< Salamo 78 >

1 Maskila nataon’ i Asafa.
Внемлите, людие мои, закону моему, приклоните ухо ваше во глаголы уст моих.
2 Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
Отверзу в притчах уста моя, провещаю ганания исперва.
3 Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran’ ny razantsika tamintsika,
Елика слышахом и познахом я, и отцы наши поведаша нам:
4 Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
не утаишася от чад их в род ин, возвещающе хвалы Господни, и силы Его и чудеса Его, яже сотвори.
5 Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin’ i Jakoba Izy, ary teo amin’ Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
И воздвиже свидение во Иакове, и закон положи во Израили, елика заповеда отцем нашым сказати я сыновом своим,
6 Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa,
яко да познает род ин, сынове родящиися, и востанут и поведят я сыновом своим:
7 Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
да положат на Бога упование свое, и не забудут дел Божиих, и заповеди Его взыщут:
8 Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny.
да не будут якоже отцы их, род строптив и преогорчеваяй, род иже не исправи сердца своего и не увери с Богом духа своего.
9 Ny zanak’ i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin’ ny andro fiadiana.
Сынове Ефремли наляцающе и стреляюще луки возвратишася в день брани:
10 Tsy nitandrina ny fanekena amin’ Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
не сохраниша завета Божия, и в законе Его не восхотеша ходити.
11 Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
И забыша благодеяния Его и чудеса Его, яже показа им
12 Teo anatrehan’ ny razany no nanaovany fahagagana tany amin’ ny tany Egypta, dia tany amin’ ny tany lemak’ i Zoana.
пред отцы их, яже сотвори чудеса в земли Египетстей, на поли Танеосе:
13 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
разверзе море и проведе их: представи воды яко мех,
14 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
и настави я облаком во дни и всю нощь просвещением огня.
15 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin’ ny rano lalina.
Разверзе камень в пустыни и напои я яко в бездне мнозе:
16 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin’ ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
и изведе воду из камене и низведе яко реки воды.
17 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
И приложиша еще согрешати Ему, преогорчиша Вышняго в безводней:
18 Dia naka fanahy an’ Andriamanitra tam-pony izy, tamin’ ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
и искусиша Бога в сердцах своих, воспросити брашна душам своим.
19 Dia niteny nanohitra an’ Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
И клеветаша на Бога и реша: еда возможет Бог уготовати трапезу в пустыни?
20 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?
Понеже порази камень, и потекоша воды, и потоцы наводнишася: еда и хлеб может дати? Или уготовати трапезу людем Своим?
21 Koa nony ren’ i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin’ i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
Сего ради слыша Господь и презре, и огнь возгореся во Иакове, и гнев взыде на Израиля:
22 Satria tsy nino an’ Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
яко не вероваша Богови, ниже уповаша на спасение Его.
23 Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny,
И заповеда облаком свыше, и двери небесе отверзе:
24 Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.
и одожди им манну ясти, и хлеб небесный даде им.
25 Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
Хлеб ангельский яде человек: брашно посла им до сытости.
26 Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin’ ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
Воздвиже юг с небесе, и наведе силою Своею лива:
27 Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
и одожди на ня яко прах плоти, и яко песок морский птицы пернаты.
28 Ka nalatsany teny afovoan’ ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
И нападоша посреде стана их, окрест жилищ их.
29 Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
И ядоша и насытишася зело, и желание их принесе им.
30 Nefa tsy niala tamin’ ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
Не лишишася от желания своего: еще брашну сущу во устех их,
31 Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin’ ny Isiraely.
и гнев Божий взыде на ня, и уби множайшая их, и избранным Израилевым запят.
32 Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
Во всех сих согрешиша еще и не вероваша чудесем Его:
33 Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana.
и изчезоша в суете дние их, и лета их со тщанием.
34 Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
Егда убиваше я, тогда взыскаху Его и обращахуся и утреневаху к Богу:
35 Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
и помянуша, яко Бог помощник им есть, и Бог Вышний Избавитель им есть:
36 Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
и возлюбиша Его усты своими, и языком своим солгаша Ему:
37 Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
сердце же их не бе право с Ним, ниже уверишася в завете Его.
38 Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Той же есть щедр, и очистит грехи их, и не растлит: и умножит отвратити ярость Свою, и не разжжет всего гнева Своего.
39 Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
И помяну, яко плоть суть, дух ходяй и не обращаяйся:
40 Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!
колькраты преогорчиша Его в пустыни, прогневаша Его в земли безводней?
41 Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely.
И обратишася, и искусиша Бога, и Святаго Израилева раздражиша:
42 Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo,
и не помянуша руки Его в день, в оньже избави я из руки оскорбляющаго:
43 Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana:
якоже положи во Египте знамения Своя, и чудеса Своя на поли Танеосе:
44 Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
и преложи в кровь реки их и источники их, яко да не пиют.
45 Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.
Посла на ня песия мухи, и поядоша я, и жабы, и растли я:
46 Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an’ ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an’ ny valala.
и даде рже плоды их, и труды их пругом.
47 Namono ny voalobony tamin’ ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin’ ny havandra vaventy.
Уби градом винограды их и черничие их сланою:
48 Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an’ ny havandra Izy, ary ny omby aman’ ondriny ho an’ ny varatra.
и предаде граду скоты их, и имение их огню.
49 Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
Посла на ня гнев ярости Своея, ярость и гнев и скорбь, послание аггелы лютыми.
50 Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana;
Путесотвори стезю гневу Своему, и не пощаде от смерти душ их, и скоты их в смерти заключи:
51 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan’ ainy tany an-dain’ i Hama;
и порази всякое первородное в земли Египетстей, начаток всякаго труда их в селениих Хамовых.
52 Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
И воздвиже яко овцы люди Своя, и возведе я яко стадо в пустыни:
53 Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron’ ny ranomasina.
и настави я на упование, и не убояшася: и враги их покры море.
54 Ary nitondra azy ho any amin’ ny tany misy ny fitoerany masìna Izy, dia ny tendrombohitra izay azon’ ny tànany ankavanana.
И введе я в гору святыни Своея, гору сию, юже стяжа десница Его.
55 Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin’ ireny ho lova nozaraina tamin’ ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen’ Isiraely tao an-dainy.
И изгна от лица их языки, и по жребию даде им (землю) ужем жребодаяния, и всели в селениих их колена Израилева.
56 Nefa naka fanahy an’ Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
И искусиша и преогорчиша Бога Вышняго, и свидений Его не сохраниша:
57 Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
и отвратишася и отвергошася, якоже и отцы их: превратишася в лук развращен:
58 Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.
и прогневаша Его в холмех своих, и во истуканных своих раздражиша Его.
59 Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
Слыша Бог и презре, и уничижи зело Израиля:
60 Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;
и отрину скинию Силомскую, селение еже вселися в человецех:
61 Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan’ ny fahavalo.
и предаде в плен крепость их, и доброту их в руки врагов:
62 Dia nanolotra ny olony ho an’ ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin’ ny lovany Izy.
и затвори во оружии люди Своя и достояние Свое презре.
63 Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
Юношы их пояде огнь, и девы их не осетованы быша:
64 Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan’ ireo tsy nisaona.
священницы их мечем падоша, и вдовицы их не оплаканы будут.
65 Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.
И воста яко спя Господь, яко силен и шумен от вина:
66 Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
и порази враги своя вспять, поношение вечное даде им:
67 Dia nanary ny lain’ i Josefa Izy, ary ny firenen’ i Efraima tsy nofidiny.
и отрину селение Иосифово, и колено Ефремово не избра:
68 Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
и избра колено Иудово, гору Сионю, юже возлюби:
69 Dia nanao ny fitoerany masìna ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
и созда яко единорога святилище Свое: на земли основа и в век.
70 Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;
И избра Давида раба Своего, и восприят его от стад овчих:
71 Tany amin’ ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an’ i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
от доилиц поят его, пасти Иакова раба Своего, и Израиля достояние Свое.
72 Dia niandry ireo araka ny hitsin’ ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan’ ny tànany.
И упасе я в незлобии сердца своего, и в разумех руку своею наставил я есть.

< Salamo 78 >