< Ohabolana 20 >

1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
Невинно вино, укоризненно же пиянство, и всяк пребываяй в нем не будет премудр.
2 Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
Не разнствует прещение царево от ярости львовы: раздражаяй же его и примешаяйся ему согрешает в свою душу.
3 Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
Слава мужу отвращатися от досаждения: всяк же безумен сими соплетается.
4 Ny malaina tsy mety miasa amin’ ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
Поносимь ленивый не усрамляется, такожде и заемляй пшеницу в жатву.
5 Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
Вода глубока совет в сердцы мужа: муж же премудр изчерплет ю.
6 Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
Велика вещь человек, и драгая муж творяй милость: мужа же верна (велико) дело обрести.
7 Izay olona marina mandeha amin’ ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
Иже без порока живет в правде, блажены оставит дети своя.
8 Mipetraka eo amin’ ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
Егда царь праведен на престоле сядет, не противится пред очима его ничтоже лукаво.
9 Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
Кто похвалится чисто имети сердце? Или кто дерзнет рещи чиста себе быти от грехов?
10 Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
Вес велик и мал, и мера сугуба, нечиста пред Господем обоя:
11 Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
и творяй я в начинаниих своих запнется: юнота с преподобным, и правый путь его.
12 Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’ i Jehovah avokoa.
Ухо слышит, и око видит: Господня дела обоя.
13 Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
Не люби клеветати, да не вознесешися: отверзи очи твои и насыщайся хлеба.
14 Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
Зло, зло, речет стяжаваяй, и отшед тогда похвалится.
15 Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
Есть злато и множество камений драгих, сосуд честен устне разумны.
16 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.
Возми ризу его, яко испоручник бысть чуждыя, и за чуждую возми залог от него.
17 Mamin’ ny olona ny hanina azo amin’ ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
Сладок есть человеку хлеб лжи, но потом исполнятся уста его камения.
18 Ny hevitra rehetra dia aorin’ ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
Помышление в совете уготовится, в правлении же творит брань.
19 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’ izay mibedibedy foana.
Открываяй тайну ходит лестию: и прельщающему устнами своими не примешайся.
20 Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ ny alim-pito ny jirony.
Злословящему отца или матерь угаснет светилник, зеницы же очес его узрят тму.
21 Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
Часть поспешна в начале, в последних не благословится.
22 Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
Не рцы: отмщу врагу: но потерпи Господа, да ти поможет.
23 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
Мерзость Господеви сугубый вес, и мерило лживо не добро пред ним.
24 Avy amin’ i Jehovah ny dian’ ny olona, Ary hataon’ izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
От Господа исправляются стопы мужу: смертный же како уразумеет пути своя?
25 Fandrika amin’ ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masìna ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
Сеть мужеви скоро нечто от своих освящати: по обете бо раскаяние бывает.
26 Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
Веятель нечестивых есть царь мудр и наложит на ня коло.
27 Jiron’ i Jehovah ny fanahin’ ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
Свет Господень дыхание человеком, иже испытает тайная утробы.
28 Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ ny famindram-po ny seza fiandrianany.
Милостыня и истина сохранение царю, и обыдут престол его в правде.
29 Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
Лепота (есть) юным премудрость: слава же старым седины.
30 Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.
Раны и сокрушения сретают злых, язвы же в сокровищих чрева.

< Ohabolana 20 >