< Nomery 4 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西、亞倫說:
2 Alao isa ny taranak’ i Kehata eo amin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
「你從利未人中,將哥轄子孫的總數,照他們的家室、宗族,
3 hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao raharaha ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏辦事的,全都計算。
4 Izao no ho fanompoan’ ny taranak’ i Kehata ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masìna indrindra:
哥轄子孫在會幕搬運至聖之物,所辦的事乃是這樣:
5 Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran’ ny Vavolombelona’ izany;
起營的時候,亞倫和他兒子要進去摘下遮掩櫃的幔子,用以蒙蓋法櫃,
6 ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon’ ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin’ io, dia hataony eo aminy ny baony.
又用海狗皮蓋在上頭,再蒙上純藍色的毯子,把槓穿上。
7 Ary hamelatra lamba, volon’ ondry manga eo ambonin’ ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
又用藍色毯子鋪在陳設餅的桌子上,將盤子、調羹、奠酒的爵,和杯擺在上頭。桌子上也必有常設的餅。
8 Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin’ ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
在其上又要蒙朱紅色的毯子,再蒙上海狗皮,把槓穿上。
9 Dia haka lamba volon’ ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
要拿藍色毯子,把燈臺和燈臺上所用的燈盞、剪子、蠟花盤,並一切盛油的器皿,全都遮蓋。
10 ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin’ ny filanjana azy.
又要把燈臺和燈臺的一切器具包在海狗皮裏,放在抬架上。
11 Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
在金壇上要鋪藍色毯子,蒙上海狗皮,把槓穿上。
12 dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ka hataony ao anaty lamba volon’ ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin’ ny filanjana azy.
又要把聖所用的一切器具包在藍色毯子裏,用海狗皮蒙上,放在抬架上。
13 Dia hanaisotra ny lavenona amin’ ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
要收去壇上的灰,把紫色毯子鋪在壇上;
14 Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran’ afony sy ny fitrebiny sy ny sotron’ afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
又要把所用的一切器具,就是火鼎、肉鍤子、鏟子、盤子,一切屬壇的器具都擺在壇上,又蒙上海狗皮,把槓穿上。
15 Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.
將要起營的時候,亞倫和他兒子把聖所和聖所的一切器具遮蓋完了,哥轄的子孫就要來抬,只是不可摸聖物,免得他們死亡。會幕裏這些物件是哥轄子孫所當抬的。
16 Ary ny raharahan’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan’ andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin’ ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin’ ny fitoerana masìna sy ny fanaka momba azy.
「祭司亞倫的兒子以利亞撒所要看守的是點燈的油與香料,並當獻的素祭和膏油,也要看守全帳幕與其中所有的,並聖所和聖所的器具。」
17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西、亞倫說:
18 Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ ny Kehatita tsy ho amin’ ny Levita:
「你們不可將哥轄人的支派從利未人中剪除。
19 fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masìna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ ny fanompoany avy sy amin’ ny entany avy;
他們挨近至聖物的時候,亞倫和他兒子要進去派他們各人所當辦的,所當抬的。這樣待他們,好使他們活着,不致死亡。
20 fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masìna, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
只是他們連片時不可進去觀看聖所,免得他們死亡。」
21 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西說:
22 Alao isa koa ny taranak’ i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
「你要將革順子孫的總數,照着宗族、家室,
23 ny hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏辦事的,全都數點。
24 Izao no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
革順人各族所辦的事、所抬的物乃是這樣:
25 ny ambain’ ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
他們要抬帳幕的幔子和會幕,並會幕的蓋與其上的海狗皮,和會幕的門簾,
26 ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin’ ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin’ ireo no ho fanompoany.
院子的帷子和門簾(院子是圍帳幕和壇的)、繩子,並所用的器具,不論是做甚麼用的,他們都要經理。
27 Araka ny tenin’ i Arona sy ny zanany no hanaovan’ ny Gersonita ny fanompoany amin’ ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
革順的子孫在一切抬物辦事之上都要憑亞倫和他兒子的吩咐;他們所當抬的,要派他們看守。
28 Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita ny amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin’ izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
這是革順子孫的各族在會幕裏所辦的事;他們所看守的,必在祭司亞倫兒子以他瑪的手下。」
29 Ny amin’ ny taranak’ i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
「至於米拉利的子孫,你要照着家室、宗族把他們數點。
30 ny hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏辦事的,你都要數點。
31 Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin’ ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
他們辦理會幕的事,就是抬帳幕的板、閂、柱子,和帶卯的座,
32 sy ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
院子四圍的柱子和其上帶卯的座、橛子、繩子,並一切使用的器具。他們所抬的器具,你們要按名指定。
33 Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
這是米拉利子孫各族在會幕裏所辦的事,都在祭司亞倫兒子以他瑪的手下。」
34 Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan’ ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
摩西、亞倫與會眾的諸首領將哥轄的子孫,照着家室、宗族,
35 hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏辦事的,都數點了。
36 Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
被數的共有二千七百五十名。
37 Ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Mosesy.
這是哥轄各族中被數的,是在會幕裏辦事的,就是摩西、亞倫照耶和華藉摩西所吩咐數點的。
38 Ary izay nalamina tamin’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
革順子孫被數的,照着家室、宗族,
39 hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏辦事的,共有二千六百三十名。
40 izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41 Ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah.
這是革順子孫各族中被數的,是在會幕裏辦事的,就是摩西、亞倫照耶和華藉摩西所吩咐數點的。
42 Ary izay nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
米拉利子孫中各族被數的,照着家室、宗族,
43 hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony, hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏辦事的,共有三千二百名。
44 izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
這是米拉利子孫各族中被數的,就是摩西、亞倫照耶和華藉摩西所吩咐數點的。
46 Ny tontalin’ ny taranak’ i Levy izay nalamin’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny lohan’ ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
凡被數的利未人,就是摩西、亞倫並以色列眾首領,照着家室、宗族所數點的,
47 hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
從三十歲直到五十歲,凡前來任職、在會幕裏做抬物之工的,共有八千五百八十名。
48 izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 Araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
摩西按他們所辦的事、所抬的物,憑耶和華的吩咐數點他們;他們這樣被摩西數點,正如耶和華所吩咐他的。

< Nomery 4 >