< Salamo 9 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon’ i Davida. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
Au maître-chantre. — Sur «Meurs pour le fils». — Psaume de David. Je glorifierai l'Éternel de tout mon coeur; Je raconterai toutes ses merveilles.
2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
Je m'égaierai, je me réjouirai en toi; Je chanterai ton nom, ô Dieu Très-Haut!
3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
Car mes ennemis reculent; Ils tombent et périssent devant ta face.
4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
Oui, tu as soutenu mon droit, tu as défendu ma cause; Tu t'es assis sur ton trône en juste juge.
5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
Tu as réprimandé les nations, tu as fait périr les méchants; Tu as effacé leur nom pour toujours, à perpétuité.
6 Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
Plus d'ennemis. Des ruines éternelles! Tu as détruit leurs villes, Et leur souvenir a péri avec eux.
7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
L'Éternel règne à jamais; Il a dressé son trône pour le jugement.
8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy.
Il jugera le monde avec justice; Il jugera les peuples avec équité.
9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy.
L'Éternel sera le refuge de l'opprimé, Son refuge au temps de la détresse.
10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
Ceux qui connaissent ton nom se confieront en toi; Car tu n'abandonnes jamais ceux qui te cherchent, ô Éternel.
11 Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.
Chantez en l'honneur de l'Éternel qui habite en Sion; Annoncez parmi les peuples ses actions glorieuses!
12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
Car il se souvient du sang versé, pour en tirer vengeance; Il n'oublie pas le cri des affligés.
13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’ izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ ny vavahadin’ ny fahafatesana,
Aie pitié de moi, ô Éternel! Vois la détresse où m'ont réduit mes ennemis, toi qui me fais remonter des portes de la mort,
14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’ i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ ny famonjenao.
Afin que je publie toutes tes louanges Aux portes de la fille de Sion, Et que je me réjouisse du salut que tu m'as accordé.
15 Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
Les nations sont tombées dans la fosse qu'elles avaient creusées; Leur pied s'est pris au piège qu'elles avaient caché.
16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy.
L'Éternel s'est fait connaître, il a manifesté sa justice: Le méchant a été enlacé dans son propre filet. (Jeu d'instruments, Pause)
17 Hiverina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’ Andriamanitra. (Sheol h7585)
Les méchants s'en vont au Séjour des morts, Avec toutes les nations qui oublient Dieu. (Sheol h7585)
18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ ny mahantra.
Le malheureux ne sera pas toujours oublié, Et l'espoir des opprimés ne sera pas éternellement trompé.
19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
Lève-toi, ô Éternel! Que l'homme ne triomphe pas. Que les nations soient jugées devant ta face!
20 Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. (Sela)
Éternel, répands sur elles la frayeur: Que les peuples sachent qu'ils ne sont que des hommes! (Pause)

< Salamo 9 >