< پیدایش 10 >

این است پیدایش پسران نوح، سام وحام و یافث. و از ایشان بعد از طوفان پسران متولد شدند. ۱ 1
Ary izao no taranaky ny zanakalahin’ i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ ny safo-drano.
پسران یافث: جومر و ماجوج و مادای ویاوان و توبال و ماشک و تیراس. ۲ 2
Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
و پسران جومر: اشکناز و ریفات و توجرمه. ۳ 3
Ary ny zanakalahin’ i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
و پسران یاوان: الیشه و ترشیش و کتیم و رودانیم. ۴ 4
Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
از اینان جزایرامت‌ها منشعب شدند در اراضی خود، هر یکی موافق زبان و قبیله‌اش در امت های خویش. ۵ 5
Avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny nosin’ ny firenena tany amin’ ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ ny fireneny avy.
و پسران حام: کوش و مصرایم و فوط وکنعان. ۶ 6
Ary ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
و پسران کوش: سبا و حویله و سبته ورعمه و سبتکا. و پسران رعمه: شبا و ددان. ۷ 7
Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana.
وکوش نمرود را آورد. او به جبار شدن در جهان شروع کرد. ۸ 8
Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ ny tany.
وی در حضور خداوند صیادی جبار بود. از این جهت می‌گویند: «مثل نمرود، صیاد جبار در حضور خداوند.» ۹ 9
Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’ i Jehovah, ka izany no nanaovan’ ny olona hoe: Tahaka an’ i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’ i Jehovah.
و ابتدای مملکت وی، بابل بود و ارک و اکد و کلنه در زمین شنعار. ۱۰ 10
Ary ny niandohan’ ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ ny tany Sinara.
از آن زمین آشور بیرون رفت، و نینوا ورحوبوت عیر، و کالح را بنا نهاد، ۱۱ 11
Ary nivoaka avy tamin’ izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’ i Ninive mbamin’ i Rehobot-ira sy Kala
و ریسن را درمیان نینوا و کالح. و آن شهری بزرگ بود. ۱۲ 12
ary Resena teo anelanelan’ i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
ومصرایم لودیم و عنامیم و لهابیم و نفتوحیم راآورد. ۱۳ 13
Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
و فتروسیم و کسلوحیم را که از ایشان فلسطینیان پدید آمدند و کفتوریم را. ۱۴ 14
sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian’ ny Filistina ary ny Kaftorita.
و کنعان، صیدون، نخست زاده خود، وحت را آورد. ۱۵ 15
Ary Kanana niteraka an’ i Sidona lahimatoany sy Heta,
ویبوسیان و اموریان و جرجاشیان را ۱۶ 16
ary ny Jebosita, sy ny Amorita sy ny Girgasita
و حویان وعرقیان و سینیان را ۱۷ 17
sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
و اروادیان و صماریان وحماتیان را. و بعد از آن، قبایل کنعانیان منشعب شدند. ۱۸ 18
sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ ny Kananita.
و سرحد کنعانیان از صیدون به سمت جرار تا غزه بود، و به سمت سدوم و عموره وادمه و صبوئیم تا به لاشع. ۱۹ 19
Ary ny fari-tanin’ ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’ i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma.
اینانند پسران حام برحسب قبایل و زبانهای ایشان، در اراضی وامت های خود. ۲۰ 20
Ireo no zanak’ i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, amin’ ny fireneny.
و از سام که پدر جمیع بنی عابر و برادریافث بزرگ بود، از او نیز اولاد متولد شد. ۲۱ 21
Dia niteraka koa Sema, rain’ ny zanak’ i Ebera rehetra rahalahin’ i Jafeta, izay zokiny.
پسران سام: عیلام و آشور و ارفکشاد و لود وارام. ۲۲ 22
Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
و پسران ارام: عوص و حول و جاتر وماش. ۲۳ 23
Ary ny zanakalahin’ i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
و ارفکشاد، شالح را آورد، و شالح، عابررا آورد. ۲۴ 24
Ary Arpaksada niteraka an’ i Sela; ary Sela niteraka an’ i Ebera.
و عابر را دو پسر متولد شد. یکی رافالج نام بود، زیرا که در ایام وی زمین منقسم شد. و نام برادرش یقطان. ۲۵ 25
Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ ny rahalahiny.
و یقطان، الموداد و شالف و حضرموت و یارح را آورد، ۲۶ 26
Ary Joktana niteraka an’ i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
و هدورام واوزال و دقله را، ۲۷ 27
sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
و عوبال و ابیمائیل و شبا را، ۲۸ 28
sy Obala sy Abimaela sy Sheba
و اوفیر و حویله و یوباب را. این همه پسران یقطان بودند. ۲۹ 29
sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana.
و مسکن ایشان از میشا بود به سمت سفاره، که کوهی از کوههای شرقی است. ۳۰ 30
Ary ny fonenan’ ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’ i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
اینانند پسران سام برحسب قبایل و زبانهای ایشان، در اراضی خود برحسب امت های خویش. ۳۱ 31
Ireo no zanak’ i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, araka ny fireneny.
اینانند قبایل پسران نوح، برحسب پیدایش ایشان در امت های خود که از ایشان امت های جهان، بعد از طوفان منشعب شدند. ۳۲ 32
Ireo no mpianakavin’ ny zanak’ i Noa, araka ny taranany, amin’ ny fireneny; ary avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny firenena tambonin’ ny tany taorian’ ny safo-drano.

< پیدایش 10 >