< Salamo 147 >

1 Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
你們要讚美耶和華! 因歌頌我們的上帝為善為美; 讚美的話是合宜的。
2 Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
耶和華建造耶路撒冷, 聚集以色列中被趕散的人。
3 Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
他醫好傷心的人, 裹好他們的傷處。
4 Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny.
他數點星宿的數目, 一一稱它的名。
5 Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
我們的主為大,最有能力; 他的智慧無法測度。
6 Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany.
耶和華扶持謙卑人, 將惡人傾覆於地。
7 Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga,
你們要以感謝向耶和華歌唱, 用琴向我們的上帝歌頌。
8 Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
他用雲遮天,為地降雨, 使草生長在山上。
9 Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
他賜食給走獸 和啼叫的小烏鴉。
10 Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
他不喜悅馬的力大, 不喜愛人的腿快。
11 Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
耶和華喜愛敬畏他 和盼望他慈愛的人。
12 Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô.
耶路撒冷啊,你要頌讚耶和華! 錫安哪,你要讚美你的上帝!
13 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
因為他堅固了你的門閂, 賜福給你中間的兒女。
14 Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
他使你境內平安, 用上好的麥子使你滿足。
15 Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
他發命在地; 他的話頒行最快。
16 Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
他降雪如羊毛, 撒霜如爐灰。
17 Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
他擲下冰雹如碎渣; 他發出寒冷,誰能當得起呢?
18 Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
他一出令,這些就都消化; 他使風颳起,水便流動。
19 Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely.
他將他的道指示雅各, 將他的律例典章指示以色列。
20 Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.
別國他都沒有這樣待過; 至於他的典章,他們向來沒有知道。 你們要讚美耶和華!

< Salamo 147 >