< Levitikosy 20 >

1 Hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Saontsio ty hoe ka o ana’ Israeleo: Ndra iaia amo ana’ Israeleo ke amo renetane mimoneñe e Israeleo ze manolotse ty raik’ amo tarira’eo amy Moleka ro havetrake; le ondati’ i taneio ro handre­tsa-bato ama’e.
Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
3 Hatreatrèn-tareheko indatiy le haitoako am’ ondati’eo, amy nanolora’e anake amy Molekay, hanivà’e i toeko miavakey vaho hanimbo ty añarako miavake.
Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.
4 Aa naho akipe’ ondati’ i taneio am’ indatiy ty fihaino’ iareo ie manolo-tiry amy Moleka, vaho tsy navetrake,
Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an’ i Moloka ny zanany,
5 le hatreatrén-tareheko indatiy naho i hasavereña’ey, le haitoako am’ on­dati’eo rekets’ o nindre nañarapilo ama’e vaho nitsinginiotse amy Molekao.
dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ ny fireneny izy mbamin’ izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’ i Moloka.
6 Le hatreatrèn-tareheko ty mpitolik’ amo mpamorekeo naho amo jinio hañarapilo vatañe, hatreatrén-tareheko indatiy, vaho haitoako am’ondati’eo.
Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.
7 Miefera arè, naho miavaha, fa Zaho Iehovà Andrianañahare’ areo.
Dia manamasìna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masìna ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Mifahara amo fañèkoo vaho oriho: amy te Zaho i Iehovà mampiambak’ anahareo.
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasìna anareo.
9 Tsy mahay tsy havetrake ze mamàtse rae ndra rene; ie nañozon-drae ndra rene, le ho ama’e ty lio’e.
Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
10 T’indaty miharo sarimbo ami’ty vali’ ondaty, ie miolotse amy tañanjomban-drañe’ey, le sindre havetrake i namonjey naho i vinonjey.
Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
11 Ze lahilahy mifandia-tihy ami’ty tañanjomban-drae’e le fa nañàlo ty heñan-drae’e; songa havetrake ie­reon-droroe; am’ iereo ty lio’ iareo.
Ary ny olona izay mandry amin’ ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’ izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
12 Naho miharo sarimbo ami’ty vinanto’e ampela t’indaty le havetrake ie roe. Nanao hativàñe le am’ iereo ty lio’ iareo.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
13 Naho iharoa’ ty lahilahy ty lahilahy manahake ty fiolorañe ami’ty ampela, songa nanao hativàñe. Sindre havetrake, songa ama’e ty lio’e.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
14 Naho valie’ ondaty ty ampela naho ty rene’ i ampelay, haloloañe izay, songa ho forototoeñ-añ’afo, ie naho iereo, tsy mone hanjilihan-katserehañe ama’ areo.
Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
15 Naho misahe hare t’indaty le toe hañohofan-doza, le ho lentañe i bibiy.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
16 Naho miharine ami’ty hare ty ampela hisahe le ho vonoe’o i ampelay naho i bibiy. Tsy mete tsy havetrake; songa ho ama’e ty lio’e.
Ary raha misy vehivavy manatona handry amin’ ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
17 Naho rambese’ondaty ty raha­vave’e ke ty anak’ ampelan-drae’e he ty anan-drene’e vaho isa’e ty heña’e le mahaisake i heña’ey ka i ampelay, le haloloañe zay. Vonoeñe añatrefa’ o ana’ ondati’eo ie roe, amy te hinalo’e ty heñan-drahavave’e. Ho vavè’e i hakeo’ey.
Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
18 Ie miharo sarimbo ami’ty ampela miambolañe t’indaty naho mampiboake ty heña’e—ie nampiboake i fioriha’ey, vaho niborahe’ i ampelay ty fiorihan-dio’e, le haitoañe am’ondati’eo i roroey.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan’ ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan’ ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy roroa.
19 Tsy haboa’o ty heñan-drahavaven-drene’o, ndra ty rahavaven-drae’o; ie mañalo longo marine. Songa hivave ty tahi’e.
Ary aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao, na amin’ ny anabavin-drainao; fa mandry amin’ ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
20 Naho mifandia-tihy ami’ty valin-drahalahin-drae’e t’indaty, le fa nafaha’e ty heñan-drahalahin-drae’e; sindre hivave ty hakeo’e, songa hikoromake betsiterake.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vadin’ ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
21 Naho tsindrohe’ ondaty ty valin-drahalahi’e, hativàñe zay. Fa nampikorendahe’e ty heñan-drahalahi’e; ho betsiterake iereo.
Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
22 Aa le hene ambeno o fañèkoo, naho o fepèko iabio, vaho anò, tsy mone ha­bo­loa’ i tane aneseako anahareo himo­neñañey.
Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
23 Le tsy hañaveloa’ areo o sata’ i foko soiheko aolo’ areoio; amy te lili’ iareo irezay vaho mampangorìñ’ ahy.
Ary aza manaraka ny fanaon’ ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
24 Toe nitaroñeko ama’ areo te ho lovae’ areo ty tane’ iareo, le hatoloko ho tavane’ areo i tane orikorihen-dronono naho tanteley. Zaho Iehovà Andrianañahare’ areo ty nañavak’ anahareo amo kilakila ondatio.
Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.
25 Aa le ampiavaho ami’ty biby faly ty malio naho ty vorom-paly ami’ty malio, vaho ko maniva vatañe amo bibio ke amo voroñeo he amy ze karazan-draha veloñe misitsitse an-tane atoy, ie nambahako ama’ areo hambena’ areo ho faly.
Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin’ ny biby, na amin’ ny vorona, na amin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26 Aa le hiavake ho ahy nahareo, amy te masiñe Raho Iehovà vaho navaheko amo kilakila ondatio ho ahiko.
Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
27 Tsy mete tsy havetrake ty jiny naho ty doany, ke t’ie lahilahy he rakem­ba, ho retsahem-bato, sindre ho ama’e ty lio’e.
Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.

< Levitikosy 20 >