< Levitikosy 14 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西說:「
2 Izao no lalàna ny amin’ ny boka amin’ ny andro fanavotana azy: ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
長大痲瘋得潔淨的日子,其例乃是這樣:要帶他去見祭司;
3 dia hivoaka eny ivelan’ ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin’ ny habokany ny boka,
祭司要出到營外察看,若見他的大痲瘋痊癒了,
4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain’ ny mpisorona ho an’ ilay hodiovina;
就要吩咐人為那求潔淨的拿兩隻潔淨的活鳥和香柏木、朱紅色線,並牛膝草來。
5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha;
祭司要吩咐用瓦器盛活水,把一隻鳥宰在上面。
6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
至於那隻活鳥,祭司要把牠和香柏木、朱紅色線並牛膝草一同蘸於宰在活水上的鳥血中,
7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
用以在那長大痲瘋求潔淨的人身上灑七次,就定他為潔淨,又把活鳥放在田野裏。
8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin’ ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ ny lainy hafitoana.
求潔淨的人當洗衣服,剃去毛髮,用水洗澡,就潔淨了;然後可以進營,只是要在自己的帳棚外居住七天。
9 Ary amin’ ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ ny rano, dia hadio izy.
第七天,再把頭上所有的頭髮與鬍鬚、眉毛,並全身的毛,都剃了;又要洗衣服,用水洗身,就潔淨了。
10 Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka zanak’ ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak’ ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
「第八天,他要取兩隻沒有殘疾的公羊羔和一隻沒有殘疾、一歲的母羊羔,又要把調油的細麵伊法十分之三為素祭,並油一羅革,一同取來。
11 Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
行潔淨之禮的祭司要將那求潔淨的人和這些東西安置在會幕門口、耶和華面前。
12 dia haka ny zanak’ ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin’ ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
祭司要取一隻公羊羔獻為贖愆祭,和那一羅革油一同作搖祭,在耶和華面前搖一搖;
13 Ary hamono ny zanak’ ondrilahy eo amin’ ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin’ ny fitoerana masìna; fa ho an’ ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masìna dia masìna izany.
把公羊羔宰於聖地,就是宰贖罪祭牲和燔祭牲之地。贖愆祭要歸祭司,與贖罪祭一樣,是至聖的。
14 Dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
祭司要取些贖愆祭牲的血,抹在求潔淨人的右耳垂上和右手的大拇指上,並右腳的大拇指上。
15 ary ny diloilo iray loga dia hangalan’ ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
祭司要從那一羅革油中取些倒在自己的左手掌裏,
16 dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin’ ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah.
把右手的一個指頭蘸在左手的油裏,在耶和華面前用指頭彈七次。
17 ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan’ ny mpisorona ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
將手裏所剩的油抹在那求潔淨人的右耳垂上和右手的大拇指上,並右腳的大拇指上,就是抹在贖愆祭牲的血上。
18 ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona.
祭司手裏所剩的油要抹在那求潔淨人的頭上,在耶和華面前為他贖罪。
19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina hahafahany amin’ ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
祭司要獻贖罪祭,為那本不潔淨、求潔淨的人贖罪;然後要宰燔祭牲,
20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin’ ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
把燔祭和素祭獻在壇上,為他贖罪,他就潔淨了。
21 Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak’ ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
「他若貧窮不能預備夠數,就要取一隻公羊羔作贖愆祭,可以搖一搖,為他贖罪;也要把調油的細麵伊法十分之一為素祭,和油一羅革一同取來;
22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
又照他的力量取兩隻斑鳩或是兩隻雛鴿,一隻作贖罪祭,一隻作燔祭。
23 Dia ho eniny any amin’ ny mpisorona ireo amin’ ny andro fahavalon’ ny fanadiovana azy, ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah.
第八天,要為潔淨,把這些帶到會幕門口、耶和華面前,交給祭司。
24 Dia horaisin’ ny mpisorona ny zanak’ ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
祭司要把贖愆祭的羊羔和那一羅革油一同作搖祭,在耶和華面前搖一搖。
25 Dia hovonoina ny zanak’ ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
要宰了贖愆祭的羊羔,取些贖愆祭牲的血,抹在那求潔淨人的右耳垂上和右手的大拇指上,並右腳的大拇指上。
26 ary hangalan’ ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
祭司要把些油倒在自己的左手掌裏,
27 dia hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah;
把左手裏的油,在耶和華面前,用右手的一個指頭彈七次,
28 dia hotentenan’ ny mpisorona amin’ ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
又把手裏的油抹些在那求潔淨人的右耳垂上和右手的大拇指上,並右腳的大拇指上,就是抹贖愆祭之血的原處。
29 ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
祭司手裏所剩的油要抹在那求潔淨人的頭上,在耶和華面前為他贖罪。
30 Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
那人又要照他的力量獻上一隻斑鳩或是一隻雛鴿,
31 dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin’ ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina eo anatrehan’ i Jehovah.
就是他所能辦的,一隻為贖罪祭,一隻為燔祭,與素祭一同獻上;祭司要在耶和華面前為他贖罪。
32 Izany no lalàna ny amin’ ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
這是那有大痲瘋災病的人、不能將關乎得潔淨之物預備夠數的條例。」
33 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西、亞倫說:
34 Rehefa tonga any amin’ ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin’ ny tany fanananareo,
「你們到了我賜給你們為業的迦南地,我若使你們所得為業之地的房屋中有大痲瘋的災病,
35 dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin’ ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin’ ny tranoko.
房主就要去告訴祭司說:『據我看,房屋中似乎有災病。』
36 Dia hasain’ ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan’ ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
祭司還沒有進去察看災病以前,就要吩咐人把房子騰空,免得房子裏所有的都成了不潔淨;然後祭司要進去察看房子。
37 ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin’ ny rindrin’ ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin’ ny rindrin-trano no fijeriny azy,
他要察看那災病,災病若在房子的牆上有發綠或發紅的凹斑紋,現象窪於牆,
38 dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
祭司就要出到房門外,把房子封鎖七天。
39 Ary hiverina ny mpisorona amin’ ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin’ ny rindrin’ ny trano izy,
第七天,祭司要再去察看,災病若在房子的牆上發散,
40 dia hasain’ ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin’ izay fitoerana maloto eo ivelan’ ny tanàna;
就要吩咐人把那有災病的石頭挖出來,扔在城外不潔淨之處;
41 dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian’ ny olona amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
也要叫人刮房內的四圍,所刮掉的灰泥要倒在城外不潔淨之處;
42 Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
又要用別的石頭代替那挖出來的石頭,要另用灰泥墁房子。
43 Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin’ ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
「他挖出石頭,刮了房子,墁了以後,災病若在房子裏又發現,
44 ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin’ ny trano izany, ka dia maloto izy.
祭司就要進去察看,災病若在房子裏發散,這就是房內蠶食的大痲瘋,是不潔淨。
45 Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
他就要拆毀房子,把石頭、木頭、灰泥都搬到城外不潔淨之處。
46 Ary izay miditra ao amin’ izany trano izany amin’ ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro;
在房子封鎖的時候,進去的人必不潔淨到晚上;
47 ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
在房子裏躺着的必洗衣服;在房子裏吃飯的也必洗衣服。
48 Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
「房子墁了以後,祭司若進去察看,見災病在房內沒有發散,就要定房子為潔淨,因為災病已經消除。
49 Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
要為潔淨房子取兩隻鳥和香柏木、朱紅色線並牛膝草,
50 Dia hovonoiny eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha ny vorona anankiray;
用瓦器盛活水,把一隻鳥宰在上面,
51 dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina sy eo amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
把香柏木、牛膝草、朱紅色線,並那活鳥,都蘸在被宰的鳥血中與活水中,用以灑房子七次。
52 Dia hanadio ny trano amin’ ny ran’ ny vorona izy sy amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha sy amin’ ny vorona velona sy amin’ ny hazo sedera sy amin’ ny hysopa ary amin’ ny jaky.
要用鳥血、活水、活鳥、香柏木、牛膝草,並朱紅色線,潔淨那房子。
53 Fa hasainy ho entina eny ivelan’ ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an’ ny trano izy, ka dia hadio izany.
但要把活鳥放在城外田野裏。這樣潔淨房子,房子就潔淨了。」
54 Izany no lalàna ny amin’ ny habokana rehetra sy ny kongonina,
這是為各類大痲瘋的災病和頭疥,
55 ary amin’ ny habokana amin’ ny fitafiana sy amin’ ny trano,
並衣服與房子的大痲瘋,
56 ary ny amin’ ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
以及癤子、癬、火斑所立的條例,
57 hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin’ ny habokana.
指明何時為潔淨,何時為不潔淨。這是大痲瘋的條例。

< Levitikosy 14 >