< Malakia 4 >

1 Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
万军之耶和华说:“那日临近,势如烧着的火炉,凡狂傲的和行恶的必如碎秸,在那日必被烧尽,根本枝条一无存留。
2 Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’ omby mifahy;
但向你们敬畏我名的人必有公义的日头出现,其光线有医治之能。你们必出来跳跃如圈里的肥犊。
3 ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ ny faladianareo izay amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
你们必践踏恶人;在我所定的日子,他们必如灰尘在你们脚掌之下。这是万军之耶和华说的。
4 Tsarovinareo ny lelan’ i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
“你们当记念我仆人摩西的律法,就是我在何烈 山为以色列众人所吩咐他的律例典章。
5 Indro, Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’ i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
“看哪,耶和华大而可畏之日未到以前,我必差遣先知以利亚到你们那里去。
6 ary izay hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ ny fandringanana.
他必使父亲的心转向儿女,儿女的心转向父亲,免得我来咒诅遍地。”

< Malakia 4 >