< Nehemia 3 >

1 Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
那時,大祭司以利亞實和他的弟兄眾祭司起來建立羊門,分別為聖,安立門扇,又築城牆到哈米亞樓,直到哈楠業樓,分別為聖。
2 Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’ Imry.
其次是耶利哥人建造。其次是音利的兒子撒刻建造。
3 Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’ i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
哈西拿的子孫建立魚門,架橫樑、安門扇,和閂鎖。
4 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.
其次是哈哥斯的孫子、烏利亞的兒子米利末修造。其次是米示薩別的孫子、比利迦的兒子米書蘭修造。其次是巴拿的兒子撒督修造。
5 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoïta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ ny fanompoana ny Tompony.
其次是提哥亞人修造;但是他們的貴冑不用肩擔他們主的工作。
6 Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
巴西亞的兒子耶何耶大與比所玳的兒子米書蘭修造古門,架橫樑,安門扇和閂鎖。
7 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.
其次是基遍人米拉提,米倫人雅頓與基遍人,並屬河西總督所管的米斯巴人修造。
8 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.
其次是銀匠哈海雅的兒子烏薛修造。其次是做香的哈拿尼雅修造。這些人修堅耶路撒冷,直到寬牆。
9 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak’ i Hora, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema.
其次是管理耶路撒冷一半、戶珥的兒子利法雅修造。
10 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’ i Haromafa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’ i Hasabnia.
其次是哈路抹的兒子耶大雅對着自己的房屋修造。其次是哈沙尼的兒子哈突修造。
11 Ny sasany koa mbamin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Harima, sy Hasoba, zanak’ i Pahatamoaba.
哈琳的兒子瑪基雅和巴哈‧摩押的兒子哈述修造一段,並修造爐樓。
12 Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
其次是管理耶路撒冷那一半、哈羅黑的兒子沙龍和他的女兒們修造。
13 Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
哈嫩和撒挪亞的居民修造谷門,立門,安門扇和閂鎖,又建築城牆一千肘,直到糞廠門。
14 Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
管理伯‧哈基琳、利甲的兒子瑪基雅修造糞廠門,立門,安門扇和閂鎖。
15 Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.
管理米斯巴、各荷西的兒子沙崙修造泉門,立門,蓋門頂,安門扇和閂鎖,又修造靠近王園西羅亞池的牆垣,直到那從大衛城下來的臺階。
16 Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.
其次是管理伯‧夙一半、押卜的兒子尼希米修造,直到大衛墳地的對面,又到挖成的池子,並勇士的房屋。
17 Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.
其次是利未人巴尼的兒子利宏修造。其次是管理基伊拉一半、哈沙比雅為他所管的本境修造。
18 Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’ i Henadada, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila.
其次是利未人弟兄中管理基伊拉那一半、希拿達的兒子巴瓦伊修造。
19 Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.
其次是管理米斯巴、耶書亞的兒子以謝修造一段,對着武庫的上坡、城牆轉彎之處。
20 Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’ i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ ny fiolahana ka hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba mpisoronabe.
其次是薩拜的兒子巴錄竭力修造一段,從城牆轉彎,直到大祭司以利亞實的府門。
21 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza, hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba ka hatramin’ ny faran’ ny tranon’ i Eliasiba.
其次是哈哥斯的孫子、烏利亞的兒子米利末修造一段,從以利亞實的府門,直到以利亞實府的盡頭。
22 Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ ny tany lemaka.
其次是住平原的祭司修造。
23 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.
其次是便雅憫與哈述對着自己的房屋修造。其次是亞難尼的孫子、瑪西雅的兒子亞撒利雅在靠近自己的房屋修造。
24 Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’ i Binoy, zanak’ i Henadada, hatramin’ ny tranon’ i Azaria ka hatramin’ ny fiolahana eo amin’ ny zorony.
其次是希拿達的兒子賓內修造一段,從亞撒利雅的房屋直到城牆轉彎,又到城角。
25 Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.
烏賽的兒子巴拉修造對着城牆的轉彎和王上宮凸出來的城樓,靠近護衛院的那一段。其次是巴錄的兒子毗大雅修造。(
26 Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
尼提寧住在俄斐勒,直到朝東水門的對面和凸出來的城樓。)
27 Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.
其次是提哥亞人又修一段,對着那凸出來的大樓,直到俄斐勒的牆。
28 Hatreo ambonin’ ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
從馬門往上,眾祭司各對自己的房屋修造。
29 Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’ Imera, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’ i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
其次是音麥的兒子撒督對着自己的房屋修造。其次是守東門、示迦尼的兒子示瑪雅修造。
30 Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.
其次是示利米雅的兒子哈拿尼雅和薩拉的第六子哈嫩又修一段。其次是比利迦的兒子米書蘭對着自己的房屋修造。
31 Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ ny mpanefy volamena, hatramin’ ny tranon’ ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ ny trano ambony teo an-jorony.
其次是銀匠瑪基雅修造到尼提寧和商人的房屋,對着哈米弗甲門,直到城的角樓。
32 Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
銀匠與商人在城的角樓和羊門中間修造。

< Nehemia 3 >