< Salamo 112 >

1 Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
你们要赞美耶和华! 敬畏耶和华,甚喜爱他命令的, 这人便为有福!
2 Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
他的后裔在世必强盛; 正直人的后代必要蒙福。
3 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
他家中有货物,有钱财; 他的公义存到永远。
4 Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
正直人在黑暗中,有光向他发现; 他有恩惠,有怜悯,有公义。
5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
施恩与人、借贷与人的,这人事情顺利; 他被审判的时候要诉明自己的冤。
6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
他永不动摇; 义人被记念,直到永远。
7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.
他必不怕凶恶的信息; 他心坚定,倚靠耶和华。
8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.
他心确定,总不惧怕, 直到他看见敌人遭报。
9 Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
他施舍钱财,周济贫穷; 他的仁义存到永远。 他的角必被高举,大有荣耀。
10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
恶人看见便恼恨,必咬牙而消化; 恶人的心愿要归灭绝。

< Salamo 112 >