< Salamo 109 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
大衛的詩,交與伶長。 我所讚美的上帝啊, 求你不要閉口不言。
2 Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ ny lela mandainga izy.
因為惡人的嘴和詭詐人的口已經張開攻擊我; 他們用撒謊的舌頭對我說話。
3 Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
他們圍繞我,說怨恨的話, 又無故地攻打我。
4 Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
他們與我為敵以報我愛, 但我專心祈禱。
5 Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
他們向我以惡報善, 以恨報愛。
6 Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
願你派一個惡人轄制他, 派一個對頭站在他右邊!
7 Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
他受審判的時候, 願他出來擔當罪名! 願他的祈禱反成為罪!
8 Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara raharahany.
願他的年日短少! 願別人得他的職分!
9 Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
願他的兒女為孤兒, 他的妻子為寡婦!
10 Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
願他的兒女漂流討飯, 從他們荒涼之處出來求食!
11 Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
願強暴的債主牢籠他一切所有的! 願外人搶他勞碌得來的!
12 Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
願無人向他延綿施恩! 願無人可憐他的孤兒!
13 Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.
願他的後人斷絕, 名字被塗抹,不傳於下代!
14 Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
願他祖宗的罪孽被耶和華記念! 願他母親的罪過不被塗抹!
15 Aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
願這些罪常在耶和華面前, 使他的名號斷絕於世!
16 Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
因為他不想施恩, 卻逼迫困苦窮乏的和傷心的人, 要把他們治死。
17 Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
他愛咒罵,咒罵就臨到他; 他不喜愛福樂,福樂就與他遠離!
18 Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo;
他拿咒罵當衣服穿上; 這咒罵就如水進他裏面, 像油入他的骨頭。
19 Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
願這咒罵當他遮身的衣服, 當他常束的腰帶!
20 Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
這就是我對頭和用惡言議論我的人 從耶和華那裏所受的報應。
21 Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
主-耶和華啊,求你為你的名恩待我; 因你的慈愛美好,求你搭救我!
22 Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
因為我困苦窮乏, 內心受傷。
23 Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
我如日影漸漸偏斜而去; 我如蝗蟲被抖出來。
24 Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ ny nofoko.
我因禁食,膝骨軟弱; 我身上的肉也漸漸瘦了。
25 Ary izaho dia tonga fandatsan’ ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
我受他們的羞辱, 他們看見我便搖頭。
26 Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
耶和華-我的上帝啊,求你幫助我, 照你的慈愛拯救我,
27 Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
使他們知道這是你的手, 是你-耶和華所行的事。
28 Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
任憑他們咒罵,惟願你賜福; 他們幾時起來就必蒙羞, 你的僕人卻要歡喜。
29 Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
願我的對頭披戴羞辱! 願他們以自己的羞愧為外袍遮身!
30 Hidera an’ i Jehovah indrindra amin’ ny vavako aho; Eny, eo amin’ ny olona maro no hiderako Azy.
我要用口極力稱謝耶和華; 我要在眾人中間讚美他;
31 Fa mitsangana eo ankavanan’ ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny.
因為他必站在窮乏人的右邊, 要救他脫離審判他靈魂的人。

< Salamo 109 >