< Ohabolana 28 >

1 Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
HOOHEE wale ka mea hewa, aohe mea e hahai ana; O ka poe pono hoi, wiwo ole lakou me he liona la.
2 Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
No ka hewa o ka aina, nui no kolaila poe alii; A ma ke kanaka noonoo a ike hoi e paa loihi ana no ia.
3 Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
O ke kanaka ilihune e hookaumaha ana i ka poe ilihune, Oia ka ua e hoopau ana i ka ai a pau.
4 Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.
O ka poe haalele i ke kanawai, hoomaikai no lakou i ka mea hewa: O ka poe malama hoi i ke kanawai, ku e aku no i ua poe la.
5 Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
Aole i ike ka poe aia i ka hoopono; A o ka poe imi ia Iehova, ike no i na mea a pau.
6 Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.
E aho ka mea ilihune ke hele oia ma ka pololei, I ka mea waiwai i hookekee i kona aoao.
7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
O ka mea malama i ke kanawai, he keiki naauao ia; O ka hoa no ka poe hookai wale, oia ka i hoohilahila i kona makuakane.
8 Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
O ka mea hoonui i kona waiwai ma ka uku kuala a me ke kaili wale, E hooiliili oia ia mea na ka mea e aloha aku i ka poe ilihune.
9 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
O ka mea haliu aku i kona pepeiao aole hoolono i ke kanawai, E hoopailuaia kana pule.
10 Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
O ka mea kai hewa aku i ka poe pololei ma ka aoao hewa, Ma kona lua iho oia e haule ai; A o ka poe pololei hoi, e ili mai ka maikai no lakou.
11 Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
Ua naauao no ke kanaka waiwai i kona manao iho; Aka, o ka mea ilihune a naauao hoi, oia ka i ike aku ia ia.
12 Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
I ka hauoli ana o ka poe pono, nui ka hanohano; A i ke ku ana'e o ka poe hewa, ua hunaia ke kanaka.
13 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
O ka mea huna i kona hewa iho, aole oia e pomaikai; Aka, o ka mea hooia a haalele hoi, e alohaia mai oia,
14 Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Pomaikai ke kanaka ke mau aku kona makau; O ka mea hoopaakiki i kona naau, e haule oia i ka popilikia.
15 Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
O ka liona uwo a me ka bea holoholo, Oia ke alii hewa maluna o na kanaka ilihune.
16 Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
O ke alii naauao ole, nui kona hookaumaha ana; O ka mea hoowahawaha i ka makee waiwai, e loihi no kona mau la.
17 Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
O ke kanaka hewa i ke koko o kekahi, E holo oia i ka lua; mai keakea kekahi ia ia.
18 Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
O ka mea hele pololei e ola oia; O ka mea hookekee i kona aoao, e haule koke no ia.
19 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
O ka mea mahi i ka aina e maona oia i ka ai; O ka mea hoopili mea ai mahope o ka poe lapuwale e piha oia i ka ilihune.
20 Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
O ke kanaka hooiaio, nui wale kona mau mea e pomaikai ai; O ka mea holo kiki mahope o ka waiwai, aole e ole kona hala.
21 Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
O ka manao ana i ko ke kanaka kino, aole ia he maikai; No kahi apana ai e lawehala no ua kanaka la.
22 Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
O ka mea hooikaika ma ka waiwai, he maka ino kona, Aole oia e ike o ka ilihune kana mea e loaa ai.
23 Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.
O ka mea ao aku i ke kanaka, mahope iho e loaa ia ia ka lokomaikaiia mai, Mamua o ka mea malimali me kona alelo.
24 Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
O ke mea kaili wale i ka kona makuakane a me ka kona makuwahine, Me ka i ana ae, Aole ia he hewa, Oia ka hoa no ka pepehi kanaka.
25 Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
O ka mea i haaheo ka naau, oia ka i hookonokono i ka hakaka; O ka mea paulele ia Iehova e lako loa oia.
26 Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
O ka mea paulele i kona naau iho, oia ka mea naaupo: O ka mea hele ma ka naauao, e hoopakeleia oia.
27 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
O ka mea haawi wale na ka mea ilihune, aole oia e nele; A o ka mea i uhi ae i kona mau maka, e nui kona hoinoia mai.
28 Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.
I ke ku ana o ka poe hewa, ua huna ke kanaka ia ia iho; A make lakou, alaila mahuahua ka poe pono.

< Ohabolana 28 >