< Apokalypsy 14 >

1 Le naheoko te indroy i Vik’ añondriy mijohañe am-bohi’ i Tsione ey, vaho ama’e i rai-hetse-tsi-efats’ale-tsi-efats’ arivo minday i tahina’ey naho i tahinan-dRae’ey an-dahara’e rey.
Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran’ ny Rainy voasoratra eo amin’ ny handriny.
2 Le tsina­noko boak’ andindìñe añe ty feo hoe fitroñan-drano maro, naho ty fivolan-kotroke mikorokodoiñe, vaho hoe feom-pititike mititike o marovani’ iareoo ka i feo tsinanokoy;
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 le nitakasie’ iereo sabo vao añatrefa’ i fiambesam-pifeheañey naho añatrefa’ i raha veloñe efatse rey naho i androanavy rey, vaho tsy eo ty nahafianatse i saboy naho tsy i rai-hetse-tsi-efats’ ale-tsi-efats’ arivo vinili-aiñe an-tane atoy rey.
Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ ny zava-manan’ aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ ny tany.
4 Tsy nandeo-batañe ami’ty ampela irezay, fa hahiringiri’e. Mañorike i Vik’ añondriy iereo ndra aia aia ty ombà’e, ie jinebañe am’ondatio ho loha-voa aman’ Añahare naho ho amy Vik’ añondriy.
Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry.
5 Ie tsy nahaoniñam-bande am-palie, vaho tsy aman-kila.
Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
6 Nitreako amy zao ty anjely tovo’e niti­liñe an-teñateñan-dikerañe eñe minday i talili-soa tsy modoy, hi­tsey amo mpimo­neñe an-tane atoio naho amy ze kila fifeheañe naho foko naho fameleke vaho ondaty, (aiōnios g166)
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, (aiōnios g166)
7 le hoe re am-piarañanañañe mafe, Mañeveña aman’ Añahare vaho toloro engeñe, amy te tsatoke ty oram-pizakà’e. Mitalahoa amy namboatse i likerañey naho ty tane toy naho i riakey vaho o rano midoandoañeoy.
nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
8 Nanonjohy i anjeliy ty faharoe, nanao ty hoe: Rotsake! Ro­tsake i Babolone foloaingitrokey, i nampinoñe o kilakila’ ndatio ami’ ty divain-kadraon-kakarapiloa’ey.
Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
9 Nanonjohy iareo ty anjely tovo’e, ty fahatelo, nipoña-peo ami’ty hoe: Ndra ia ia mitalaho amy bibiy naho amy sare’ey vaho mandrambe viloñe ke an-kandri’e he an-taña’e eo,
Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany,
10 le ie ka ty hinoñe ty divaim-pifombon’ Añahare an-keri’e do’e amy fitovin-kaviñera’ey vaho ho samporeraheñe añ’ afo aman-tsolifara añatrefa’ o anjely masiñeo naho aolo’ i Vik’ añondriy.
dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ ny afo sy solifara eo anatrehan’ ny anjely masìna sy eo anatrehan’ ny Zanak’ ondry iry;
11 Le hionjoñe nainai’e kitro katroke ty hatoe’ i fampisoañañ’ iareoy; tsy ho amam-pitofàñe ndra handro ndra haleñe o mitalaho amy bibiy naho amy sare’eio, vaho ze mandrambe i vilo’ i añara’eiy. (aiōn g165)
ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. (aiōn g165)
12 Inay ty hifeaha’ o noro’e am-patokisa’ Iesoào; ie mpañambeñe o lilin’ Añahareo.
Indro ny faharetan’ ny olona masìna, dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy.
13 Le tsinanoko boak’ andindìñe ey ty fiarañanañañe nanao ty hoe: Sokiro: Haha ze vilasy mivetrak’ amy Talè ao henane zao. Eka! hoe i Arofoy, hitofa amo fitoloña’eo iereo, amy te mañorike iareo o fitoloña’ iareoo.
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’ Olona nipetraka teo ambonin’ ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao tamin’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
Dia naroson’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona tamin’ ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
17 Niavotse i kibohotse andindìñe eñey ty anjely tovo’e ninday fanatahañe masioñe ka.
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
18 Niakatse boak’amy kitreliy ka ty anjely nanan-dily ami’ty afo, le kinanji’e am-piarañanañañe mafe i amam-pana­tahañe masioñey, ty hoe: Mamatsiha amo fanataha’o masioñeo vaho atontono o voaloboke mirokoroko am-bahe’ ty tane toio, fa ginoke o valobo’eo.
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin’ ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin’ ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
19 Aa le navio’ i anjeliy mb’ an-tane atoy i fanataha’ey le natonto’e o am-bahe’ ty tane toio vaho nafetsa’e amy fipiritan-divain-kaviñeran’ Añahare jabajabay.
Ary naroson’ ilay anjely tamin’ ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’ Andriamanitra.
20 Le linialia alafen-drova ao i fipiritan-divaiy vaho nidoandoañe boak’ amy fipiritan-divaiy ty lio nahafionjoñe pak’ an-daboridi’ o soavalao sikal’ ami’ty arivo-tsi-enen-jato stadione añe.
Ary voahitsaka teny ivelan’ ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin’ ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin’ ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin’ ny enin-jato amby arivo stadio.

< Apokalypsy 14 >