< Mpitsara 7 >

1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ ny loharano Haroda; ary ny tobin’ ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan’ ny havoana More.
Then Jerub Baal (that is, Gideon) rose up early, and all the people who were with him, and they encamped beside the spring of Harod. The camp of Midian was to their north in the valley near the hill of Moreh.
2 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
Yahweh said to Gideon, “There are too many soldiers for me to give you victory over the Midianites, so that Israel may not boast over me, saying, 'Our own power has saved us.'
3 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan’ ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin’ ny tany havoan’ i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
Now therefore, proclaim in the ears of the people and say, 'Whoever is afraid, whoever trembles, let him return and depart from Mount Gilead.'” So twenty-two thousand people went away, and ten thousand remained.
4 Fa hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin’ ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
Yahweh said to Gideon, “The people are still too many. Take them down to the water, and I will make their number smaller for you there. If I say to you, 'This one will go with you,' he will go with you; but if I say, 'This one will not go with you,' he will not go.”
5 Ary dia nampidinin’ i Gideona ho eo amin’ ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
So Gideon brought the people down to the water, and Yahweh said to him, “Separate everyone who laps up the water, as a dog laps, from those who kneel down to drink.”
6 Ary telon-jato lahy no isan’ izay nanainga ny tànany tamin’ ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
Three hundred men lapped. The rest of the men kneeled down to drink water.
7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ ny fonenany avy.
Yahweh said to Gideon, “With the three hundred men who lapped, I will rescue you and give you victory over the Midianites. Let every other man go back to his own place.”
8 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.
So those who were chosen took their supplies and their trumpets. Gideon sent away all the men of Israel, every man to his tent, but he kept the three hundred men. Now the Midian camp was down below him in the valley.
9 Ary tamin’ izany alina izany dia hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Mitsangàna, midìna ho any amin’ ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
That same night Yahweh said to him, “Get up! Attack the camp, for I am going to give you victory over it.
10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ ny toby Pora zatovonao;
But if you are afraid to go down, go down to the camp with Purah your servant,
11 dia ho renao izay lazain’ ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ ny toby. Dia nidina niaraka tamin’ i Pora zatovony izy ho any an-tsisin’ ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin’ ny toby.
and listen to what they are saying, and your courage will be strengthened to attack the camp.” So Gideon went with Purah his servant, down to the guard posts of the camp.
12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
The Midianites, the Amalekites, and all the people of the east settled along in the valley, as thick as a cloud of locusts. Their camels were more than could be counted; they were more in number than the grains of the sand on the seashore.
13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ ny tobin’ ny Midìna ka nankamin’ ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
When Gideon arrived there, a man was telling a dream to his companion. The man said, “Look! I had a dream, and I saw a round loaf of barley bread tumbling into the camp of Midian. It came to the tent, and hit it so hard that it fell down and turned it upside down, so that it lay flat.”
14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’ i Gideona, zanak’ i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’ Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
The other man said, “This is nothing other than the sword of Gideon (the son of Joash), the Israelite. God has given him victory over Midian and all their army.”
15 Ary rehefa ren’ i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin’ ny tobin’ ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny tobin’ ny Midiana.
When Gideon heard the retelling of the dream and its interpretation, he bowed down in worship. He went back to the camp of Israel and said, “Get up! Yahweh has given you victory over the Midian army.”
16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin’ ny siny.
He divided the three hundred men into three groups, and he gave them all trumpets and empty jars, with torches inside each jar.
17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ ny sisin’ ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
He said to them, “Look at me and do what I do. Watch! When I come to the edge of the camp, you must do what I do.
18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An’ i Jehovah sy Gideona!
When I blow the trumpet, I and all who are with me, then blow your trumpets also on every side of the entire camp and shout, 'For Yahweh and for Gideon!'”
19 Dia nankany amin’ ny sisin’ ny toby tamin’ ny fiandohan’ ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
So Gideon and the hundred men who were with him came to the edge of the camp, right at the beginning of the middle watch. Just as the Midianites were changing guard, they blew the trumpets and broke the jars that were in their hands.
20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr’ i Jehovah sy Gideona!
The three companies blew the trumpets and broke the jars. They held the torches in their left hands and the trumpets in their right hands to blow them. They shouted out, “The sword of Yahweh and of Gideon.”
21 Ary samy nijanona teo amin’ ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
Every man stood in his place around the camp and all the Midianite army ran. They shouted and ran away.
22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’ i Jehovah tamin’ ny sabatra ny miaramila eran’ ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ ny fari-tanin’ i Abela-mehola akaiky an’ i Tabata.
When they blew the three hundred trumpets, Yahweh set every Midianite man's sword against his comrades and against all their army. The army fled as far as Beth Shittah toward Zererah, as far as the border of Abel Meholah, near Tabbath.
23 Dia nivory ny lehilahy amin’ ny Isiraely avy tamin’ ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
The men of Israel from Naphtali, Asher, and all Manasseh were called out, and they went after Midian.
24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’ i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
Gideon sent messengers throughout all the hill country of Ephraim, saying, “Go down against Midian and take control of the Jordan River, as far as Beth Barah, to stop them.” So all the men of Ephraim gathered together and took control of the waters, as far as Beth Barah and the Jordan River.
25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ ny vatolampin’ i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ ny famiazam-boalobok’ i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’ i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’ i Gideona tany an-dafin’ i Jordana.
They captured the two princes of Midian, Oreb and Zeeb. They killed Oreb at the rock of Oreb, and they killed Zeeb at the winepress of Zeeb. They went after the Midianites, and they brought the heads of Oreb and Zeeb to Gideon, who was on the other side of the Jordan.

< Mpitsara 7 >