< Salamo 136 >

1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
你们要称谢耶和华,因他本为善; 他的慈爱永远长存。
2 Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
你们要称谢万神之神, 因他的慈爱永远长存。
3 Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
你们要称谢万主之主, 因他的慈爱永远长存。
4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那独行大奇事的, 因他的慈爱永远长存。
5 Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那用智慧造天的, 因他的慈爱永远长存。
6 Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那铺地在水以上的, 因他的慈爱永远长存。
7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那造成大光的, 因他的慈爱永远长存。
8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他造日头管白昼, 因他的慈爱永远长存。
9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他造月亮星宿管黑夜, 因他的慈爱永远长存。
10 Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
称谢那击杀埃及人之长子的, 因他的慈爱永远长存。
11 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他领以色列人从他们中间出来, 因他的慈爱永远长存。
12 Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他施展大能的手和伸出来的膀臂, 因他的慈爱永远长存。
13 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那分裂红海的, 因他的慈爱永远长存。
14 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他领以色列从其中经过, 因他的慈爱永远长存;
15 Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
却把法老和他的军兵推翻在红海里, 因他的慈爱永远长存。
16 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那引导自己的民行走旷野的, 因他的慈爱永远长存。
17 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
称谢那击杀大君王的, 因他的慈爱永远长存。
18 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他杀戮有名的君王, 因他的慈爱永远长存;
19 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
就是杀戮亚摩利王西宏, 因他的慈爱永远长存;
20 Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
又杀巴珊王噩, 因他的慈爱永远长存。
21 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他将他们的地赐他的百姓为业, 因他的慈爱永远长存;
22 Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
就是赐他的仆人以色列为业, 因他的慈爱永远长存。
23 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他顾念我们在卑微的地步, 因他的慈爱永远长存。
24 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
他救拔我们脱离敌人, 因他的慈爱永远长存。
25 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
他赐粮食给凡有血气的, 因他的慈爱永远长存。
26 Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
你们要称谢天上的 神, 因他的慈爱永远长存。

< Salamo 136 >