< Zakaria 6 >

1 Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
Again I looked up, and saw four chariots come from between two mountains. The mountains were mountains of bronze.
2 Tamin’ ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
The first chariot had red horses. The second chariot had black horses,
3 tamin’ ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.
the third chariot white horses, and the fourth chariot dappled horses.
4 Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
Then I said to the messenger who talked with me, ‘What are these, my lord?’
5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
The messenger answered me, ‘These are the four winds of heaven going out after standing before the Lord of all the earth.
6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin’ ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin’ ny tany atsimo.
The black horses are going toward the north country and the white toward the west and the dappled toward the south country.’
7 Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin’ ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin’ ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin’ ny tany izy.
The strong horses came out, and were impatient to patrol the earth. So he said, ‘Go, patrol the earth,’ and they did so.
8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin’ ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin’ ny tany avaratra.
Then he cried out to me, ‘The horses that went to the north country will quiet my spirit in the north country.’
9 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Now this message of the Lord came to me:
10 Mandraisa avy amin’ ny babo, dia amin’ i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin’ izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon’ i Josia, zanak’ i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
Take the gifts from the exiles Heldai, Tobijah and Jedaiah who have come from Babylon and go at once to Josiah the son of Zephaniah.
11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe;
Take their silver and gold and make a crown and set it on the head of the high priest, Joshua son of Jehozadak.
12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.
Tell him: ‘Thus says the Lord of hosts: Behold, the man whose name is the Branch. He will branch out from his place and rebuild the temple of the Lord.
13 Eny, Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.
He will rebuild the temple and will sit and rule upon his throne, receiving the honour due to a king. A priest will stand by his throne and they will work together in peace and harmony.
14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an’ i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak’ i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah.
The crown will be a memorial in the temple of the Lord for Heldai and Tobijah and Jedaiah, and Josiah the son of Zephaniah.
15 Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
People from far away will come and build in the temple of the Lord and you will know that the Lord of hosts has sent me to you. This will happen if you diligently obey the voice of the Lord your God.’

< Zakaria 6 >