< Nomery 17 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华对摩西说:
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary samy soraty eo amin’ ny tehiny avy ny anaran’ izy rehetra.
“你晓谕以色列人,从他们手下取杖,每支派一根;从他们所有的首领,按着支派,共取十二根。你要将各人的名字写在各人的杖上,
3 Fa ny anaran’ i Arona no hosoratanao amin’ ny tehin’ i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ ny lohan’ ny fianakaviany.
并要将亚伦的名字写在利未的杖上,因为各族长必有一根杖。
4 Dia hataonao ao amin’ ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan’ ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
你要把这些杖存在会幕内法柜前,就是我与你们相会之处。
5 Ary ny tehin’ ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
后来我所拣选的那人,他的杖必发芽。这样,我必使以色列人向你们所发的怨言止息,不再达到我耳中。”
6 Ary Mosesy dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka ny lohan’ ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary ny tehin’ i Arona dia teo afovoan’ ireo tehiny ireo.
于是摩西晓谕以色列人,他们的首领就把杖交给他,按着支派,每首领一根,共有十二根;亚伦的杖也在其中。
7 Dia napetrak’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah, dia tao amin’ ny trano lain’ ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
摩西就把杖存在法柜的帐幕内,在耶和华面前。
8 Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’ i Arona, izay ho an’ ny taranak’ i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
第二天,摩西进法柜的帐幕去。谁知利未族亚伦的杖已经发了芽,生了花苞,开了花,结了熟杏。
9 Dia nentin’ i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan’ i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
摩西就把所有的杖从耶和华面前拿出来,给以色列众人看;他们看见了,各首领就把自己的杖拿去。
10 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Avereno ny tehin’ i Arona ho eo anoloan’ ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
耶和华吩咐摩西说:“把亚伦的杖还放在法柜前,给这些背叛之子留作记号。这样,你就使他们向我发的怨言止息,免得他们死亡。”
11 Dia nataon’ i Mosesy izany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
摩西就这样行。耶和华怎样吩咐他,他就怎样行了。
12 Dia niteny tamin’ i Mosesy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
以色列人对摩西说:“我们死啦!我们灭亡啦!都灭亡啦!
13 Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’ i Jehovah; ho lany maty va izahay?
凡挨近耶和华帐幕的是必死的。我们都要死亡吗?”

< Nomery 17 >