< Ohabolana 28 >

1 Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
The wicked flee when no one pursues; but the righteous are as bold as a lion.
2 Ny fahotan’ ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana.
In rebellion, a land has many rulers, but order is maintained by a man of understanding and knowledge.
3 Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
A needy man who oppresses the poor is like a driving rain which leaves no crops.
4 Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.
Those who forsake the Law praise the wicked; but those who keep the Law contend with them.
5 Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’ i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
Evil men do not understand justice; but those who seek the LORD understand it fully.
6 Ny malahelo izay mandeha amin’ ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika.
Better is the poor who walks in his integrity, than he who is perverse in his ways, and he is rich.
7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
Whoever keeps the Law is a wise son; but he who is a companion of gluttons shames his father.
8 Izay mampitombo ny fananany amin’ ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’ izay miantra ny malahelo
He who increases his wealth by excessive interest gathers it for one who has pity on the poor.
9 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
He who turns away his ear from hearing the Law, even his prayer is an abomination.
10 Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
Whoever causes the upright to go astray in an evil way, he will fall into his own trap; but the blameless will inherit good.
11 Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
The rich man is wise in his own eyes; but the poor who has understanding sees through him.
12 Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.
When the righteous triumph, there is great glory; but when the wicked rise, men hide themselves.
13 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
He who conceals his sins doesn't prosper, but whoever confesses and renounces them finds mercy.
14 Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Blessed is the man who is always reverent; but the one who hardens his heart will fall into evil.
15 Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ ny olona reraka.
As a roaring lion or a charging bear, so is a wicked ruler over helpless people.
16 Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
A prince who lacks understanding is a cruel oppressor, but one who hates ill-gotten gain will prolong his days.
17 Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
A man who is tormented by life blood will be a fugitive until death; no one will support him.
18 Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
Whoever walks blamelessly is kept safe; but one with perverse ways will fall suddenly.
19 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.
One who works his land will have an abundance of food; but one who chases fantasies will have his fill of poverty.
20 Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
A faithful man is rich with blessings; but one who is eager to be rich will not go unpunished.
21 Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
To show partiality is not good; yet a man will do wrong for a piece of bread.
22 Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
A stingy man hurries after riches, and doesn't know that poverty waits for him.
23 Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ ny lelany.
One who rebukes a man will afterward find more favor than one who flatters with the tongue.
24 Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ ny mpanimba.
Whoever robs his father or his mother, and says, "It's not wrong." He is a partner with a destroyer.
25 Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an’ i Jehovah dia hohatavezina.
One who is greedy stirs up strife; but one who trusts in the LORD will prosper.
26 Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ ny fahendrena no ho afa-miala.
One who trusts in himself is a fool; but one who walks in wisdom is kept safe.
27 Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
One who gives to the poor has no lack; but one who closes his eyes will have many curses.
28 Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.
When the wicked rise, men hide themselves; but when they perish, the righteous thrive.

< Ohabolana 28 >