< Zefania 2 >

1 Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra,
不知羞恥的國民哪,你們應當聚集! 趁命令沒有發出, 日子過去如風前的糠, 耶和華的烈怒未臨到你們, 他發怒的日子未到以先, 你們應當聚集前來。
2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’ i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
3 Mitadiava an’ i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah.
世上遵守耶和華典章的謙卑人哪, 你們都當尋求耶和華! 當尋求公義謙卑, 或者在耶和華發怒的日子可以隱藏起來。
4 Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
迦薩必致見棄; 亞實基倫必然荒涼。 人在正午必趕出亞實突的民; 以革倫也被拔出根來。
5 Lozan’ ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen’ ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’ i Jehovah, Ry Kanana, tanin’ ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
住沿海之地的基利提族有禍了! 迦南、非利士人之地啊,耶和華的話與你反對, 說:我必毀滅你,以致無人居住。
6 Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan’ ny mpiandry ondry, Sy ho valan’ ondry aman’ osy,
沿海之地要變為草場, 其上有牧人的住處和羊群的圈。
7 Ary ho tanin’ ny sisa amin’ ny taranak’ i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon’ i Askelona no handriany amin’ ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin’ ny fahababoany.
這地必為猶大家剩下的人所得; 他們必在那裏牧放群羊, 晚上必躺臥在亞實基倫的房屋中; 因為耶和華-他們的上帝必眷顧他們, 使他們被擄的人歸回。
8 Efa reko ny fandatsan’ i Moaba Sy ny fanaratsian’ ny taranak’ i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin’ ny sisin-taniny.
我聽見摩押人的毀謗和亞捫人的辱罵, 就是毀謗我的百姓,自誇自大, 侵犯他們的境界。
9 Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an’ i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak’ i Amona ho tahaka an’ i Gomora, Dia ho alan’ amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin’ ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin’ ny oloko no hahalasa azy.
萬軍之耶和華-以色列的上帝說: 我指着我的永生起誓: 摩押必像所多瑪, 亞捫人必像蛾摩拉, 都變為刺草、鹽坑、永遠荒廢之地。 我百姓所剩下的必擄掠他們; 我國中所餘剩的必得着他們的地。
10 Izany no ho valin’ ny avonavony, Satria nandatsa ny olon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy nirehareha taminy izy.
這事臨到他們是因他們驕傲,自誇自大, 毀謗萬軍之耶和華的百姓。
11 Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin’ ny tany Izy, Mba hiankohofan’ ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan’ i Jehovah, Samy any amin’ ny fitoerany avy.
耶和華必向他們顯可畏之威, 因他必叫世上的諸神瘦弱。 列國海島的居民各在自己的地方敬拜他。
12 Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo.
古實人哪,你們必被我的刀所殺。
13 Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an’ i Asyria; Ary hahalao an’ i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
耶和華必伸手攻擊北方,毀滅亞述, 使尼尼微荒涼,又乾旱如曠野。
14 Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
群畜,就是各國的走獸必臥在其中; 鵜鶘和箭豬要宿在柱頂上。 在窗戶內有鳴叫的聲音; 門檻都必毀壞, 香柏木已經露出。
15 Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian’ ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.
這是素來歡樂安然居住的城, 心裏說:惟有我,除我以外再沒有別的; 現在何竟荒涼成為野獸躺臥之處! 凡經過的人都必搖手嗤笑她。

< Zefania 2 >