< خروج 24 >

و به موسی گفت: «نزد خداوند بالابیا، تو و هارون و ناداب و ابیهو و هفتادنفر از مشایخ اسرائیل و از دور سجده کنید. ۱ 1
Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
وموسی تنها نزدیک خداوند بیاید و ایشان نزدیک نیایند و قوم همراه او بالا نیایند.» ۲ 2
nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
پس موسی آمده، همه سخنان خداوند و همه این احکام را به قوم باز‌گفت و تمامی قوم به یک زبان در جواب گفتند: «همه سخنانی که خداوند گفته است، بجاخواهیم آورد.» ۳ 3
Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ ny olona ny teny rehetra izay nataon’ i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’ i Jehovah dia hataonay.
و موسی تمامی سخنان خداوند را نوشت و بامدادان برخاسته، مذبحی درپای کوه و دوازده ستون، موافق دوازده سبطاسرائیل بنا نهاد. ۴ 4
Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo.
و بعضی از جوانان بنی‌اسرائیل را فرستاد و قربانی های سوختنی گذرانیدند وقربانی های سلامتی از گاوان برای خداوند ذبح کردند. ۵ 5
Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah.
و موسی نصف خون را گرفته، در لگنهاریخت و نصف خون را بر مذبح پاشید، ۶ 6
Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara.
و کتاب عهد را گرفته، به سمع قوم خواند. پس گفتند: «هرآنچه خداوند گفته است، خواهیم کرد و گوش خواهیم گرفت.» ۷ 7
Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
و موسی خون را گرفت و بر قوم پاشیده، گفت: «اینک خون آن عهدی که خداوند بر جمیع این سخنان با شما بسته است.» ۸ 8
Ary nalain’ i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ ny fanekena izay nataon’ i Jehovah taminareo ny amin’ izany teny rehetra izany.
و موسی با هارون و ناداب و ابیهو و هفتاد نفراز مشایخ اسرائیل بالا رفت. ۹ 9
Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny Isiraely.
و خدای اسرائیل را دیدند، و زیر پایهایش مثل صنعتی از یاقوت کبود شفاف و مانند ذات آسمان در صفا. ۱۰ 10
Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany.
و برسروران بنی‌اسرائیل دست خود را نگذارد، پس خدا را دیدند و خوردند و آشامیدند. ۱۱ 11
Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
وخداوند به موسی گفت: «نزد من به کوه بالا بیا، وآنجا باش تا لوحهای سنگی و تورات و احکامی را که نوشته‌ام تا ایشان را تعلیم نمایی، به تو دهم.» ۱۲ 12
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
پس موسی با خادم خود یوشع برخاست، وموسی به کوه خدا بالا آمد. ۱۳ 13
Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra.
و به مشایخ گفت: «برای ما در اینجا توقف کنید، تا نزد شمابرگردیم، همانا هارون و حور با شما می‌باشند. پس هر‌که امری دارد، نزد ایشان برود.» ۱۴ 14
Ary hoy izy tamin’ ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’ izy roa lahy izy.
و چون موسی به فراز کوه برآمد، ابر کوه را فرو گرفت. ۱۵ 15
Dia niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
و جلال خداوند بر کوه سینا قرار گرفت، وشش روز ابر آن را پوشانید، و روز هفتمین، موسی را از میان ابر ندا درداد. ۱۶ 16
Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.
و منظر جلال خداوند، مثل آتش سوزنده در نظر بنی‌اسرائیل برقله کوه بود. ۱۷ 17
Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
و موسی به میان ابر داخل شده، به فراز کوه برآمد، و موسی چهل روز و چهل شب در کوه ماند. ۱۸ 18
Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.

< خروج 24 >