< Nehemia 7 >

1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
城牆修完,我安了門扇,守門的、歌唱的,和利未人都已派定。
2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ ny tao an-dapa, hitandrina an’ i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
我就派我的弟兄哈拿尼和營樓的宰官哈拿尼雅管理耶路撒冷;因為哈拿尼雅是忠信的,又敬畏上帝過於眾人。
3 Koa hoy izaho tamin’ ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’ i Jerosalema mandra-pahafanan’ ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’ izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
我吩咐他們說:「等到太陽上升才可開耶路撒冷的城門;人尚看守的時候就要關門上閂;也當派耶路撒冷的居民各按班次看守自己房屋對面之處。」
4 Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
城是廣大,其中的民卻稀少,房屋還沒有建造。
5 Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
我的上帝感動我心,招聚貴冑、官長,和百姓,要照家譜計算。我找着第一次上來之人的家譜,其上寫着:
6 Izao no lehilahy amin’ izany tany izany, izay niakatra avy tamin’ ny fahababoana, dia ireo nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
巴比倫王尼布甲尼撒從前擄去猶大省的人,現在他們的子孫從被擄到之地回耶路撒冷和猶大,各歸本城。
7 dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
他們是同着所羅巴伯、耶書亞、尼希米、亞撒利雅、拉米、拿哈瑪尼、末底改、必珊、米斯毗列、比革瓦伊、尼宏、巴拿回來的。
8 Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
以色列人民的數目記在下面:巴錄的子孫二千一百七十二名;
9 ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
示法提雅的子孫三百七十二名;
10 ny taranak’ i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
亞拉的子孫六百五十二名;
11 ny taranak’ i Pahatamoaba, dia avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
巴哈‧摩押的後裔,就是耶書亞和約押的子孫二千八百一十八名;
12 ny taranak’ i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
以攔的子孫一千二百五十四名;
13 ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
薩土的子孫八百四十五名;
14 ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
薩改的子孫七百六十名;
15 ny taranak’ i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
賓內的子孫六百四十八名;
16 ny taranak’ i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
比拜的子孫六百二十八名;
17 ny taranak’ Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
押甲的子孫二千三百二十二名;
18 ny zanak’ i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
亞多尼干的子孫六百六十七名;
19 ny taranak’ i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
比革瓦伊的子孫二千零六十七名;
20 ny taranak’ i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
亞丁的子孫六百五十五名;
21 ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
亞特的後裔,就是希西家的子孫九十八名;
22 ny taranak’ i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
哈順的子孫三百二十八名;
23 ny taranak’ i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
比賽的子孫三百二十四名;
24 ny taranak’ i Harifa dia roa ambin’ ny folo amby zato;
哈拉的子孫一百一十二名;
25 ny taranak’ i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
基遍人九十五名;
26 Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
伯利恆人和尼陀法人共一百八十八名;
27 ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
亞拿突人一百二十八名;
28 ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
伯‧亞斯瑪弗人四十二名;
29 ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
基列‧耶琳人、基非拉人、比錄人共七百四十三名;
30 ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
拉瑪人和迦巴人共六百二十一名;
31 ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
默瑪人一百二十二名;
32 ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
伯特利人和艾人共一百二十三名;
33 ny mponina tany amin’ ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
別的尼波人五十二名;
34 ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
別的以攔子孫一千二百五十四名;
35 ny zanak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
哈琳的子孫三百二十名;
36 ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
耶利哥人三百四十五名;
37 ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
羅德人、哈第人、阿挪人共七百二十一名;
38 ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
西拿人三千九百三十名。
39 Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
祭司:耶書亞家,耶大雅的子孫九百七十三名;
40 ny taranak’ Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
音麥的子孫一千零五十二名;
41 ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
巴施戶珥的子孫一千二百四十七名;
42 ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
哈琳的子孫一千零一十七名。
43 Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny zanak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
利未人:何達威的後裔,就是耶書亞和甲篾的子孫七十四名。
44 Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak’ i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
歌唱的:亞薩的子孫一百四十八名。
45 Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
守門的:沙龍的子孫、亞特的子孫、達們的子孫、亞谷的子孫、哈底大的子孫、朔拜的子孫,共一百三十八名。
46 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
尼提寧:西哈的子孫、哈蘇巴的子孫、答巴俄的子孫、
47 ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Sia, ny taranak’ i Padona,
基綠的子孫、西亞的子孫、巴頓的子孫、
48 ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay,
利巴拿的子孫、哈迦巴的子孫、薩買的子孫、
49 ny taranak’ i Hanana, ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara,
哈難的子孫、吉德的子孫、迦哈的子孫、
50 ny taranak’ i Reaia, ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda,
利亞雅的子孫、利汛的子孫、尼哥大的子孫、
51 ny taranak’ i Gazama, ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea,
迦散的子孫、烏撒的子孫、巴西亞的子孫、
52 ny taranak’ i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
比賽的子孫、米烏寧的子孫、尼普心的子孫、
53 ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakafa, ny taranak’ i Harora,
巴卜的子孫、哈古巴的子孫、哈忽的子孫、
54 ny taranak’ i Bazlita, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
巴洗律的子孫、米希大的子孫、哈沙的子孫、
55 ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
巴柯的子孫、西西拉的子孫、答瑪的子孫、
56 ny taranak’ i Nezia, ny taranak’ i Hatifa.
尼細亞的子孫、哈提法的子孫。
57 Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny zanak’ i Perida,
所羅門僕人的後裔,就是瑣太的子孫、瑣斐列的子孫、比路大的子孫、
58 ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
雅拉的子孫、達昆的子孫、吉德的子孫、
59 ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amona.
示法提雅的子孫、哈替的子孫、玻黑列‧哈斯巴音的子孫、亞們的子孫。
60 Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
尼提寧和所羅門僕人的後裔共三百九十二名。
61 Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ ny Isiraely na tsia, izy):
從特米拉、特哈薩、基綠、亞頓、音麥上來的,不能指明他們的宗族譜系是以色列人不是;
62 ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
他們是第萊雅的子孫、多比雅的子孫、尼哥大的子孫,共六百四十二名。
63 Ary ny avy tamin’ ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Hobaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
祭司中,哈巴雅的子孫、哈哥斯的子孫、巴西萊的子孫;因為他們的先祖娶了基列人巴西萊的女兒為妻,所以起名叫巴西萊。
64 Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
這三家的人在族譜之中尋查自己的譜系,卻尋不着,因此算為不潔,不准供祭司的職任。
65 Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
省長對他們說:「不可吃至聖的物,直到有用烏陵和土明決疑的祭司興起來。」
66 Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
會眾共有四萬二千三百六十名。
67 afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
此外,還有他們的僕婢七千三百三十七名,又有歌唱的男女二百四十五名。
68 ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
他們有馬七百三十六匹,騾子二百四十五匹,
69 ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
駱駝四百三十五隻,驢六千七百二十匹。
70 Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.
有些族長為工程捐助。省長捐入庫中的金子一千達利克,碗五十個,祭司的禮服五百三十件。
71 Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ ny rakitra hanaovana ny asa.
又有族長捐入工程庫的金子二萬達利克,銀子二千二百彌拿。
72 Ary izay nomen’ ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
其餘百姓所捐的金子二萬達利克,銀子二千彌拿,祭司的禮服六十七件。
73 Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin’ ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
於是祭司、利未人、守門的、歌唱的、民中的一些人、尼提寧,並以色列眾人,各住在自己的城裏。

< Nehemia 7 >