کرناها یعنی زکریا ابن یوناتان بن شمعیاابن متنیا ابن میکایا ابن زکور بن آصاف. ۳۵ 35
ary ny sasany tamin’ ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Semaia, zanak’ i Matania, zanak’ i Mikaia, zanak’ i Zakora, zanak’ i Asafa,
وبرادران او شمعیا و عزریئیل و مللای و جللای وماعای و نتنئیل و یهودا و حنانی با آلات موسیقی داود مرد خدا، و عزرای کاتب پیش ایشان بود. ۳۶ 36
mbamin’ ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan’ ireo.
پس ایشان نزد دروازه چشمه که برابر ایشان بود، بر زینه شهر داود بر فراز حصار بالای خانه داود، تا دروازه آب به طرف مشرق رفتند. ۳۷ 37
Ary hatreo amin’ ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongan’ ny Tanànan’ i Davida, tamin’ ny fiakarana amin’ ny manda eo ambonin’ ny tranon’ i Davida ka hatramin’ ny vavahadin-drano eo atsinanana.
وفرقه دوم، تسبیح خوانان در مقابل ایشان به هیئت اجماعی رفتند و من و نصف قوم بر سر حصار، ازنزد برج تنور تا حصار عریض در عقب ایشان رفتیم. ۳۸ 38
Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin’ ny manda hatreo ambonin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin’ ny manda lehibe,
و ایشان از بالای دروازه افرایم و بالای دروازه کهنه و بالای دروازه ماهی و برج حننئیل وبرج مئه تا دروازه گوسفندان (رفته )، نزد دروازه سجن توقف نمودند. ۳۹ 39
ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.
پس هر دو فرقه تسبیح خوانان در خانه خدا ایستادند و من و نصف سروران ایستادیم. ۴۰ 40
Dia nijanona tao an-tranon’ Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
و الیاقیم و معسیا ومنیامین و میکایا و الیوعینای و زکریا وحننیای کهنه با کرناها، ۴۱ 41
ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
و معسیا و شمعیا والعازار و عزی و یوحانان و ملکیا و عیلام و عازر، و مغنیان و یزرحیای وکیل به آواز بلندسراییدند. ۴۲ 42
ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
و در آن روز، قربانی های عظیم گذرانیده، شادی نمودند، زیرا خدا ایشان را بسیار شادمان گردانیده بود و زنان و اطفال نیز شادی نمودند. پس شادمانی اورشلیم از جایهای دور مسموع شد. ۴۳ 43
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin’ izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
و در آن روز، کسانی چند بر حجره‌ها به جهت خزانه‌ها و هدایا و نوبرها و عشرها تعیین شدند تا حصه های کاهنان و لاویان را ازمزرعه های شهرها برحسب تورات در آنها جمع کنند، زیرا که یهودا درباره کاهنان و لاویانی که به خدمت می‌ایستادند، شادی می‌نمودند. ۴۴ 44
Ary tamin’ izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian’ ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
وایشان با مغنیان و دربانان، موافق حکم داود وپسرش سلیمان، ودیعت خدای خود و لوازم تطهیر را نگاه داشتند. ۴۵ 45
Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin’ Andriamaniny sy ny amin’ ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin’ i Davida sy Solomona zanany.
زیرا که در ایام داود وآساف از قدیم، روسای مغنیان بودند وسرودهای حمد و تسبیح برای خدا(می خواندند). ۴۶ 46
Fa fahiny tamin’ ny andron’ i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’ Andriamanitra.
و تمامی اسرائیل در ایام زربابل و در ایام نحمیا، حصه های مغنیان ودربانان را روز به روز می‌دادند و ایشان وقف به لاویان می‌دادند و لاویان وقف به بنی هارون می‌دادند. ۴۷ 47
Ary ny Isiraely rehetra tamin’ ny andron’ i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran’ ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan’ andro; ary nanokana izay ho an’ ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an’ ny taranak’ i Arona.

< نحمیا 12 >