< پیدایش 29 >

پس یعقوب روانه شد و به زمین بنی المشرق آمد. ۱ 1
Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
و دید که اینک درصحرا، چاهی است، و بر کناره‌اش سه گله گوسفند خوابیده، چونکه از آن چاه گله‌ها را آب می‌دادند، و سنگی بزرگ بر دهنه چاه بود. ۲ 2
Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.
وچون همه گله‌ها جمع شدندی، سنگ را از دهنه چاه غلطانیده، گله را سیراب کردندی. پس سنگ را بجای خود، بر سر چاه باز گذاشتندی. ۳ 3
Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.
یعقوب بدیشان گفت: «ای برادرانم از کجاهستید؟» گفتند: «ما از حرانیم.» ۴ 4
Ary hoy Jakoba tamin’ ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
بدیشان گفت: «لابان بن ناحور را می‌شناسید؟» گفتند: «می‌شناسیم.» ۵ 5
Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’ i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
بدیشان گفت: «بسلامت است؟» گفتند: «بسلامت، و اینک دخترش، راحیل، با گله او می‌آید.» ۶ 6
Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’ osy.
گفت: «هنوز روز بلند است و وقت جمع کردن مواشی نیست، گله را آب دهید ورفته، بچرانید.» ۷ 7
Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ ny fotoana famoriana ny omby aman’ ondry; ampisotroy ny ondry aman’ osy, dia andeha, andraso.
گفتند: «نمی توانیم، تا همه گله هاجمع شوند، و سنگ را از سر چاه بغلطانند، آنگاه گله را آب می‌دهیم.» ۸ 8
Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, ka hakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’ osy izahay.
و هنوز با ایشان در گفتگومی بود که راحیل، با گله پدر خود رسید. زیرا که آنها را چوپانی می‌کرد. ۹ 9
Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’ osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.
اما چون یعقوب راحیل، دختر خالوی خود، لابان، و گله خالوی خویش، لابان را دید، یعقوب نزدیک شده، سنگ را از سر چاه غلطانید، و گله خالوی خویش، لابان را سیراب کرد. ۱۰ 10
Ary rehefa hitan’ i Jakoba Rahely, zanakavavin’ i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny izy.
و یعقوب، راحیل را بوسید، وبه آواز بلند گریست. ۱۱ 11
Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.
و یعقوب، راحیل را خبرداد که او برادر پدرش، و پسر رفقه است. پس دوان دوان رفته، پدر خود را خبر داد. ۱۲ 12
Dia nambaran’ i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.
و واقع شد که چون لابان، خبر خواهرزاده خود، یعقوب را شنید، به استقبال وی شتافت، و او را در بغل گرفته، بوسید و به خانه خود آورد، و او لابان را ازهمه این امور آگاهانید. ۱۳ 13
Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.
لابان وی را گفت: «فی الحقیقه تو استخوان و گوشت من هستی.» و نزد وی مدت یک ماه توقف نمود. ۱۴ 14
Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,
پس لابان، به یعقوب گفت: «آیاچون برادر من هستی، مرا باید مفت خدمت کنی؟ به من بگو که اجرت تو چه خواهد بود؟» ۱۵ 15
dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.
ولابان را دو دختر بود، که نام بزرگتر، لیه و اسم کوچکتر، راحیل بود. ۱۶ 16
Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.
و چشمان لیه ضعیف بود، و اما راحیل، خوب صورت و خوش منظربود. ۱۷ 17
Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.
و یعقوب عاشق راحیل بود و گفت: «برای دختر کوچکت راحیل، هفت سال تو را خدمت می‌کنم.» ۱۸ 18
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.
لابان گفت: «او را به تو بدهم، بهتراست از آنکه به دیگری بدهم. نزد من بمان.» ۱۹ 19
Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.
پس یعقوب برای راحیل هفت سال خدمت کرد. و بسبب محبتی که به وی داشت، در نظرش روزی چند نمود. ۲۰ 20
Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.
و یعقوب به لابان گفت: «زوجه‌ام را به من بسپار، که روزهایم سپری شد، تا به وی درآیم.» ۲۱ 21
Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.
پس لابان، همه مردمان آنجارا دعوت کرده، ضیافتی برپا نمود. ۲۲ 22
Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.
و واقع شدکه هنگام شام، دختر خود، لیه را برداشته، او رانزد وی آورد، و او به وی درآمد. ۲۳ 23
Kanjo nony hariva dia naka an’ i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’ i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.
و لابان کنیزخود زلفه را، به دختر خود لیه، به کنیزی داد. ۲۴ 24
Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.
صبحگاهان دید، که اینک لیه است! پس به لابان گفت: «این چیست که به من کردی؟ مگر برای راحیل نزد تو خدمت نکردم؟ چرا مرا فریب دادی؟» ۲۵ 25
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?
لابان گفت: «در ولایت ما چنین نمی کنند که کوچکتر را قبل از بزرگتر بدهند. ۲۶ 26
Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.
هفته این را تمام کن و او را نیز به تو می‌دهیم، برای هفت سال دیگر که خدمتم بکنی.» ۲۷ 27
Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.
پس یعقوب چنین کرد، و هفته او را تمام کرد، و دخترخود، راحیل را به زنی بدو داد. ۲۸ 28
Dia nataon’ i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’ i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.
و لابان، کنیزخود، بلهه را به دختر خود، راحیل به کنیزی داد. ۲۹ 29
Ary nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.
و به راحیل نیز درآمد و او را از لیه بیشتردوست داشتی، و هفت سال دیگر خدمت وی کرد. ۳۰ 30
Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.
و چون خداوند دید که لیه مکروه است، رحم او را گشود. ولی راحیل، نازاد ماند. ۳۱ 31
Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.
و لیه حامله شده، پسری بزاد و او را روبین نام نهاد، زیراگفت: «خداوند مصیبت مرا دیده است. الان شوهرم مرا دوست خواهد داشت.» ۳۲ 32
Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.
و بار دیگرحامله شده، پسری زایید و گفت: «چونکه خداوند شنید که من مکروه هستم، این را نیز به من بخشید.» پس او را شمعون نامید. ۳۳ 33
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.
و باز آبستن شده، پسری زایید و گفت: «اکنون این مرتبه شوهرم با من خواهد پیوست، زیرا که برایش سه پسر زاییدم.» از این سبب او را لاوی نام نهاد. ۳۴ 34
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.
وبار دیگر حامله شده، پسری زایید و گفت: «این مرتبه خداوند را حمد می‌گویم.» پس او را یهودانامید. آنگاه از زاییدن بازایستاد. ۳۵ 35
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.

< پیدایش 29 >