< حزقیال 22 >

و کلام خداوند بر من نازل شده، گفت: ۱ 1
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
«ای پسر انسان آیا داوری خواهی نمود؟ آیا بر شهر خونریز داوری خواهی نمود؟ پس آن را از همه رجاساتش آگاه ساز. ۲ 2
Ry zanak’ olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
و بگوخداوند یهوه چنین می‌فرماید: ای شهری که خون را در میان خودت می‌ریزی تا اجل توبرسد! ای که بتها را به ضد خود ساخته، خویشتن را نجس نموده‌ای! ۳ 3
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
به‌سبب خونی که ریخته‌ای مجرم شده‌ای و به‌سبب بتهایی که ساخته‌ای نجس گردیده‌ای. لهذا اجل خویش را نزدیک آورده، به انتهای سالهای خود رسیده‌ای. لهذا تورا نزد امت‌ها عار و نزد جمیع کشورها مسخره گردانیده‌ام. ۴ 4
Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin’ ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ ny jentilisa sy ho fanakoran’ ny tany rehetra,
‌ای پلید نام! و‌ای پر فتنه! آنانی که به تو نزدیک و آنانی که از تو دورند بر تو سخریه خواهند نمود. ۵ 5
ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
اینک سروران اسرائیل، هر کس به قدر قوت خویش مرتکب خونریزی در میان تومی بودند. ۶ 6
Indreo ny lehiben’ ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny avy mba handatsa-drà.
پدر و مادر را در میان تو اهانت نمودند. و غریبان را در میان تو مظلوم ساختند وبر یتیمان و بیوه‌زنان در میان تو ستم نمودند. ۷ 7
Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
وتو مقدس های مرا خوار شمرده، سبت های مرابی عصمت نمودی. ۸ 8
Hamavoinao ny zavatra masìna, ary lotoinao ny Sabatako.
و بعضی در میان تو به جهت ریختن خون، نمامی می‌نمودند. و بر کوهها درمیان تو غذا می‌خوردند. و در میان تو مرتکب قباحت می‌شدند. ۹ 9
Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
و عورت پدران را در میان تو منکشف می‌ساختند. و زنان حایض را در میان توبی عصمت می‌نمودند. ۱۰ 10
Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadim-bolana.
یکی در میان تو با زن همسایه خود عمل زشت نمود. و دیگری عروس خویش را به جور بی‌عصمت کرد. و دیگری خواهرش، یعنی دختر پدر خود را ذلیل ساخت. ۱۱ 11
Misy manao fahavetavetana amin’ ny vadin’ ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
و در میان تو به جهت ریختن خون رشوه خوردند و سود و ربح گرفتند. و تو مال همسایه خود را به زور غصب کردی و مرا فراموش نمودی. قول خداوند یهوه این است. ۱۲ 12
Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
لهذا هان من به‌سبب حرص تو که مرتکب آن شده‌ای و به‌سبب خونی که در میان خودت ریخته‌ای، دستهای خود را بهم می‌زنم. ۱۳ 13
Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
پس در ایامی که من به تو مکافات رسانم آیا دلت قوی و دستهایت محکم خواهد بود؟ من که یهوه هستم تکلم نمودم و بعمل خواهم آورد. ۱۴ 14
Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin’ ny andro izay hisehoaka aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.
و تو را در میان امت هاپراکنده و در میان کشورها متفرق ساخته، نجاسات تو را از میانت نابود خواهم ساخت. ۱۵ 15
Ary haeliko ho any amin’ ny jentilisa sy hahahako ho any amin’ ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
وبه نظر امت‌ها بی‌عصمت خواهی شد و خواهی دانست که من یهوه هستم.» ۱۶ 16
Ary dia ho hitan’ ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
و کلام خداوند بر من نازل شده، گفت: ۱۷ 17
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah anao hoe:
«ای پسر انسان خاندان اسرائیل نزد من دردشده‌اند و جمیع ایشان مس و روی و آهن و سرب در میان کوره و درد نقره شده‌اند. ۱۸ 18
Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin’ ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
بنابراین خداوند یهوه چنین می‌گوید: چونکه همگی شمادرد شده‌اید، لهذا من شما را در میان اورشلیم جمع خواهم نمود. ۱۹ 19
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
چنانکه نقره و مس و آهن و سرب و روی را در میان کوره جمع کرده، آتش بر آنها می‌دمند تا گداخته شود، همچنان من شمارا در غضب و حدت خشم خویش جمع کرده، در آن خواهم نهاد و شما را خواهم گداخت. ۲۰ 20
Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin’ ny memy ka misy mifofotra azy amin’ ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
وشما را جمع کرده، آتش غضب خود را بر شماخواهم دمید که در میانش گداخته شوید. ۲۱ 21
eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ ny afon’ ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
چنانکه نقره در میان کوره گداخته می‌شود، همچنان شما در میانش گداخته خواهید شد وخواهید دانست که من یهوه حدت خشم خویش را بر شما ریخته‌ام.» ۲۲ 22
Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin’ ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
و کلام خداوند بر من نازل شده، گفت: ۲۳ 23
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
«ای پسر انسان او را بگو: تو زمینی هستی که طاهر نخواهی شد. و باران در روز غضب بر تونخواهد بارید. ۲۴ 24
Ry zanak’ olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain’ ny hainandro sady tsy ilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro fahatezerana.
فتنه انبیای آن در میانش می‌باشد. ایشان مثل شیر غران که شکار رامی درد، جانها را می‌خورند. و گنجها و نفایس رامی برند. و بیوه‌زنان را در میانش زیاد می‌سازند. ۲۵ 25
Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
کاهنانش به شریعت من مخالفت ورزیده، موقوفات مرا حلال می‌سازند. و در میان مقدس وغیر مقدس تمیز نمی دهند و در میان نجس وطاهر فرق نمی گذارند. و چشمان خود را ازسبت های من می‌پوشانند و من در میان ایشان بی‌حرمت گردیده‌ام. ۲۶ 26
Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masìna; tsy manavaka ny masìna sy ny tsy masìna izy, na mampiseho ny tsi-fitovian’ ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
سرورانش مانند گرگان درنده خون می‌ریزند و جانها را هلاک می‌نمایندتا سود ناحق ببرند. ۲۷ 27
Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
و انبیایش ایشان را به گل ملاط اندود نموده، رویاهای باطل می‌بینند وبرای ایشان تفال دروغ زده، می‌گویند که خداوندیهوه چنین گفته است با آنکه یهوه تکلم ننموده. ۲۸ 28
Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
و قوم زمین به شدت ظلم نموده و مال یکدیگررا غصب کرده‌اند. و بر فقیران و مسکینان جفانموده، غریبان را به بی‌انصافی مظلوم ساخته‌اند. ۲۹ 29
Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
و من در میان ایشان کسی را طلبیدم که دیوار رابنا نماید و برای زمین به حضور من در شکاف بایستد تا آن را خراب ننمایم، اما کسی را نیافتم. ۳۰ 30
Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ ny banga eo anatrehako hifona ho an’ ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
پس خداوند یهوه می‌گوید: خشم خود را برایشان ریخته‌ام و ایشان را به آتش غضب خویش هلاک ساخته، طریق ایشان را بر سر ایشان واردآورده‌ام.» ۳۱ 31
koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony, hoy Jehovah Tompo.

< حزقیال 22 >