< Salamo 80 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an’ i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, mamirapiratra.
亞薩的詩,交與伶長。調用為證的百合花。 領約瑟如領羊群之以色列的牧者啊,求你留心聽! 坐在二基路伯上的啊,求你發出光來!
2 Fohazy ny herinao eo anoloan’ i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
在以法蓮、便雅憫、瑪拿西前面 施展你的大能,來救我們。
3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
上帝啊,求你使我們回轉, 使你的臉發光,我們便要得救!
4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin’ ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao?
耶和華-萬軍之上帝啊, 你向你百姓的禱告發怒,要到幾時呢?
5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
你以眼淚當食物給他們吃, 又多量出眼淚給他們喝。
6 Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
你使鄰邦因我們紛爭; 我們的仇敵彼此戲笑。
7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
萬軍之上帝啊,求你使我們回轉, 使你的臉發光,我們便要得救!
8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
你從埃及挪出一棵葡萄樹, 趕出外邦人,把這樹栽上。
9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
你在這樹根前預備了地方, 它就深深扎根,爬滿了地。
10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo.
它的影子遮滿了山, 枝子好像佳美的香柏樹。
11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin’ ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin’ ny Ony.
它發出枝子,長到大海, 發出蔓子,延到大河。
12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan’ izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
你為何拆毀這樹的籬笆, 任憑一切過路的人摘取?
13 Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
林中出來的野豬把它糟踏; 野地的走獸拿它當食物。
14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
萬軍之上帝啊,求你回轉! 從天上垂看,眷顧這葡萄樹,
15 Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
保護你右手所栽的 和你為自己所堅固的枝子。
16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran’ ny tavanao izy.
這樹已經被火焚燒,被刀砍伐; 他們因你臉上的怒容就滅亡了。
17 Aoka ny tananao ho amin’ ny lehilahin’ ny tananao ankavanana, dia amin’ ny zanak’ olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
願你的手扶持你右邊的人, 就是你為自己所堅固的人子。
18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
這樣,我們便不退後離開你; 求你救活我們,我們就要求告你的名。
19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
耶和華-萬軍之上帝啊,求你使我們回轉, 使你的臉發光,我們便要得救!

< Salamo 80 >