< UGenesisi 20 >

1 U-Abhrahama wathutha kuleyondawo waya emangweni waseNegebi wayahlala phakathi kweKhadeshi leShuri. Okwesikhatshana wake wahlala eGerari,
Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin’ ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’ i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2 lapho u-Abhrahama athi khona ngomkakhe uSara, “Ngudadewethu.” Ngakho u-Abhimelekhi inkosi yaseGerari yathi uSara kalethwe, yazithathela.
Ary hoy ny filazan’ i Abrahama an’ i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan’ i Gerara, nampaka an’ i Saraha.
3 Kodwa uNkulunkulu wafika ku-Abhimelekhi ephutsheni ebusuku wathi kuye, “Usufile wena ngenxa yomfazi omthetheyo; ngumfazi womnikazi.”
Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Abimeleka, tamin’ ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’ olona izy.
4 Kodwa u-Abhimelekhi wayelokhu engakamthinti, ngakho wathi, “Thixo, uzasibhubhisa isizwe esimsulwa na?
Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
5 Katshongo kimi yini wathi, ‘Ngudadewethu,’ laye katshongo na wathi, ‘Ungumnewethu?’ Lokhu ngikwenze ngenhliziyo emsulwa langezandla ezimhlophe.”
Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin’ ny fahatsoran’ ny foko sy ny fahadiovan’ ny tanako no nanaovako izany.
6 Ngalokho uNkulunkulu wasesithi kuye ephutsheni, “Yebo, ngiyakwazi ukuthi lokhu ukwenze ngenhliziyo emsulwa, yikho ngikuthintile ukuthi ungenzi isono kimi. Yikho ngingakuyekelanga wamthinta.
Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ ny fahatsoran’ ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
7 Manje mbuyisele umfazi womuntu, ngoba umuntu lowo ungumphrofethi, uzakukhulekela ukuthi uphile. Kodwa nxa ungambuyiseli, yazi ukuthi wena lakho konke okungokwakho kuzakufa.”
Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.
8 Kusisa ngelanga elilandelayo ekuseni kakhulu, u-Abhimelekhi wabiza zonke izikhulu zakhe, kwathi esezitshelile konke okwenzakeleyo, zesaba kakhulu.
Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
9 U-Abhimelekhi wasebiza u-Abhrahama wathi, “Ukwenzeleni lokhu kithi na? Ngikone ngani uze ulethe ukona okunje phezu kwami lombuso wami na? Wenze kimi izinto okungafanelanga zenziwe.”
Ary Abimeleka dia nampaka an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
10 U-Abhimelekhi wabuza u-Abhrahama wathi, “Besiyini isizatho sakho sokwenza lokhu na?”
Ary hoy koa Abimeleka tamin’ i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
11 U-Abhrahama waphendula wathi, “Ngazitshela ngathi, ‘Ngempela kakukho ukumesaba uNkulunkulu kule indawo njalo bazangibulala ngenxa yomkami.’
Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.
12 Ngaphandle kwalokho, uvele ungudadewethu, indodakazi kababa kodwa engasuye kamama; waba ngumkami.
Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ ny raiko, fa tsy mba zanakavavin’ ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
13 Kwathi uNkulunkulu esengisusile emzini kababa ngathi kuSara, ‘Nansi indlela ongatshengisa ngayo uthando lwakho kimi: Noma ngaphi lapho esiya khona, ubokuthi ngami, “Ungumnewethu.”’”
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ ny tranon’ ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’ izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
14 U-Abhimelekhi waseletha izimvu lenkomo, lezisebenzi zesilisa lezesifazane wazipha u-Abhrahama, wabuyisela uSara umkakhe kuye.
Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an’ i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
15 Njalo u-Abhimelekhi wathi, “Nanti ilizwe lami uyalibona; ungahlala lapho othanda khona.”
Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin’ izay tianao.
16 Wathi kuSara, “Umnewenu ngimupha amashekeli esiliva ayinkulungwane. Le iyinhlawulo yehlazo elenziwe kuwe phambi kwabantu bonke bakini; usugeziwe.”
Ary hoy kosa izy tamin’ i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’ izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin’ izany rehetra izany.
17 U-Abhrahama wasekhuleka kuNkulunkulu, uNkulunkulu wamsilisa u-Abhimelekhi, lomkakhe lezigqili zakhe zesifazane ukuthi babelabantwana njalo,
Ary Abrahama dia nifona tamin’ Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an’ i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
18 ngoba uThixo wayevale bonke abesifazane bendlu ka-Abhimelekhi inzalo ngenxa yomka-Abhrahama, uSara.
Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ ny ankohonan’ i Abimeleka noho ny amin’ i Saraha, vadin’ i Abrahama.

< UGenesisi 20 >