< Salamo 21 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao!
[For the Chief Musician. A Psalm by David.] The king rejoices in your strength, LORD. How greatly he rejoices in your salvation.
2 Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. (Sela)
You have given him his heart's desire, and have not withheld the request of his lips. (Selah)
3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
For you meet him with the blessings of goodness. You set a crown of fine gold on his head.
4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
He asked life of you, you gave it to him, even length of days forever and ever.
5 Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
His glory is great in your salvation. You lay honor and majesty on him.
6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.
For you make him most blessed forever. You make him glad with joy in your presence.
7 Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
For the king trusts in the LORD. Through the loving kindness of the Most High, he shall not be moved.
8 Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
Your hand will find out all of your enemies. Your right hand will find all those who hate you.
9 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
You will make them as a fiery furnace in the time of your anger. The LORD will swallow them up in his wrath. The fire shall devour them.
10 Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;
You will destroy their descendants from the earth, their posterity from among the descendants of Adam.
11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
Though they intend evil against you, devising a wicked scheme, they will not succeed.
12 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
For you will make them turn their back, when you aim drawn bows at their face.
13 Misandrata amin’ ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
Be exalted, LORD, in your strength, so we will sing and praise your power.

< Salamo 21 >