< Ohabolana 12 >

1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
Whoever loves correction loves knowledge, but he who hates reproof is stupid.
2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
A good man shall obtain favor from the LORD, but he will condemn a man of wicked devices.
3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
A man shall not be established by wickedness, but the root of the righteous shall not be moved.
4 Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
A worthy woman is the crown of her husband, but a disgraceful wife is as rottenness in his bones.
5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
The thoughts of the righteous are just, but the advice of the wicked is deceitful.
6 Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
The words of the wicked are about lying in wait for blood, but the speech of the upright rescues them.
7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
The wicked are overthrown, and are no more, but the house of the righteous shall stand.
8 Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
A person is commended according to his good sense, but the one who has a perverse mind is despised.
9 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
Better is he who is lightly esteemed, and has a servant, than he who honors himself, and lacks bread.
10 Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;
A righteous man regards the life of his animal, but the tender mercies of the wicked are cruel.
11 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
He who tills his land shall have plenty of bread, but he who chases fantasies is void of understanding.
12 Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.
The wicked desires the plunder of evil men, but the root of the righteous flourishes.
13 Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.
An evil man is trapped by sinfulness of lips, but the righteous shall come out of trouble.
14 Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.
A man shall be satisfied with good by the fruit of his mouth. The work of a man's hands shall be rewarded to him.
15 Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
The way of a fool is right in his own eyes, but he who is wise listens to counsel.
16 Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
A fool shows his annoyance the same day, but one who overlooks an insult is prudent.
17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
He who is truthful testifies honestly, but a false witness lies.
18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.
There is one who speaks rashly like the piercing of a sword, but the tongue of the wise heals.
19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
Truth's lips will be established forever, but a lying tongue is only momentary.
20 Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.
Deceit is in the heart of those who plot evil, but joy comes to the promoters of peace.
21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
No mischief shall happen to the righteous, but the wicked shall be filled with evil.
22 Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
Lying lips are an abomination to the LORD, but those who do the truth are his delight.
23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
A prudent man keeps his knowledge, but the hearts of fools proclaim foolishness.
24 Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
The hands of the diligent ones shall rule, but laziness ends in slave labor.
25 Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
Anxiety in a man's heart weighs it down, but a kind word makes it glad.
26 Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
A righteous person is cautious in friendship, but the way of the wicked leads them astray.
27 Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
The slothful man doesn't roast his game, but the possessions of diligent men are prized.
28 Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
In the way of righteousness is life; in its path there is no death.

< Ohabolana 12 >