< Lioka 2 >

1 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy didy navoak’ i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ ny vahoaka rehetra amin’ ny fanjakany.
Now it happened in those days that a decree went out from Caesar Augustus that the whole inhabited world should be enrolled.
2 (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)
This first census took place while Quirinius was governing Syria.
3 Dia samy nankany amin’ ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
So everyone was traveling, each to his own town, to enroll himself.
4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),
So Joseph also went up from Galilee, out of Natsareth town, into Judea to the city of David, that is called Bethlehem, because he was of David's ‘house’, that is, line of descent,
5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
to enroll himself with Mary, the woman who had been betrothed to him, who was pregnant.
6 Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
So it happened that when they got there the days for her to give birth were completed;
7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
and she gave birth to her firstborn Son, wrapped Him in pieces of cloth and laid Him in the manger, because there was no room for them in the lodging place.
8 Ary nisy mpiandry ondry tamin’ izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ ny alina.
Now there were shepherds in that same area, staying out in the field and keeping the nightly watches over their flock.
9 Ary nisy anjelin’ ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
When wow, an angel of the Lord stood before them, and the glory of the Lord shone around them, and they were terrified.
10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;
The angel said to them: “Do not be afraid because listen, I am announcing the most joyful news to you, which will be to all the people!
11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.
You see, today, in David's city, a Savior was born to you, who is Lord Christ!
12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
And this is the sign to you: you will find a Baby wrapped in pieces of cloth, lying in a manger.”
13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ ilay anjely teo ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
Suddenly a multitude of the heavenly army was with the angel praising God and saying,
14 Voninahitra any amin’ ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany.
“Glory to God in the highest and on earth peace, good will toward mankind!”
15 Ary tamin’ izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika.
So when the angels went away from them into the sky the men, the shepherds, said to one another, “Hey, let's go to Bethlehem and see this event that has taken place, that the Lord made known to us!”
16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an’ i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
So they went in a hurry and located both Mary and Joseph, and the Baby lying in the manger.
17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’ izany Zaza izany.
And having seen they spread an exact account of the saying that had been spoken to them concerning this Child.
18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy.
All who heard marveled at the things told them by the shepherds.
19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
As for Mary, she treasured all these sayings, pondering them in her heart.
20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
The shepherds returned, glorifying and praising God over all that they had heard and seen, just as it was told them.
21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon’ ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
When eight days were completed so as to circumcise Him, His name was indeed called JESUS, the name given by the angel before He was conceived in the womb.
22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’ i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ ny Tompo
And when the days of their purification according to the law of Moses were completed, they took Him to Jerusalem to present Him to the Lord
23 araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masìna ho an’ i Jehovah.
(just as it is written in the law of the Lord, “Every male who opens a womb shall be called holy to the Lord”),
24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa.
and to offer a sacrifice according to what was specified in the Lord's Law, “a pair of turtledoves or two young pigeons”.
25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masìna dia tao aminy.
Well now, there was a man in Jerusalem whose name was Simeon; this man was righteous and devout, expectantly waiting for the Consolation of Israel, and Holy Spirit was upon him.
26 Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.
(It had been revealed to him repeatedly by the Holy Spirit that he would not see death until he saw the Lord's Messiah.)
27 Ary nentin’ ny Fanahy Masìna niditra teo an-kianjan’ ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ ny zaza,
So by the Spirit he came into the temple; and when the parents brought the Child Jesus in, to do concerning Him according to the custom of the law,
28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
Simeon took Him into his arms and blessed God and said:
29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana Araka ny teninao;
“Sovereign, now You can release your slave in peace, according to Your word,
30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
because my eyes have seen Your salvation,
31 Izay namboarinao teo anatrehan’ ny firenena rehetra,
which You have prepared before the face of all peoples:
32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
a light for revelation to Gentiles, and the glory of Your people Israel.”
33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
And Joseph and His mother were marveling at the things being spoken concerning Him.
34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’ i Maria, renin’ ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ ny Isiraely ary ho famantarana holavina
Then Simeon blessed them, and said to Mary His mother: “Listen, this One is appointed to bring about the fall and rising of many in Israel, and to be a sign that is spoken against,
35 ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra ― mba haseho ny hevitry ny fo maro.
so that the reasonings of many hearts may be revealed (furthermore, a sword will pass through your own soul also).”
36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,
Also there was a prophetess Anna, a daughter of Phanuel, of the tribe of Asher—she was of a great age, having lived with a husband seven years from her virginity
37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’ alina.
and having been a widow for about eighty-four years—who did not depart from the temple, serving God with fastings and petitions night and day.
38 Ary nony niditra tamin’ izany ora izany izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’ izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
Well she, having come up at that very moment, started praising the Lord, and kept on speaking of Him to all those in Jerusalem who were looking for redemption.
39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
When they had completed everything, according to the law of the Lord, they went back to Galilee, to their own town, Natsareth.
40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy.
And the Child kept growing and being strengthened in spirit, being filled with wisdom; yes, the grace of God was upon Him.
41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.
Now every year His parents would go to Jerusalem to the feast of the Passover;
42 Ary rehefa roa ambin’ ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ ny andro firavoravoana.
so when He was twelve years old they went up to Jerusalem according to the custom of the feast.
43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
When they had fulfilled the days, as they were returning, the boy Jesus stayed behind in Jerusalem, but Joseph and His mother did not know it.
44 ary satria nataony fa niaraka tamin’ ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ ny havany sy ny olom-pantany.
Supposing Him to be in the caravan, they went a day's journey and then started looking for Him among their relatives and acquaintances.
45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
Not finding Him, they returned to Jerusalem seeking Him.
46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
So it happened that after three days they found Him in the temple, sitting in the midst of the teachers, both listening to them and asking them questions.
47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
(All who heard Him were astonished at His understanding and answers.)
48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
So upon seeing Him they were amazed, and His mother said to Him: “Son, why have you treated us like this? Look, your father and I have been searching for you in distress.”
49 Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?
So He said to them: “Why were you seeking me? Didn't you know that I must be about my Father's concerns?”
50 Nefa tsy azon’ ireo ny teny izay nolazainy taminy.
But they did not understand the statement that He made to them.
51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
Then He went down with them and came to Natsareth, and continued subordinating Himself to them; His mother kept all these sayings in her heart.
52 Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.
And Jesus kept increasing in wisdom and stature, and in favor with God and men.

< Lioka 2 >