< Zakaria 7 >

1 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria, tamin’ ny andro fahefatra tamin’ ny volana fahasivy (Kisleva izany);
И бысть в четвертое лето, при Дарии цари, бысть слово Господне ко Захарии в четвертый месяца девятаго, иже есть Хаселев.
2 ary Betela efa naniraka an’ i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin’ i Jehovah
И посла в Вефиль Сарасар и Арвесеер царь и мужие его молити Господа,
3 ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela?
глаголя ко священником, иже во храме Господа (Бога) Вседержителя, и пророком, глаголя: аще вниде зде в пятый месяц святыня, (плачя или постяся, ) якоже сотворих уже многа лета.
4 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
И бысть слово Господа Вседержителя ко мне глаголя:
5 Lazao amin’ ny vahoaka rehetra amin’ ny tany sy amin’ ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin’ izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
рцы ко всем людем земли и ко священником глаголя: аще постистеся или плачевопльствисте в пятинах или седминах (месяца), и се, седмьдесят лет, постом ли постистеся Ми?
6 Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy mihinana sy misotro ho an’ ny tenanareo ihany va ianareo?
И аще ясте или пиете, не вы ли ясте и пиете?
7 Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’ i Jehovah nantsoin’ ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka?
Не сия ли суть словеса, яже глагола Господь руками пророков прежних, егда бе Иерусалим населен и гобзующь, и гради его окрест, и нагорная и подольная населена бяху?
8 Ary tonga tamin’ i Zakaria ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
И бысть слово Господне ко Захарии глаголя:
9 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ ny rahalahiny avy;
сице глаголет Господь Вседержитель: суд праведен судите и милость и щедроты творите кийждо ко брату своему,
10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
а вдовицы и сира, и пришелца и убога не насильствуйте, и злобы кийждо брата своего да не помнит в сердцах своих.
11 Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
И не покоришася, еже внимати, и даша плещы презирающыя, и ушеса своя отяготиша, еже не слышати,
12 Eny, nanao ny fony ho mafy, toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’ ny Fanahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, holazain’ ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro,
и сердце свое учиниша непокориво, не послушати закона Моего и словес, яже посла Господь Вседержитель Духом Своим рукою пророков прежних: и бысть гнев великий от Господа Вседержителя.
13 Koa toy ny niantsoan’ ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro;
И будет, якоже рече, и не услышаша Его: сице возопиют, и не имам услышати, глаголет Господь Вседержитель:
14 fa haeliko amin’ ny tafio-drivotra ho any amin’ ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
и отвергу я во вся языки, иже не разумеша, и земля запустеет последи их от проходящаго и от возвращающагося: и учиниша избранную землю в запустение.

< Zakaria 7 >