< اشعیا 30 >

خداوند می‌گوید که وای بر پسران فتنه انگیز که مشورت می‌کنند لیکن نه ازمن و عهد می‌بندند لیکن نه از روح من، تا گناه را برگناه مزید نمایند. ۱ 1
Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
که برای فرود شدن به مصرعزیمت می‌کنند اما از دهان من سوال نمی نمایندو به قوت فرعون پناه می‌گیرند و به سایه مصراعتماد دارند. ۲ 2
Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
لهذا قوت فرعون خجالت واعتماد به سایه مصر رسوایی شما خواهد بود. ۳ 3
Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin’ i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
زیرا که سروران او در صوعن هستند و ایلچیان وی به حانیس رسیده‌اند. ۴ 4
Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
همگی ایشان از قومی که برای ایشان فایده ندارند خجل خواهند شد که نه معاونت و نه منفعتی بلکه خجالت و رسوایی نیز برای ایشان خواهند بود. ۵ 5
Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
وحی درباره بهیموت جنوبی: از میان زمین تنگ و ضیق که از آنجا شیر ماده و اسد وافعی ومار آتشین پرنده می‌آید. توانگری خویش را برپشت الاغان و گنجهای خود را بر کوهان شتران نزد قومی که منفعت ندارند می‌برند. ۶ 6
Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
چونکه اعانت مصریان عبث و بی‌فایده است از این جهت ایشان را رهب الجلوس نامیدم. ۷ 7
Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
الان بیا و این رادر نزد ایشان بر لوحی بنویس و بر طوماری مرقوم ساز تا برای ایام آینده تا ابدالاباد بماند. ۸ 8
Mandehana ankehitriny soraty amin’ ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ ny taratasy mba haharitra amin’ ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
زیرا که این قوم فتنه انگیز و پسران دروغگومی باشند. پسرانی که نمی خواهند شریعت خداوند را استماع نمایند. ۹ 9
Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’ i Jehovah,
که به رائیان می‌گویند: رویت مکنید و به انبیا که برای ما به راستی نبوت ننمایید بلکه سخنان شیرین به ماگویید و به مکاید نبوت کنید. ۱۰ 10
Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
از راه منحرف شوید و از طریق تجاوز نمایید و قدوس اسرائیل را از نظر ما دور سازید. ۱۱ 11
Mialà amin’ ny lalana, mivilia amin’ ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
بنابراین قدوس اسرائیل چنین می‌گوید: «چونکه شما این کلام را ترک کردید و بر ظلم وفساد اعتماد کرده، بر آن تکیه نمودید، ۱۲ 12
Koa izao no lazain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin’ izany,
از این جهت این گناه برای شما مثل شکاف نزدیک به افتادن که در دیوار بلند پیش آمده باشد و خرابی آن در لحظه‌ای بغته پدید آید خواهد بود. ۱۳ 13
Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin’ ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
وشکستگی آن مثل شکستگی کوزه کوزه‌گرخواهد بود که بی‌محابا خرد می‌شود بطوری که ازپاره هایش پاره‌ای به جهت گرفتن آتش از آتشدان یا برداشتن آب از حوض یافت نخواهد شد.» ۱۴ 14
Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
زیرا خداوند یهوه قدوس اسرائیل چنین می‌گوید: «به انابت و آرامی نجات می‌یافتید وقوت شما از راحت و اعتماد می‌بود، امانخواستید. ۱۵ 15
Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
و گفتید: نی بلکه بر اسبان فرارمی کنیم، لهذا فرار خواهید کرد و بر اسبان تیز روسوار می‌شویم لهذا تعاقب کنندگان شما تیز روخواهند شد. ۱۶ 16
Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
هزار نفر از نهیب یک نفر فرارخواهند کرد و شما از نهیب پنج نفر خواهیدگریخت تا مثل بیدق بر قله کوه و علم بر تلی باقی مانید.» ۱۷ 17
Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.
و از این سبب خداوند انتظار می‌کشد تا بر شما رافت نماید و از این سبب برمی خیزد تا برشما ترحم فرماید چونکه یهوه خدای انصاف است. خوشابحال همگانی که منتظر وی باشند. ۱۸ 18
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
زیرا که قوم در صهیون در اورشلیم ساکن خواهند بود و هرگز گریه نخواهی کرد و به آوازفریادت بر تو ترحم خواهد کرد، و چون بشنود تورا اجابت خواهد نمود. ۱۹ 19
Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
و هرچند خداوند شمارا نان ضیق و آب مصیبت بدهد اما معلمانت باردیگر مخفی نخواهند شد بلکه چشمانت معلمان تو را خواهد دید. ۲۰ 20
Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
و گوشهایت سخنی را ازعقب تو خواهد شنید که می‌گوید: راه این است، در آن سلوک بنما هنگامی که به طرف راست یاچپ می‌گردی. ۲۱ 21
Fa na mivily ho amin’ ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
و پوشش بتهای ریخته نقره خویش را و ستر اصنام تراشیده طلای خود رانجس خواهید ساخت و آنها را مثل چیز نجس دور انداخته، به آن خواهی گفت: دور شو. ۲۲ 22
Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
و باران تخمت را که زمین خویش را به آن زرع می‌کنی و نان محصول زمینت را خواهد داد وآن پر مغز و فراوان خواهد شد و در آن زمان مواشی تو در مرتع وسیع خواهند چرید. ۲۳ 23
Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
وگاوان و الاغانت که زمین را شیار می‌نمایند، آذوقه نمک دار را که با غربال و اوچوم پاک شده است خواهند خورد. ۲۴ 24
Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ ny sahiratsy sy ny fikororohana.
و در روز کشتار عظیم که برجها در آن خواهد افتاد نهرها و جویهای آب برهر کوه بلند و به هر تل مرتفع جاری خواهد شد. ۲۵ 25
Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
و در روزی که خداوند شکستگی قوم خود راببندد و ضرب جراحت ایشان را شفا دهدروشنایی ماه مثل روشنایی آفتاب و روشنایی آفتاب هفت چندان مثل روشنایی هفت روزخواهد بود. ۲۶ 26
Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
اینک اسم خداوند از جای دور می‌آید، درغضب خود سوزنده و در ستون غلیظ و لبهایش پر از خشم و زبانش مثل آتش سوزان است. ۲۷ 27
Indro, avy any lavitra any ny anaran’ i Jehovah, mirehitra amin’ ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin’ ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
ونفخه او مثل نهر سرشار تا به گردن می‌رسد تا آنکه امت‌ها را به غربال مصیبت ببیزد و دهنه ضلالت رابر چانه قوم‌ها بگذارد. ۲۸ 28
Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ ny valanoranon’ ny olona.
و شما را سرودی خواهد بود مثل شب تقدیس نمودن عید وشادمانی دل مثل آنانی که روانه می‌شوند تا به آوازنی به کوه خداوند نزد صخره اسرائیل بیایند. ۲۹ 29
Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely;
وخداوند جلال آواز خود را خواهد شنوانید وفرود آوردن بازوی خود را با شدت غضب وشعله آتش سوزنده و طوفان و سیل و سنگهای تگرگ ظاهر خواهد ساخت. ۳۰ 30
Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
زیرا که آشور به آواز خداوند شکسته خواهد شد و او را با عصاخواهد زد. ۳۱ 31
Fa ny feon’ i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin’ ny tsorakazo ireo.
و هر ضرب عصای قضا که خداوندبه وی خواهد آورد با دف و بربط خواهد بود و باجنگهای پر شورش با آن مقاتله خواهد نمود. ۳۲ 32
Ary na aiza na aiza no amelezan’ ny tsorakazo voatendry, izay amelin’ i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin’ ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
زیرا که توفت از قبل مهیا شده و برای پادشاه آماده گردیده است. آن را عمیق و وسیع ساخته است که توده‌اش آتش و هیزم بسیار است و نفخه خداوند مثل نهر کبریت آن را مشتعل خواهدساخت. ۳۳ 33
Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an’ ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain’ i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.

< اشعیا 30 >