< حبقوق 3 >

دعای حبقوق نبی بر شجونوت. ۱ 1
Ny fivavak’ i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
ای خداوند چون خبر تو را شنیدم ترسان گردیدم. ای خداوند عمل خویش را در میان سالها زنده کن! در میان سالها آن را معروف ساز ودر حین غضب رحمت را بیاد آور. ۲ 2
Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan’ ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
خدا از تیمان آمد و قدوس از جبل فاران، سلاه. جلال اوآسمانها را پوشانید و زمین از تسبیح او مملوگردید. ۳ 3
Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. (Sela) Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
پرتو او مثل نور بود و از دست وی شعاع ساطع گردید. و ستر قوت او در آنجا بود. ۴ 4
Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny.
پیش روی وی وبا می‌رفت و آتش تب نزد پایهای اومی بود. ۵ 5
Eo alohany no andehanan’ ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.
او بایستاد و زمین را پیمود. او نظر افکندو امت‌ها را پراکنده ساخت و کوههای ازلی جستند و تلهای ابدی خم شدند. طریق های اوجاودانی است. ۶ 6
Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
خیمه های کوشان را در بلادیدم. و چادرهای زمین مدیان لرزان شد. ۷ 7
Mahita ny lain’ i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain’ ny tany Midiana.
‌ای خداوند آیا بر نهرها غضب تو افروخته شد یا خشم تو بر نهرها و غیظ تو بر دریا واردآمد، که بر اسبان خود و ارابه های فتح مندی خویش سوار شدی؟ ۸ 8
Moa amin’ ny ony va no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah? Amin’ ny ony va no ahatezeranao, Na amin’ ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?
کمان تو تمام برهنه شد، موافق قسمهایی که در کلام خود برای اسباط خورده‌ای، سلاه. زمین را به نهرها منشق ساختی. ۹ 9
Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan’ ny teny. (Sela) Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
کوهها تو را دیدند و لرزان گشتند و سیلاب هاجاری شد. لجه آواز خود را داد و دستهای خویش را به بالا برافراشت. ۱۰ 10
Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin’ ny avo.
آفتاب و ماه در برجهای خود ایستادند. ازنور تیرهایت و از پرتو نیزه براق تو برفتند. ۱۱ 11
Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin’ ny fitoerany, Noho ny fahazavan’ ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
باغضب در جهان خرامیدی، و با خشم امت‌ها راپایمال نمودی. ۱۲ 12
Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
برای نجات قوم خویش وخلاصی مسیح خود بیرون آمدی. سر را ازخاندان شریران زدی و اساس آن را تا به گردن عریان نمودی، سلاه. ۱۳ 13
Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. (Sela)
سر سرداران ایشان را به عصای خودشان مجروح ساختی، حینی که مثل گردباد آمدند تامرا پراکنده سازند. خوشی ایشان در این بود که مسکینان را در خفیه ببلعند. ۱۴ 14
Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
با اسبان خود بردریا و بر انبوه آبهای بسیار خرامیدی. ۱۵ 15
Mitety ny ranomasina amin’ ny soavalinao Hianao, Dia eny amin’ ny rano be miavovona.
چون شنیدم احشایم بلرزید و از آواز آن لبهایم بجنبید، و پوسیدگی به استخوانهایم داخل شده، در جای خود لرزیدم، که در روز تنگی استراحت یابم هنگامی که آن که قوم را ذلیل خواهدساخت، بر ایشان حمله آورد. ۱۶ 16
Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon’ ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran’ ny mpanao andiany hamely ny olonao.
اگرچه انجیر شکوفه نیاورد و میوه در موهایافت نشود و حاصل زیتون ضایع گردد ومزرعه‌ها آذوقه ندهد، و گله‌ها از آغل منقطع شودو رمه‌ها در طویله‌ها نباشد، ۱۷ 17
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
لیکن من درخداوند شادمان خواهم شد و در خدای نجات خویش وجد خواهم نمود. ۱۸ 18
Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy.
یهوه خداوندقوت من است و پایهایم را مثل پایهای آهومی گرداند و مرا بر مکان های بلندم خرامان خواهد ساخت. برای سالار مغنیان بر ذوات اوتار. ۱۹ 19
Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.

< حبقوق 3 >