< تثنیه 15 >

و در آخر هر هفت سال، انفکاک نمایی. ۱ 1
Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
و قانون انفکاک این باشد، هرطلبکاری قرضی را که به همسایه خود داده باشدمنفک سازد، و از همسایه و برادر خود مطالبه نکند، چونکه انفکاک خداوند اعلان شده است. ۲ 2
Ary izao no ho fomban’ ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin’ ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan’ i Jehovah.
از غریب مطالبه توانی کرد، اما هرآنچه از مال تو نزد برادرت باشد، دست تو آن را منفک سازد. ۳ 3
Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin’ ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
تا نزد تو هیچ فقیر نباشد، زیرا که خداوند تو رادر زمینی که یهوه، خدایت، برای نصیب و ملک به تو می‌دهد، البته برکت خواهد داد، ۴ 4
kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
اگر قول یهوه، خدایت، را به دقت بشنوی تا متوجه شده، جمیع این اوامر را که من امروز به تو امر می‌فرمایم بجا آوری. ۵ 5
raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
زیرا که یهوه، خدایت، تو را چنانکه گفته است برکت خواهد داد، و به امتهای بسیارقرض خواهی داد، لیکن تو مدیون نخواهی شد، وبر امتهای بسیار تسلط خواهی نمود، و ایشان برتو مسلط نخواهند شد. ۶ 6
Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
اگر نزد تو در یکی از دروازه هایت، در زمینی که یهوه، خدایت، به تو می‌بخشد، یکی ازبرادرانت فقیر باشد، دل خود را سخت مساز، ودستت را بر برادر فقیر خود مبند. ۷ 7
Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;
بلکه البته دست خود را بر او گشاده دار، و به قدر کفایت، موافق احتیاج او به او قرض بده. ۸ 8
fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
و باحذر باش مبادا در دل تو فکر زشت باشد، و بگویی سال هفتم یعنی سال انفکاک نزدیک است، و چشم توبر برادر فقیر خود بد شده، چیزی به او ندهی و اواز تو نزد خداوند فریاد برآورده، برایت گناه باشد. ۹ 9
Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
البته به او بدهی و دلت از دادنش آزرده نشود، زیرا که به عوض این کار یهوه، خدایت، تو را درتمامی کارهایت و هرچه دست خود را بر آن درازمی کنی، برکت خواهد داد. ۱۰ 10
Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ ny asanao rehetra sy amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao.
چونکه فقیر اززمینت معدوم نخواهد شد، بنابراین من تو را امرفرموده، می‌گویم البته دست خود را برای برادرمسکین و فقیر خود که در زمین تو باشند، گشاده دار. ۱۱ 11
Fa ny tany tsy ilaozan’ olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ ny taninao.
اگر مرد یا زن عبرانی از برادرانت به توفروخته شود، و او تو را شش سال خدمت نماید، پس در سال هفتم او را از نزد خود آزاد کرده، رها کن. ۱۲ 12
Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ ny taona fahafito.
و چون او را از نزد خود آزاد کرده، رهامی کنی، او را تهی‌دست روانه مساز. ۱۳ 13
Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
او را ازگله و خرمن و چرخشت خود البته زاد بده، به اندازه‌ای که یهوه، خدایت، تو را برکت داده باشدبه او بده. ۱۴ 14
fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ ny ondry aman’ osinao ary avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
و بیادآور که تو در زمین مصر غلام بودی و یهوه، خدایت، تو را فدیه داد، بنابراین من امروز این را به تو امر می‌فرمایم، ۱۵ 15
Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
و اگر به توگوید از نزد تو بیرون نمی روم چونکه تو را وخاندان تو را دوست دارد و او را نزد تو خوش گذشته باشد، ۱۶ 16
Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
آنگاه درفشی گرفته، گوشش را باآن به دربدوز تا تو را غلام ابدی باشد، و با کنیزخود نیز چنین عمل نما. ۱۷ 17
dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin’ ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny ankizivavinao.
و چون او را از نزد خود آزاد کرده، رهامی کنی، بنظرت بد نیاید، زیرا که دو برابر اجرت اجیر، تو را شش سال خدمت کرده است. و یهوه خدایت در هرچه می‌کنی تو را برکت خواهد داد. ۱۸ 18
Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ ny mpikarama no azonao tamin’ ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra ataonao.
همه نخست زادگان نرینه را که از رمه و گله تو زاییده شوند برای یهوه، خدای خود، تقدیس نما، و با نخست زاده گاو خود کار مکن ونخست زاده گوسفند خود را پشم مبر. ۱۹ 19
Ny lahy rehetra amin’ ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao dia hohamasininao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’ osinao.
آنها رابه حضور یهوه خدای خود در مکانی که خداوندبرگزیند، تو و اهل خانه ات سال به سال بخورید. ۲۰ 20
Eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah.
لیکن اگر عیبی داشته باشد، مثلا لنگ یا کور یاهر عیب دیگر، آن را برای یهوه خدایت ذبح مکن. ۲۱ 21
Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ireny.
آن را در اندرون دروازه هایت بخور، شخص نجس و شخص طاهر، آن را برابر مثل غزال و آهوبخورند. ۲۲ 22
Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
اما خونش را مخور. آن را مثل آب بر زمین بریز. ۲۳ 23
Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.

< تثنیه 15 >